Hijery ny anatiny

Ho Potika ve ny Tany?

Ho Potika ve ny Tany?

Valiny ara-baiboly

 Tsy ho potika mihitsy ny tany, na ho levon’ny afo, na hosoloana tany hafa. Ampianarin’ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra honenana mandrakizay ny tany.

  •   “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​—Salamo 37:29.

  •   “[Naorin’Andriamanitra] ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.”​—Salamo 104:5.

  •   “Ny tany ... maharitra mandrakizay.”—Mpitoriteny 1:4.

  •   Izy “ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.”​—Isaia 45:18.

Ho simba ve ny tany noho ny ataon’ny olombelona?

 Tsy havelan’Andriamanitra hanimba tanteraka ny tany ny zavatra ataon’ny olombelona, ohatra hoe ny fandotoana ny tontolo iainana, ny ady, na ny zavatra hafa. Horinganiny kosa “izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18) Ahoana no hanaovany an’izany?

 Hosoloan’Andriamanitra Fanjakana iray any an-danitra ny fitondram-panjakan’olombelona satria tsy mahavita miaro ny tany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) I Jesosy Kristy, zanak’Andriamanitra, no hitondra an’io Fanjakana io. (Isaia 9:6, 7) Nahavita nifehy ny herin’ny natiora i Jesosy tamin’izy teto an-tany. (Marka 4:35-41) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ka izy no hifehy tanteraka ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy. Hohavaoziny indray ny eto an-tany, ka ho lasa hoatran’ny tany amin’ny zaridainan’i Edena.​—Matio 19:28; Lioka 23:43.

Ampianarin’ny Baiboly ve hoe ho levon’ny afo ny tany?

 Tsia. Matetika ny olona no mieritreritra an’izany hevi-diso izany, satria tsy azon’izy ireo ny tena dikan’ilay voalaza ao amin’ny 2 Petera 3:7 hoe: “Tehirizina ho amin’ny afo ... ny lanitra sy ny tany ankehitriny.” Hanampy antsika hahatakatra ny hevitr’io andinin-teny io ireto hevi-dehibe roa ireto:

  1.   Tsy hoe zavatra iray foana akory ny dikan’ny teny hoe “lanitra”, “tany”, ary “afo” ao amin’ny Baiboly. Milaza, ohatra, ny Genesisy 11:1 hoe: “Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo.” Ilay hoe “tany” eto dia midika hoe ny olombelona rehetra.

  2.   Hita amin’ny teny manodidina ny 2 Petera 3:7 ny dikan’ilay hoe lanitra sy tany ary afo voaresaka ao amin’io andininy io. Milaza ny andininy faha-5 sy faha-6 fa ravan’ny Safodrano ny tontolo tamin’ny andron’i Noa. Mbola misy anefa ny tany hatramin’izao. Ny olona nahery setra àry no ringana tamin’ilay Safodrano. Ireo olona ireo no antsoina hoe “tany.” (Genesisy 6:​11) Ringana tamin’ilay izy koa ny “lanitra”, izany hoe ny mpitondra tamin’izany. Ny olona ratsy fanahy àry no ringana fa ny tany kosa tsy potika. Tsy maty tamin’ilay Safodrano i Noa sy ny fianakaviany, ary izy ireo no nipetraka teto an-tany taorian’izay.—Genesisy 8:​15-​18.

 Mitovy amin’ilay Safodrano koa ilay “afo” na fandringanana resahin’ny 2 Petera 3:7. Ny olona ratsy fanahy no ho ringana amin’io, fa ny tany kosa tsy ho potika. Mampanantena Andriamanitra fa hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Ny Fanjakan’Andriamanitra ilay “lanitra vaovao.” Io fitondrana vaovao io no hanjaka eo amin’ny “tany vaovao”, na fiaraha-monina vaovao. Ho lasa paradisa ny tany ary hihavana tsara ny olona rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Apokalypsy 21:​1-4.