Hijery ny anatiny

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?

Valiny ara-baiboly

 Hoy ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5; Salamo 146:4) Tsy misy intsony fotsiny isika rehefa maty. Tsy afaka mieritreritra ny olona rehefa maty, tsy mahavita zavatra, ary tsy mahatsapa na inona na inona intsony.

“Hiverina ho vovoka indray ianao”

 Nohazavain’Andriamanitra tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Tsy nankatò i Adama, ka hoy Andriamanitra taminy: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Genesisy 3:19) Tsy nisy i Adama talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy “avy tamin’ny vovoky ny tany.” (Genesisy 2:7) Tsy nisy intsony koa àry i Adama rehefa maty, fa lasa vovoka indray.

 Hoatran’izany daholo ny olona maty rehetra. Hoy ny Baiboly momba ny olona sy ny biby: “Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.”—Mpitoriteny 3:19, 20.

Mbola misy ny fanantenana ho an’ireo maty

 Matetika ny Baiboly no mampitaha ny fahafatesana amin’ny torimaso. (Salamo 13:3; Jaona 11:11-14) Tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany ny olona matory be. Toy izany koa fa tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty. Ampianarin’ny Baiboly anefa fa azon’Andriamanitra fohazina ny maty, toy ny mamoha olona matory. (Joba 14:13-15) Mbola misy fanantenana àry ho an’ireo olona hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty.