Hijery ny anatiny

Nampiasa ny Evolisiona ve Andriamanitra mba Hamoronana ny Zavamananaina Isan-karazany?

Nampiasa ny Evolisiona ve Andriamanitra mba Hamoronana ny Zavamananaina Isan-karazany?

Valiny ara-baiboly

 Tsia. Milaza mazava ny Baiboly fa namorona olona Andriamanitra, sady namorona biby sy zavamaniry isan-karazany. a (Genesisy 1:12, 21, 25, 27; Apokalypsy 4:11) Resahin’izy io koa fa i Adama sy Eva no razamben’ny olombelona rehetra. (Genesisy 3:20; 4:1) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nampiasa ny evolisiona Andriamanitra mba hamoronana zavamananaina isan-karazany. Ary ahoana ilay resahin’ny mpahay siansa hoe misy fiovana kely amin’ny zavamananaina sasany indraindray? b Tsy misy milaza mihitsy ao amin’ny Baiboly hoe diso izany.

 Inona no inoan’ny olona sasany?

 Mino ny olona sasany hoe nampiasa ny evolisiona Andriamanitra mba hamoronana zavamananaina isan-karazany. Tsy mitovy hevitra anefa izy ireo momba ny hoe ahoana no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Resahin’ny Encyclopædia Britannica fa mino ny olona sasany hoe izay karazana zavamananaina nahazaka ny fiaimpiainana tao amin’ny toerana nipetrahany ihany no ela velona sy nanan-taranaka. Efa Andriamanitra mihitsy, hono, no nanao azy ireny hoatr’izany.

 Ireto koa misy hevitra sasany inoan’ireny olona ireny:

  •   Karazan-javatra iray efa nisy taloha ela be ihany no niavian’ny zavamananaina rehetra.

  •   Mety hivoatra miandalana ny karazana zavamananaina anankiray, dia lasa zavamananaina karazany hafa mihitsy. Izay ilay antsoina hoe evolisiona goavana.

  •   Efa nataon’Andriamanitra hivoatra miandalana mihitsy ny zavatra noforoniny, dia amin’izay manome zavamananaina isan-karazany.

 Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly ve ny evolisiona?

 Raha tena nampiasa ny evolisiona tokoa Andriamanitra mba hamoronana, dia lasa tsy tena marina izany ny zavatra tantaraina ao amin’ny Genesisy. I Jesosy anefa nilaza hoe zavatra tena nisy no resahina ao fa tsy angano fotsiny. (Genesisy 1:26, 27; 2:18-24; Matio 19:4-6) Hitan’i Jesosy mihitsy mantsy ny namoronana ny zava-drehetra, raha ny Baiboly no jerena. Resahina ao fa efa niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra izy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, sady nanampy an’Andriamanitra hamorona ny “zava-drehetra.” (Jaona 1:3) Tsy mifanaraka amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly àry ilay hoe nampiasa ny evolisiona Andriamanitra mba hamoronana zavamananaina isan-karazany.

 Misy fiovana indraindray hita amin’ny zavamaniry na amin’ny biby. Azo lazaina hoe karazana evolisiona ve ireny fiovana ireny?

 Tsy manazava ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana ny fiovana mety ho hita amin’ny karazana zavamaniry na biby iray. Tsy manda mihitsy izy io hoe mety hisy fiovana eo amin’ireny zavatra noforonin’Andriamanitra ireny rehefa manan-taranaka izy, na rehefa miova ny toerana ipetrahany. Misy mino hoe karazana evolisiona ireny fiovana ireny. Tsy hoe lasa karazana zavamananaina vaovao anefa ilay zavamaniry na ilay biby, fa nisy zavatra niova kely fotsiny taminy.

a Ilay teny hoe “karazana” no ampiasain’ny Baiboly. Ilay teny hoe “sokajy” kosa no fampiasan’ny mpahay siansa. Betsaka kokoa ny zavatra mety ho tafiditra amin’ilay hoe “karazana” noho ny amin’ilay hoe “sokajy.” Rehefa mahita sokajina zavamananaina vaovao ny mpahay siansa, dia matetika izy ireo no miteny hoe nivoatra miandalana, hono, ny sokajy efa nisy taloha, dia izay no nampisy an’ilay sokajy vaovao. Raha ny marina anefa dia karazany hafa, araka ny resahin’ny Genesisy, fotsiny ilay izy.

b Evolisiona bitika no iantsoana an’ireny fiovana kely ireny.