Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Hajao ny Hafa Rehefa Mampiasa Telefaonina

Hajao ny Hafa Rehefa Mampiasa Telefaonina

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Mbola miresaka amin’ny namanao ianao no misy hafatra (SMS) tonga ao amin’ny telefaoninao. Inona no hataonao?

  1. A: Vakinao ilay SMS sady miresaka amin’ilay namanao ihany ianao.

  2. B: Miteny ianao hoe “azafady kely an”, dia vakinao ilay SMS.

  3. D: Tsy jerenao ilay SMS fa tohizinao ihany ny resakao.

Tsy mampaninona ve izay fidinao amin’ireo? Tena mampaninona mihitsy!

TSARA HO FANTATRA

Tsy mety raha sady miresaka amin’ny namanao iray ianao, no mandefa SMS amin’olon-kafa. Raha manao an’izany ianao dia hoatran’ny hoe baolina kitra no lalaovina nefa baskety no ataonao. Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Ka izy ange namako e! Izy ve dia haninona amin’izany?’ Ka izay indrindra! Tokony hohajaina ny namana. Tsy voatery hoe mahalala fomba be na manajanaja be akory ianao. Tadidio anefa fa tsy hinamana aminao intsony ny namanao rehefa tsy manaja azy ianao.

Fa nahoana? Satria tsy tian’ny olona mihitsy izany hoe tsy hajaina na tsy raharahaina izany. Hoy ny ankizivavy atao hoe Laingo: * “Mandreraka be rehefa variana mijery telefaonina ny namako nefa izaho miresaka aminy. Hoatran’ny tsisy dikany aminy izany aho fa zavatra hafa mihitsy no mahaliana azy.” Ho zakan’i Laingo ve raha atao hoatr’izany foana izy? Azo inoana fa tsy hinamana amin’ilay olona intsony izy rehefa ela ny ela.

Saintsaino izao: “Izaho ve mba manaja ny hafa rehefa mampiasa telefaonina?” Jereo indray ilay tantara kely tetsy aloha. Inona aminao no mety indrindra? Ekenao angamba fa tsy manaja olona ilay Safidy A. Ahoana kosa ny B sy D? Tsy manaja ve aminao raha miresaka amin’olona ianao nefa ajanonao ilay izy mba hijerena SMS? Sa kosa raha tsy jerenao mihitsy ny SMS alefan’olona satria mbola variana miresaka ianao, dia izay no tena hoe tsy manaja?

Hitanao amin’izany fa sarotra ilay izy indraindray. Izao anefa  no torohevitry ny Baiboly: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.” (Lioka 6:31) Ahoana no hampiharana an’io, rehefa mandefa na maharay SMS?

INONA NO AZONAO ATAO?

Mahaiza mifidy fotoana. Hoy i Rivo: “Indraindray aho mbola mahazo SMS, nefa efa alina be. Tsisy dikany akory anefa ilay izy fa ny torimasoko fotsiny no tapaka!” Eritrereto àry izao: ‘Mbola mandefa SMS ve aho, nefa mety hoe efa matory ilay olona?’—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 3:1.

Mba asio fihetseham-po ilay izy. Rehefa miresaka mivantana amin’olona ianao, dia henony ny feonao, ary hitany ny fihetsikao sy ny tarehinao. Azony tsara àry ny fihetseham-ponao. Tsy hoatr’izany anefa ny SMS. Inona àry no azonao atao? Hoy i Tamby: “Mba miezaha ho tsara fanahy. Miarahaba kely, ohatra, vao miresaka. Dia manaova ‘azafady’ sy ‘misaotra.’ ”—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 4:6.

Mahaiza mandanjalanja. Jereo indray ilay tantara kely tetsy aloha. Raha misy SMS maika andrasanao, dia mety mila miala tsiny amin’ilay olona iresahanao ianao, ka hijery an’ilay izy aloha. Matetika anefa no azo ampiandrasina izany. Hoy i Tahiana, ankizivavy 17 taona: “Ilay telefaonina akory tsy handositra fa ho eo foana, fa ilay namanao kosa mety tsy hijanona eo raha variana amin’ny SMS ianao.” Mila mahay mandanjalanja koa ianao rehefa miara-mikorana amin’olona. Hoy i Malala, ankizivavy 18 taona: “Aza ilaozana mandefa SMS foana. Hoatran’ny te hiteny mantsy ianao hoe: ‘Tsy dia tiako loatra ange ny miaraka aminareo e! Any an-kafa mihitsy izao ny saiko.’ ”

Mieritrereta tsara aloha. Tonga dia ho azon’ny olona ve ilay hafatra? Mety hanampy anao ny torohevitr’i Nekena, ankizivavy 21 taona. Hoy izy: “Raha vazivazy fotsiny ilay tianao hotenenina, dia mba asio an’ilay sariolona kely mitsikitsiky iny eo. Mety ho tezitra mantsy ilay olona, ary mety ho raikitra mihitsy ny ady, raha ataony fa tena izy ny sangisanginao.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 12:18.

Mitandrema tsara àry rehefa mandefa SMS!

Eritrereto izao: Fitiavana no mahatonga antsika hanaja ny hafa. Ahoana anefa izany hoe maneho fitiavana izany? Hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo.” (1 Korintianina 13:4, 5) Inona amin’ireo no mbola mila iezahanao?

^ feh. 11 Novana ny anarana sasany ato.