Isaia 48:1-22

  • Nanarina ny Israely, nodiovina (1-11)

  • Hamely an’i Babylona i Jehovah (12-16a)

  • Mahasoa ny fampianaran’i Jehovah (16b-19)

  • “Mivoaha avy ao Babylona!” (20-22)

48  Henoy izao, ry taranak’i Jakoba,Dia ianareo izay miantso ny tenanareo hoe Israely,+Sy ianareo nipoitra avy tamin’ny ranon’i* Joda.Dia ianareo mianiana amin’ny anaran’i Jehovah,+Sady miantso an’ilay Andriamanitry ny Israely,Nefa tsy manao an’izany amin’ny fo madio sady tsy manao ny tsara.+   Fa mihambo ho avy amin’ilay tanàna masina+ ianareo,Ary mitady fanampiana any amin’ny Andriamanitry ny Israely,+Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon’ny tafika.   “Efa ela aho no nilaza taminao ny zavatra taloha.* Ny vavako no niteny an’ireny,Ary nampahafantariko ireny.+ Nanao zavatra tampoka aho, ka tanteraka ireny.+   Fantatro mantsy fa mafy loha ianao.Vy ny hozatry ny hatokao ary varahina ny handrinao.+   Efa ela aho no nilaza taminao ny zava-drehetra. Mbola tsy nitranga akory izany dia efa noteneniko anao,Sao mantsy ianao hiteny hoe: ‘Ny sampiko no nanao an’izany,Ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly* nataoko no nandidy an’izany.’   Efa henonao sy hitanao daholo izany, Dia tsy horesahinao ve?+ Hilaza zava-baovao aminao aho manomboka izao,+Dia tsiambaratelo nafenina ka mbola tsy fantatrao mihitsy.   Vao izao izany vao misy fa tsy hoe efa taloha,Dia zavatra mbola tsy henonao mihitsy talohan’ny androany,Sao ianao hiteny hoe: ‘Efa fantatro izany.’   Tena mbola tsy henonao izany+ sady tsy fantatrao,Ary taloha dia tsy nisokatra ny sofinao. Fantatro mantsy fa tena mpivadika ianao,+Sady efa hatramin’ny vao teraka ianao no nantsoina hoe mpandika lalàna.+   Hifehy ny hatezerako anefa aho noho ny anarako,+Hifehy tena aho mba hahazoako fiderana,Ka tsy horinganiko ianao.+ 10  Nodioviko ianao, nefa tsy nataoko hoatran’ny manadio volafotsy.+ Nosedraiko* tao anatin’ny fatana fandrendrehana ianao, izany hoe tao anatin’ny fahoriana.+ 11  Hanao zavatra aho noho ny amiko.+Fa nahoana no havelako hozimbazimbaina ny anarako?+ Tsy homeko an’iza na iza* ny voninahitro. 12  Henoy aho, ry Jakoba sy Israely, izay nantsoiko! Tsy miova Aho,+ fa izaho no voalohany, ary izaho no farany.+ 13  Ny tanako no nametraka ny fototry ny tany,+Ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra.+ Rehefa antsoiko izy ireo dia mitsangana daholo. 14  Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa! Iza amin’izy ireo no nilaza an’izany zavatra izany? Tian’i Jehovah izy.+ Izy no hanatanteraka an’izay tian’Andriamanitra hatao amin’i Babylona,+Ary ny sandriny no hamely ny Kaldeanina.+ 15  Izaho no nilaza an’izany, ary izaho no niantso azy.+ Izaho no nitondra azy, ary hahomby izay ataony.+ 16  Manatòna ahy, dia henoy izao: Efa hatramin’ny voalohany mihitsy aho no tsy niafinafina rehefa niteny.+ Efa teo aho hatramin’ny fotoana nitrangan’izany.” Dia nirahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony izaho sy ny* fanahiny. 17  Izao no tenin’i Jehovah Mpanavotra anao, Ilay Masin’ny Israely:+ “Izaho Jehovah no Andriamanitrao,Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa,*+Ilay mitarika anao any amin’izay lalana tokony halehanao.+ 18  Raha mba mankatò ny didiko mantsy ianao,+ Dia ho lasa toy ny renirano ny fiadananao+Ary ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!+ 19  Ho be dia be hoatran’ny fasika ny taranakao,+Ary ho maro be hoatran’ny vovo-pasika. Tsy hovonoina na hofafana eo anatrehako mihitsy ny anaran’izy ireo.” 20  Mivoaha avy ao Babylona!+ Andosiro ny Kaldeanina! Lazao sy ambarao amin’ny olona izany sady mifalia.+ Ataovy fantatry ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany izany,+ Dia teneno hoe: “Navotan’i Jehovah i Jakoba mpanompony.+ 21  Tsy nangetaheta mihitsy izy ireo, tamin’izy nitarika azy ireo namakivaky tany ngazana.+ Nataony namoaka rano ny vatolampy mba hosotroin’izy ireo,Ary nataony nitresaka ny vatolampy mba hisy rano hiboiboika be.”+ 22  “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”, hoy i Jehovah.+

Fanamarihana

Na mety hoe “ianareo taranak’i.”
Abt: “voalohany.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Na: “Nodinihiko.” Na mety hoe “Nofidiko.”
Na: “Tsy hozaraiko amin’iza na iza.”
Na: “miaraka amin’ny.”
Na: “hahasoa anao.”