Hijery ny anatiny

Inona no Antony Ahavelomantsika?

Inona no Antony Ahavelomantsika?

Valiny ara-baiboly

 Misy fomba maro azo ametrahana an’io fanontaniana io, ohatra hoe ‘Inona no antony namoronana antsika?’ na hoe ‘Fa maninona aho no nisy?’ Asehon’ny Baiboly amintsika fa noforonina mba hifandray amin’Andriamanitra isika. Diniho ireto hevitra lehibe avy ao amin’ny Baiboly ireto:

  •   Andriamanitra no namorona antsika. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra no nanao antsika, fa tsy ny tenantsika.’—Salamo 100:3; Apokalypsy 4:11.

  •   Nisy antony matoa Andriamanitra namorona ny zava-drehetra, anisan’izany isika.—Isaia 45:18.

  •   Efa ao anatintsika ny faniriana te hahalala momba an’Andriamanitra. Tiantsika ho fantatra koa hoe inona no antony ahavelomantsika. (Matio 5:3) Tian’Andriamanitra hahalala ny valin’izany isika.—Salamo 145:16.

  •   Hahalala an’Andriamanitra isika raha miezaka hinamana aminy. Mihevitra ny olona sasany fa hoatran’ny tsy ho azo atao izany hoe hinamana amin’Andriamanitra izany. Mampirisika antsika anefa ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8; 2:23.

  •   Tsy maintsy mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra momba antsika ny fomba fiainantsika raha te ho lasa namany isika. Lazain’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 12:13 izany fikasany izany. Izao no voalaza ao: “Matahora an’Andriamanitra ary ankatoavy ny didiny, fa izany no antony namoronana antsika.”—Fandikan-tenin’ny Vaovao Tsara (anglisy).

  •   Amin’ny hoavy vao tena ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona ny olombelona. Hofoanany ny fijaliana ary homeny fiainana mandrakizay ny namany, izany hoe ny olona manompo azy.—Salamo 37:10, 11.