Ezekiela 18:1-32

  • Samy tompon’andraikitra amin’ny fahotany ny tsirairay (1-32)

    • Izay olona manota no ho faty (4)

    • Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy ny zanaka (19, 20)

    • ‘Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’ (23)

    • Ho velona izay mibebaka (27, 28)

18  Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:  “Fa inona koa no tianareo holazaina amin’izao ohabolana fampiasanareo any amin’ny tanin’ny Israely izao: ‘Ny rainy no nihinana voaloboka marikivy, nefa ny nifin’ny zanany no madilo’?+  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hampiasa an’izany fitenenana izany intsony ianareo, any Israely.  Fa ahy ny aina rehetra. Ahy ny ain’ny ray, dia hoatr’izany koa ny ain’ny zanaka. Izay olona manota no ho faty.  “‘Andeha hatao hoe misy olona iray manao ny tsara, ka manao ny rariny sy ny hitsiny.  Tsy mihinana sorona aterina ho an’ny sampy eny an-tendrombohitra+ izy, na miandrandra an’ireo sampy maharikoriko* tompoin’ny taranak’Israely.+ Tsy mandoto vadin’olona izy, na manao firaisana amin’ny vehivavy tonga fotoana.+  Tsy mampijaly olona izy,+ fa mamerina ny antoka nomen’izay nitrosa taminy.+ Tsy maka an-keriny fananan’olona izy,+ fa manome ny sakafony ho an’ny noana,+ sady manome fitafiana ho an’izay mitanjaka.+  Tsy maka zanabola izy na maka tombony be rehefa mampindram-bola,+ ary tsy mba manao ny tsy rariny mihitsy.+ Mampihatra ny rariny izy rehefa misy olona roa mifampitory.+  Manaraka ny lalàko sy ny didim-pitsarako foana izy satria tsy te hivadika. Manao ny tsara izany olona izany, ka azo antoka fa ho velona’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 10  “‘Fa andeha hatao hoe manan-janakalahy izy ary mpangalatra+ ilay zanany na mpamono olona,*+ na manao zavatra mitovitovy amin’ny iray amin’ireo, 11  nefa izy tsy mba nanao na dia ny iray amin’ireo aza, fa ilay zanany kosa mihinana sorona aterina ho an’ny sampy eny an-tendrombohitra, sady mandoto vadin’olona, 12  mampijaly ny sahirana sy ny mahantra,+ maka an-keriny fananan’olona, tsy mamerina antoka, miandrandra an’ireo sampy maharikoriko,+ zatra manao zavatra maharikoriko,+ 13  maka tombony be sady maka zanabola rehefa mampindram-bola.+ Raha izany, dia ho faty ilay zanany. Tsy maintsy hovonoina ho faty izy, satria nanao an’izany zavatra maharikoriko rehetra izany. Izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. 14  “‘Fa andeha indray hatao hoe misy ray manan-janakalahy, dia hitan’ilay zanany daholo ny fahotana ataon’ilay rainy, fa izy kosa tsy mba manao an’izany na dia hitany aza izany. 15  Tsy mihinana sorona aterina ho an’ny sampy eny an-tendrombohitra izy, na miandrandra an’ireo sampy maharikoriko tompoin’ny taranak’Israely, na mandoto vadin’olona, 16  na mampijaly olona, na mitazona an’izay antoka apetraka any aminy, na maka an-keriny fananan’olona. Manome ny sakafony ho an’ny noana izy, sady manome fitafiana ho an’izay mitanjaka. 17  Tsy mba mampijaly ny mahantra izy, ary tsy maka tombony be na zanabola rehefa mampindram-bola, fa manaraka tsara ny didim-pitsarako sy ny lalàko. Dia tsy ho faty noho ny fahadisoan’ny rainy izany lehilahy izany, fa azo antoka hoe ho velona. 18  Fa ilay rainy kosa ho faty noho ny fahadisoany, satria nanambaka olona izy sady naka an-keriny ny fananan’ny rahalahiny, ary nanao izay ratsy teo amin’ny fireneny. 19  “‘Hiteny anefa ianareo hoe: “Fa maninona kosa ny zanaka no tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy?” Satria manao ny rariny sy manao ny tsara ilay zanaka, sady manaraka ny lalàko rehetra foana, dia azo antoka hoe ho velona.+ 20  Fa izay olona manota no ho faty.+ Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy ny zanaka, ary tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny zanaka ny rainy. Izay manao ny tsara ihany no hahazo valisoa noho ny tsara nataony, ary izay ratsy fanahy ihany no ho voasazy noho ny ratsy nataony.+ 21  “‘Fa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony ny ratsy fanahy, ka manaraka ny lalàko sady manao ny rariny sy ny hitsiny, dia azo antoka hoe ho velona izy fa tsy ho faty.+ 22  Tsy hosazina izy na inona na inona fahadisoana nataony.*+ Ho velona izy satria manao ny tsara.’+ 23  “‘Angaha sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy?’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Tsy satriko aza ve izy mba miala amin’ny ratsy fanaony dia ho velona?’+ 24  “‘Raha tsy manao ny tsara intsony anefa ny olo-marina fa lasa manao ratsy,* ka manao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny ratsy fanahy, dia mbola ho velona ihany ve izy? Tsy hisy hotsaroana intsony ny zavatra tsara rehetra nataony.+ Ho faty izy satria nivadika sy nanota.+ 25  “‘Hiteny anefa ianareo hoe: “Tsy rariny ny ataon’i Jehovah!”+ Mba henoy aho, azafady, ry taranak’Israely ô! Ny zavatra ataoko ve no tsy rariny?+ Tsy ny zavatra ataonareo ve no tsy rariny?+ 26  “‘Raha tsy manao ny tsara intsony ny olo-marina fa lasa manao ratsy, dia ho faty noho ny ratsy nataony ihany izy. 27  “‘Ary raha miala amin’ny ratsy fanaony ny ratsy fanahy, ka lasa manao ny rariny sy ny hitsiny, dia hamonjy ny ainy izy.+ 28  Raha tonga saina izy ka miala amin’ny fahadisoana rehetra vitany, dia azo antoka hoe ho velona izy fa tsy ho faty. 29  “‘Hiteny anefa ny taranak’Israely hoe: “Tsy rariny ny ataon’i Jehovah!” Ny zavatra ataoko tokoa ve no tsy rariny, ry taranak’Israely ô?+ Tsy ny zavatra ataonareo ve no tsy rariny?’ 30  “‘Hotsaraiko arakaraka izay nataonareo àry ianareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Koa aza manao ratsy intsony. Aza atao intsony mihitsy ny fahadisoana rehetra nataonareo, mba tsy ho lasa vato mahatafintohina anareo ireny, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana dia ho voasazy. 31  Esory aminareo ny fahadisoana rehetra vitanareo,+ ka havaozy ny fonareo sy ny toe-tsainareo.*+ Fa nahoana ianareo no ho faty,+ ry taranak’Israely ô?’ 32  “‘Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan’ny olona, na iza izany na iza’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Koa aza manao ratsy intsony mba ho velona ianareo!’”+

Fanamarihana

Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
Abt: “mpandatsa-dra.”
Na: “Tsy hisy hotsaroana izay fahadisoana nataony.”
Na: “manao ny tsy rariny.”
Abt: “miezaha hanana fo vaovao sy toe-tsaina vaovao.”