Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?

Valiny ara-baiboly

 Afaka manampy antsika ho faly sy ho afa-po eo amin’ny fiainana ny namana. Raha manana namana tsara isika, dia hisy vokany amintsika izany ary vao mainka hihatsara ny toetrantsika.​—Ohabolana 27:17.

 Asongadin’ny Baiboly hoe tena ilaina ny mahay mifidy namana. Resahiny hoe hidiran-doza isika raha naman-dratsy no iarahantsika. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Mety hahatonga antsika handray fanapahan-kevitra ratsy na hanimba ny toetra tsarantsika izy ireny.

Ho hitantsika ato ireto:

 Hoatran’ny ahoana ny hoe namana tsara?

 Ampianarin’ny Baiboly fa tsy ampy raha hoe ataonao namana ny olona iray satria fotsiny hoe mitovy ny zavatra tianareo na ny fialam-boly ankafizinareo. Izao, ohatra, no resahin’ny Salamo 119:63: “Naman’izay rehetra matahotra anao a aho, ary naman’izay mankatò ny didinao.” Milaza ilay mpanoratra Baiboly eo hoe izay matahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra sy te hanaraka ny fitsipiny no nataony namana.

 Asehon’ny Baiboly koa hoe inona avy ny toetra tokony hananan’ny namana tsara. Ireto misy ohatra:

  •   “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

  •   “Misy mpinamana vonona hifamotika, fa misy kosa namana mifikitra noho ny rahalahy aza.”​—Ohabolana 18:24.

 Mampianatra antsika ireo andininy ireo hoe tsy mivadika, be fitiavana, tsara fanahy, ary tia manome ny namana tsara. Azo atokisana hanampy ny tena namana rehefa misy ny olana. Tsy misalasala miteny koa izy raha mitady hanao zavatra tsy mety isika na handray fanapahan-kevitra ratsy.​—Ohabolana 27:6, 9.

 Ohatra vitsivitsy momba ny mpinamana resahin’ny Baiboly

 Be dia be ny olona resahin’ny Baiboly hoe tena mpinamana, na dia tsy nitovy taona, fiaviana, kolontsaina, ary fahefana aza. Handinika ohatra telo isika.

  •   Rota sy Naomy. Vinantovavin’i Naomy i Rota, ary mety ho nifanelanelana be mihitsy ny taonan-dry zareo. Tsy nitovy kolontsaina koa izy ireo. Na teo aza anefa izany rehetra izany, dia nifankatia sy lasa mpinamana be izy mianaka.​—Rota 1:16.

  •   Davida sy Jonatana. Zokin’i Davida 30 taona i Jonatana. Milaza anefa ny Baiboly hoe “lasa mpinamana be” i Davida sy Jonatana.​—1 Samoela 18:1.

  •   Jesosy sy ireo apostoliny. Nanana fahefana tamin’ireo apostoliny i Jesosy, satria sady mpampianatra izy no tompon’izy ireo. (Jaona 13:13) Tsy nieritreritra mihitsy anefa i Jesosy hoe tsy mendrika ny ho namany izy ireo. Nataon’i Jesosy namana akaiky ireo nanaraka ny fampianarany. Hoy izy: “Antsoiko hoe namana ... ianareo, satria ampahafantariko anareo daholo izay henoko tamin’ny Raiko.”​—Jaona 15:14, 15.

 Afaka ny ho lasa naman’Andriamanitra ve isika?

 Ie, afaka minamana amin’Andriamanitra ny olombelona. Milaza ny Baiboly hoe: “Ataony namana akaiky … ny olona manao izay mahitsy.” (Ohabolana 3:32) Inona no dikan’izany? Fidin’Andriamanitra ho namany izay rehetra miezaka manao ny tsara sy manao ny marina ary manaraka ny fitsipiny eo amin’ny fiainana. Hita ao amin’ny Baiboly, ohatra, fa nantsoina hoe naman’Andriamanitra i Abrahama satria nanam-pinoana.​—2 Tantara 20:7; Isaia 41:8; Jakoba 2:23.

a Rehefa jerena ny teny manodidina an’io salamo io, dia Andriamanitra no tiana holazaina amin’ilay hoe “anao.”