Hijery ny anatiny

Inona no Dikan’ilay hoe “Maso ho Solon’ny Maso”?

Inona no Dikan’ilay hoe “Maso ho Solon’ny Maso”?

Valiny ara-baiboly

 Anisan’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy ilay hoe “maso ho solon’ny maso.” (Eksodosy 21:24, 25; Deoteronomia 19:21) Naverin’i Jesosy noresahina izy io tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Matio 5:38) Midika izy io hoe raha nanao ratsy ny olona iray dia tokony hifanentana amin’ilay heloka vitany ny sazy homena azy. a

 Nampiharina io didy io rehefa nisy olona iray nanao fanahy iniana nandratra olon-kafa. Hoy ny Lalàn’i Mosesy: “Tapaka ho solon’ny tapaka, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify. Izay takaitra nampitondrainy an’ilay olona no hatao aminy koa.”​—Levitikosy 24:20.

 Inona no antony nanomezana an’ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso”?

 Tsy hoe namela ny olona iray hamaly faty ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso.” Natao hanampiana ny mpitsara fahiny kosa izy io mba hanome sazy mety tsara fa tsy sazy henjana na maivana loatra.

 Natao koa izy io mba hanakanana an’izay olona nieritreritra ny hanisy ratsy olon-kafa. Milaza ny Lalàna fa “handre izany ny olon-kafa rehetra [ny olona nahita ny fomba ampiharan’Andriamanitra ny rariny] ka hatahotra ary tsy hanao ratsy toy izany intsony mihitsy eo aminao.”—Deoteronomia 19:20.

 Mihatra amin’ny Kristianina koa ve io didy io?

 Tsy mihatra amin’ny Kristianina intsony izy io. Anisan’ny Lalàn’i Mosesy izy io, nefa efa nofoanana io Lalàna io rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy.—Romanina 10:4.

 Na izany aza, dia manampy antsika hahatakatra ny fomba fisainan’Andriamanitra izy io. Hitantsika avy amin’io didy io, ohatra, hoe tia rariny Andriamanitra. (Salamo 89:14) Mampiseho koa izy io hoe manana fitsipika momba ny atao hoe rariny Andriamanitra, dia ny hoe tokony hosazina “araka ny antonony” ny mpanao ratsy.​—Jeremia 30:11.

 Hevi-diso momba an’ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso”

 Hevi-diso: Hentitra loatra ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso.”

 Ny marina: Tsy namela ny mpitsara hanome sazy tafahoatra izy io mba hampiharana ny rariny. Inona kosa no ho nataony raha nampihatra tsara an’io didy io izy? Tsy nanasazy olona iray nanao ratsy izy raha tsy efa nandinika ny zava-misy rehetra aloha sady nijery hoe tena fanahy iniana natao ve ilay izy sa tsia. (Eksodosy 21:28-30; Nomery 35:22-25) Nisakana ny mpitsara mba tsy hanome sazy tafahoatra àry ilay didy hoe “maso ho solon’ny maso.”

 Hevi-diso: Mamela ny olona hamaly faty tsy misy farany ilay hoe “maso ho solon’ny maso.”

 Ny marina: Hoy ny Lalàn’i Mosesy: “Aza mamaly faty na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao.” (Levitikosy 19:18) Tsy natao hampirisihina ny olona hamaly faty io lalàna io. Natao kosa izy io mba hampirisihina azy ireo hatoky an’Andriamanitra sy ny fitsarana nomeny alalana hanitsy ny tsy mety rehetra.​—Deoteronomia 32:35.

a Antsoina amin’ny teny latinina hoe lex talionis io didy io indraindray, ary hita tao amin’ny lalàn’ny firenena sasany fahiny.