Hijery ny anatiny

Hevitr’Andriamanitra ve no ao Amin’ny Baiboly?

Hevitr’Andriamanitra ve no ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Maro ny mpanoratra Baiboly milaza fa Andriamanitra no niteny tamin’izy ireo izay tokony hosoratany. Diniho ireto:

  •  Davida Mpanjaka: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.”—2 Samoela 23:1, 2.

  •  Isaia mpaminany: “Hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.”—Isaia 22:15.

  •  Ny apostoly Jaona: “Zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy.”—Apokalypsy 1:1.