Hijery ny anatiny

Baiboly

Fiandohany sy Fahamarinany

Inona Marina ny Baiboly?

Tena faran’izay mahafinaritra ny mandalina ny hafatra avy amin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ka ampirisihanay ianao hanomboka an’izany.

Bokim-pahendren’olombelona ve ny Baiboly?

Diniho izay lazain’ny Baiboly momba azy.

Hevitr’Andriamanitra ve no ao Amin’ny Baiboly?

Maro ny mpanoratra Baiboly milaza fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra nosoratan’izy ireo. Nahoana?

I Mosesy ve no Nanoratra ny Baiboly?

Anisan’ny nanoratra Baiboly i Mosesy. Firy ny isan’ireo nanoratra ny Baiboly?

Azo Fantarina ve hoe Iza Marina no Nanoratra ny Baiboly?

Milaza ho nanoratra ny hevitr’Andriamanitra sy notarihiny ireo nanoratra ny Baiboly. Azo inoana ve izy ireo?

Niova ve ny Baiboly?

Efa nisy hatramin’ny ela be ny Baiboly. Nahoana anefa isika no matoky hoe marina tsara izy io fa tsy niova?

Oviana Andriamanitra no Nanomboka Namorona An’izao Rehetra Izao?

Manampy antsika hahita ny valin’izany ny dikan’ilay teny hoe “tany am-piandohana” sy ilay hoe “andro”, ao amin’ny Genesisy.

Mifanaraka Amin’ny Siansa ve ny Baiboly?

Misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny siansa ve ao amin’ny Baiboly?

Milaza ve ny Baiboly hoe Fisaka ny Tany?

Mbola marina foana ve izay lazain’ny Baiboly na dia boky efa ela be aza izy io?

Bokin’ny Eoropeanina ve ny Baiboly?

Teratany inona ireo nanoratra ny Baiboly?

Oviana no Nosoratana ny Fitantarana Momba ny Fiainan’i Jesosy?

Hafiriana taorian’ny nahafatesan’i Jesosy no nosoratana ireo Filazantsara?

Famakiana sy Fahatakarana ny Baiboly

Inona avy no Ilainao mba Hahatakaranao Izay Lazain’ny Baiboly?

Afaka mahatakatra izay lazain’ny Baiboly ianao.

Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?

Jereo ato ny andinin-teny sasany eritreretin’ny olona hoe mifanohitra, sy ny soso-kevitra azo arahina mba hahazoanao ny dikan’ireny andinin-teny ireny.

Inona ny Tenin’Andriamanitra ary Iza Ilay Antsoina hoe Tenin’Andriamanitra?

Misy heviny maromaro ny hoe tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Inona no Dikan’ilay hoe “Maso ho Solon’ny Maso”?

Mampirisika ny olona hamaly faty ve ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso”?

Inona no Atao hoe Didy Folo?

Natao ho an’iza ny Didy Folo? Tsy maintsy mitandrina azy ireo ve ny Kristianina?

Inona no Dikan’ny hoe “Samaritanina Tsara Fanahy”?

Nampiasa an’io fanoharana io i Jesosy mba hampianarana ny olona hoe ahoana no tokony hitondrana ny hafa, na inona na inona fiaviany, na volon-kodiny, na fireneny.

Inona no Atao hoe Torah?

Iza no nanoratra azy io? Natao haharitra mandrakizay ve izy io?

Faminaniana sy Hevitra An’ohatra

Inona no Atao hoe Faminaniana?

Tsy maintsy zavatra mbola ho avy foana ve ny faminaniana? Tsy voatery.

Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?

Tanteraka tamin’olon-kafa koa ve ny faminaniana momba ny Mesia?

Inona no Dikan’ireo Tarehimarika ao Amin’ny Baiboly?

Resahina ato fa misy heviny an’ohatra ny isa sasany ao amin’ny Baiboly. Nahoana no tsy mitovy amin’izany ny fandinihana ny hevitra fonosin’ny tarehimarika?

Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?

Miresaka ny fotoana hifaranan’ny fitondram-panjakan’olombelona ilay faminaniana momba ny “fe-potoana fito” ao amin’ny Daniela 4.

Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Milaza ny Apokalypsy fa ho sambatra izay mamaky sy mahazo ary mampihatra an’izay voalaza ao.

Inona Ilay hoe Jerosalema Vaovao?

Misy vokany eo aminao ve io tanàna miavaka io?

Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?

Manana hery sy fahefana ary seza fiandrianana ilay bibidia. Inona koa no resahin’ilay faminanian’ny Apokalypsy?

Inona Ilay Bibidia Mena Midorehitra Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-17?

Zavatra enina hanampy anao hamantatra an’ilay bibidia mahatsiravina.

Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?

Lazain’ny Baiboly ny dikan’ny marik’ilay bibidia sy ilay isa hoe 666.

Iza moa i Babylona Lehibe?

Milaza ny Baiboly fa sady mpivaro-tena no tanàna i Babylona Lehibe.

Fa Inona moa ny Farihy Afo? Mitovy Amin’ny Afobe na Gehena ve Izy Io?

“Manana ny lakilen’ny afobe sy ny fahafatesana” i Jesosy. Ananany koa ve ny lakilen’ny farihy afo?

Iza Ilay Mpanankarena sy Lazarosy?

Asehon’ilay fanoharan’i Jesosy ve hoe mankany an-danitra ny tsara fanahy ary mijalijaly any amin’ny afobe ny ratsy fanahy?

Fara Andro

Inona ny Famantarana ny “Andro Farany”?

Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy zavatra maromaro hiaraka hitranga, dia izay no ho famantarana ny andro farany.

Inona no Atao hoe Fahoriana Lehibe?

Miresaka momba ny fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona ireo faminaniana momba ny farany. Inona no zavatra hitranga amin’izay?

Inona no Atao hoe Ady Hara-magedona?

Indray mandeha ihany no ahitana ny teny hoe Hara-magedona, ao amin’ny Baiboly. Miresaka momba an’io ady io anefa ny andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly.

Ho Potika ve ny Tany?

Mety hahagaga anao ny zavatra resahin’ny Baiboly.

Rahoviana no ho Tonga ny Faran’izao Tontolo Izao?

Milaza daty voafaritra tsara ve ny Baiboly?

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Jereo hoe inona no azonao antenaina avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa hanjaka eto an-tany izy io.

Olona, Toerana, ary Zavatra

Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Vehivavy Voatantara ao Amin’ny Baiboly?

Tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe nisy vehivavy tsara toetra fa nisy koa ratsy toetra. Iza avy izy ireo?

Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Ny tantaran’ny fivavahana kristianina sy ny Soratra Masina no ahitana raha tena marina izany na tsia.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Maria Virjiny?

Misy milaza hoe tsy nandova ota i Maria renin’i Jesosy. Mampianatra an’izany ve ny Baiboly?

Iza moa i Jaona Mpanao Batisa?

Nanomana ny Jiosy hahafantatra an’ilay Mesia nampanantenaina ny hafatra notorin’i Jaona.

Iza Marina i Maria Magdalena?

Tsy resahin’ny Soratra Masina ny zavatra sasany inoan’ny olona momba azy.

Iza Ireo “Magy Telo”? Nasain’Andriamanitra Nanaraka An’ilay ‘Kintan’i Betlehema’ ve Izy Ireo?

Misy teny isan-karazany ampiasain’ny olona rehefa Krismasy, nefa tsy ao amin’ny Baiboly izy ireny.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?

Nomen’Andriamanitra fahitana momba ny zavatra iainantsika amin’izao fotoana izao izy.

Iza no Vadin’i Kaina?

Ho fantatrao ny valin’izany rehefa mandinika tsara ny Baiboly ianao.

Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?

Milaza ny Baiboly hoe nandefa safodrano Andriamanitra mba handripahana ny ratsy fanahy. Inona no porofo fa marina izany?

Inona Ilay Vata Misy ny Fifanekena?

Nasain’Andriamanitra nanao an’io Vata io ny Israelita fahiny. Fa nahoana?

An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?

Misy zavatra telo momba an’ilay lambam-paty hanampy antsika hahita ny valiny.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Dinôzôro?

Mifanaraka amin’ny siansa ve izay lazainy momba ny dinôzôro?

Nampiasa ny Evolisiona ve Andriamanitra mba Hamoronana ny Zavamananaina Isan-karazany?

Milaza ny mpahay siansa hoe misy fiovana kely amin’ny zavamananaina sasany indraindray. Tsy misy milaza mihitsy ao amin’ny Baiboly hoe diso izany.

Azo Ampiharina Tsara

Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Nanampy lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany hanana fianakaviana sambatra ireo torohevitra ara-baiboly resahina ato.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?

Raha manana namana tsara isika, dia hisy vokany amintsika izany ary vao mainka hihatsara ny toetrantsika. Mahaiza mifidy namana!

Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?

Niresaka momba ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa i Jesosy rehefa nanome an’io fitsipika io. Tsy ny olon-kafa amin’ny ankapobeny fotsiny anefa no tiany horesahina fa ny fahavalontsika koa.

Inona no Dikan’ilay hoe ‘Tiavo ny Fahavalonareo’?

Mety ho sarotra tanterahina ilay tenin’i Jesosy, nefa tsotra sady misy heviny be.

Inona no Hanampy Ahy Handray Fanapahan-kevitra Tsara?

Soso-kevitra enina miorina amin’ny toro lalan’ny Baiboly, ary afaka manampy anao ho hendry sy hahira-tsaina.

Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?

Misy boky iray tena azo itokisana afaka manampy anao hanatsara ny fiainanao dieny izao sady manampy anao hanantena fa ho tsara be ny hoavy.

Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?

Fomba fiteny mahazatra nalaina avy ao amin’ny Baiboly ilay hoe “ny vola no fototry ny ratsy rehetra”, saingy misy tsy ampy izy io.

Ahoana Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?

Tsy voatery ho sambatra ianao raha manam-bola. Misy torohevitra efatra afaka manampy anao hahay hitantam-bola anefa ao amin’ny Baiboly.

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Eny! Misy zavatra telo afaka manampy anao raha manana aretina mitaiza ianao.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mamaly Faty?

Manampy olona be dia be tsy hamaly faty intsony ny torohevitra ao amin’ny Baiboly.

Ratsy ve ny hoe Tezitra?

Rariny foana ve raha tezitra isika? Inona no tokony hataonao dieny mbola tsy tezitra be ianao?

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Kivy Aho?

Misy zavatra telo ataon’Andriamanitra mba hanampiana anao rehefa kivy ianao.

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly fa Tsy Afa-po Amin’ny Fiainana Aho?

Fantaro fa ho sambatra kokoa ianao dieny izao sy amin’ny hoavy raha mifandray amin’Andriamanitra.

Tsy Tokony ho Tia ny Tenanao Mihitsy ve Ianao?

Milaza i Jesosy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Inona no dikan’izany?