Jeremia 29:1-32

  • Taratasin’i Jeremia ho an’ireo natao sesitany tany Babylona (1-23)

    • Hody ny Israely rehefa afaka 70 taona (10)

  • Hafatra ho an’i Semaia (24-32)

29  Nandefa taratasy avy teto Jerosalema i Jeremia mpaminany, ho an’ny sisa amin’ireo anti-panahy natao sesitany, sy ho an’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nentin’i Nebokadnezara niala teto Jerosalema sy nataony sesitany any Babylona.  Efa tsy teto Jerosalema intsony tamin’izay i Jekonia+ Mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka,*+ ny tandapa, ny andrianan’i Joda sy Jerosalema, ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.*+  Nampitondrain’i Jeremia an’i Elasa zanak’i Safana+ sy Gemaria zanak’i Hilkia ilay taratasy. Nirahin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda ho any Babylona, any amin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, mantsy izy roa lahy. Izao no voalazan’ilay taratasy:  “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, amin’ny olona rehetra nalefany sesitany avy teto Jerosalema ho any Babylona:  ‘Manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy.  Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy. Akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy, mba hiteraka zazalahy sy zazavavy koa. Aoka hihabetsaka ianareo fa tsy hihavitsy.  Dia ataovy izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo. Mivavaha amin’i Jehovah ho an’ilay tanàna, satria raha miadana izy io dia hiadana koa ianareo.+  Izao mantsy no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo.+ Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo.  Fa ‘maminany lainga aminareo amin’ny anarako izy ireny, nefa tsy naniraka azy aho’,+ hoy i Jehovah.”’” 10  “Fa izao no lazain’i Jehovah: ‘Hokarakaraiko ianareo rehefa tapitra ny 70 taona ijanonanareo any Babylona,+ dia hotanterahiko ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity ianareo.’+ 11  “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza,+ mba hanananareo hoavy tsara sy fanantenana.+ 12  Ary hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, dia hihaino anareo aho.’+ 13  “‘Hitady ahy ianareo ka hahita ahy,+ satria hitady ahy amin’ny fonareo manontolo ianareo.+ 14  Ary hataoko izay hahitanareo ahy’,+ hoy i Jehovah. ‘Hangoniko izay babo eo aminareo, ary hovoriko avy any amin’ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Dia hampodiko ao amin’ilay toerana nialanareo tamin’ianareo nalefako sesitany ianareo.’+ 15  “Nilaza anefa ianareo hoe: ‘Nanendry mpaminany ho anay atỳ Babylona i Jehovah.’ 16  “Fa izao no lazain’i Jehovah amin’ilay mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy amin’ny mponina rehetra ato amin’ity tanàna ity, dia ireo rahalahinareo tsy natao sesitany niaraka taminareo: 17  ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Handefasako sabatra sy mosary ary areti-mandringana+ izy ireo hamely azy, ary hataoko toy ny aviavy lo* tsy azo hanina fa ratsy loatra.”’+ 18  “‘Dia henjehiko amin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo. Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy.+ Hanozona azy ireo ny olona any amin’ny firenena rehetra hanaparitahako azy, sady ho gaga sy hisioka rehefa mahita an’izay hanjo azy,+ ary handatsa azy.+ 19  Tsy nohenoin’izy ireo mantsy ny teniko izay nampitondraiko an’ireo mpaminany mpanompoko’, hoy i Jehovah, ‘ary imbetsaka aho no* naniraka azy ireny tany aminareo.’+ “‘Tsy nihaino anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah. 20  “Henoy àry ny tenin’i Jehovah, ry olona rehetra natao sesitany, izay nalefako niala teto Jerosalema mba ho any Babylona. 21  Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an’i Ahaba zanak’i Kolaia sy momba an’i Zedekia zanak’i Mahaseia, izay samy maminany lainga amin’ny anarako:+ ‘Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona izy roa lahy, ka hovonoiny eo imasonareo. 22  Ary izay hanjo azy roa lahy, dia ho lasa fiteny fampiasan’ny Joda rehetra natao sesitany any Babylona rehefa manozona. Hilaza izy ireo hoe: “Enga anie ianao hataon’i Jehovah hoatran’i Zedekia sy Ahaba, izay natonon’ny mpanjakan’i Babylona tao anaty afo!” 23  Nanao zavatra manala baraka teo amin’ny Israely+ mantsy izy roa lahy. Nanitsakitsa-bady izy ireo ka naka vadin’olona. Nilaza lainga tamin’ny anarako koa izy ireo nefa tsy nasaiko nanao an’izany.+ “‘“Izaho no mahalala an’izay nataony sy vavolombelon’izany”,+ hoy i Jehovah.’” 24  “Ary izao no holazainao amin’i Semaia+ avy any Nehelama: 25  ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Nandefa taratasy tamin’ny anaranao ianao, ho an’ny olona rehetra eto Jerosalema sy ho an’i Zefania+ mpisorona zanak’i Mahaseia ary ho an’ny mpisorona rehetra, nilaza hoe: 26  ‘Efa notendren’i Jehovah ho mpisorona hisolo an’i Joiada mpisorona ianao, mba ho mpiandraikitra ao an-tranon’i Jehovah, ka hisambotra an’izay olona adala manao hoatran’ny mpaminany sy hangeja azy amin’ny gadra hazo* sy gadra vy.*+ 27  Koa nahoana ianao no tsy niteny mafy an’i Jeremia avy any Anatota+ izay manao hoatran’ny mpaminany eo aminareo?+ 28  Fa nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babylona mihitsy izy, hilaza hoe: “Mbola haharitra ela izy ity! Koa manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy,+ ...”’”’” 29  Rehefa novakin’i Zefania+ mpisorona teo anatrehan’i Jeremia mpaminany ilay taratasy, 30  dia niteny tamin’i Jeremia i Jehovah hoe: 31  “Mandefasa hafatra any amin’ny olona rehetra any an-tsesitany hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah momba an’i Semaia avy any Nehelama: “Koa satria naminany taminareo i Semaia nefa tsy nirahiko, ka nampino lainga anareo,+ 32  dia izao no lazain’i Jehovah: ‘Hosaziko i Semaia avy any Nehelama sy ny taranany. Tsy hisy taranany ho tavela eto amin’ity firenena ity, ary tsy hahita ny zavatra tsara hataoko ho an’ny vahoakako izy’, hoy i Jehovah. ‘Mampirisika ny olona hikomy amin’i Jehovah mantsy izy.’”’”

Fanamarihana

Na mety hoe “mpanorina manda fiarovana.”
Na: “ny andriambavy.”
Na mety hoe “miparasaka.”
Abt: “nifoha maraina aho.”
Abt: “Nebokadrezara”, fomba hafa nanoratana ny anarany.
Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Natao manodidina ny tenda.