Hijery ny anatiny

Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?

Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?

Valiny ara-baiboly

 Tena nisy ny Safodrano. Nataon’Andriamanitra ilay izy mba handripahana ny ratsy fanahy. Nasainy nanamboatra sambofiara anefa i Noa mba hiarovana ny olona tsara fanahy sy ny biby. (Genesisy 6:11-20) Tena nitranga ny Safodrano matoa tantarain’ny Baiboly. “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” mantsy ny Baiboly.—2 Timoty 3:16.

 Tena nisy sa angano?

 Resahin’ny Baiboly hoe tena nisy i Noa sy ny Safodrano, fa tsy angano fotsiny.

  •   Nino ny olona nanoratra ny Baiboly hoe tena nisy i Noa. Anisan’izany i Ezra sy Lioka. Samy mpahay tantara izy ireo, ary nanao fikarohana tsara mba ho marina izay tantarainy. Notantarain-dry zareo hoe anisan’ny razamben’ny Israelita i Noa. (1 Tantara 1:4; Lioka 3:36) Tamin’ny nanoratra ny Filazantsarany koa i Matio sy Lioka, dia nosoratany tao ny zavatra noresahin’i Jesosy momba an’i Noa sy ny Safodrano.—Matio 24:37-39; Lioka 17:26, 27.

     Noresahin’i Ezekiela mpaminany sy ny apostoly Paoly koa hoe tena nanam-pinoana sy nanao ny marina i Noa, ka modely ho antsika. (Ezekiela 14:14, 20; Hebreo 11:7) Raha tsy tena nisy akory i Noa, dia ho nampirisika antsika hanahaka azy ve i Ezekiela sy Paoly? Mazava ho azy fa tsy maintsy hoe tena nisy i Noa mbamin’ny lehilahy sy vehivavy hafa nanam-pinoana matoa isika asaina manahaka azy ireny.—Hebreo 12:1; Jakoba 5:17.

  •   Misy tsipiriany maromaro momba ny Safodrano ao amin’ny Baiboly. Rehefa mitantara momba ny Safodrano ny Baiboly, dia tsy miteny hoe: “Indray andro, hono...” Amin’ny angano no misy an’izany. Resahin’ny Baiboly kosa ny taona sy ny volana ary ny andro nitrangan’ny Safodrano sy ny zava-niseho hafa taorian’izay. (Genesisy 7:11; 8:4, 13, 14) Hita ao koa ny refin’ilay sambofiara namboarin’i Noa. (Genesisy 6:15) Manaporofo daholo izany hoe tena nisy ny Safodrano fa tsy angano fotsiny.

 Nahoana no nisy ny Safodrano?

 Milaza ny Baiboly fa “be ny faharatsian’ny olona teto an-tany” talohan’ny Safodrano. (Genesisy 6:5) Tantaraina ao koa hoe hitan’Andriamanitra fa “simba ... ny tany” satria nahery setra sy ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’ny olona.—Genesisy 6:11; Joda 6, 7.

 Nahoana no lasa nisy an’izany teto an-tany? Resahin’ny Baiboly hoe nisy anjely ratsy fanahy nidina tetỳ, mba hanao firaisana amin’ny vehivavy. Niteraka Nefilima, na olona goavam-be, ry zareo. Nampijalin’ny Nefilima sy nataony nahita faisana ny olona. (Genesisy 6:1, 2, 4) Nanapa-kevitra àry Andriamanitra hoe hataony tsy misy olon-dratsy intsony eto an-tany. Ny olona tsara fanahy sisa no ho tavela, amin’izay.—Genesisy 6:6, 7, 17.

 Fantatry ny olona tamin’izany ve hoe hisy Safodrano?

 Ie. Noresahin’Andriamanitra tamin’i Noa hoe inona avy no hitranga, dia nasainy nanamboatra sambofiara izy avy eo mba hiarovana ny fianakaviany sy ny biby. (Genesisy 6:13, 14; 7:1-4) Nampitandrina ny olona i Noa hoe handripaka ny ratsy fanahy Andriamanitra. Tsy nihaino azy anefa ry zareo. (2 Petera 2:5) Hoy ny Baiboly: “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:37-39.

 Hoatran’ny ahoana ilay sambofiara namboarin’i Noa?

 Hoatran’ny paozina vata ngezabe ilay sambofiara. Nirefy 133 metatra teo ho eo ny lavany, 22 metatra ny sakany, ary 13 metatra ny haavony. a Vita tamin’ny hazo misy ditiny ilay izy, ary nohosorana godorao ny atiny sy ivelany. Nasiana efitrefitra sy rihana roa tao anatiny. Nasiana varavarana iray koa teo amin’ny lafiny ilany ary varavarankely maromaro teny amin’ny rihana ambony indrindra. Azo antoka koa fa nisolampy ny tafon’ilay sambofiara, izany hoe natao niakatra kely ny teo afovoany mba tsy hiangonan’ny rano.—Genesisy 6:14-16.

 Firy taona no nanamboaran’i Noa an’ilay izy?

 Tsy milaza mazava ny Baiboly hoe firy taona no nanamboarana an’ilay sambofiara, fa azo inoana hoe naharitra am-polony taona. Efa 500 taona mahery i Noa tamin’izy niteraka ny zanany lahimatoa, ary 600 taona izy rehefa tonga ny Safodrano. bGenesisy 5:32; 7:6.

 Efa nanambady ny zanak’i Noa telo lahy tamin’izy nasain’Andriamanitra nanamboatra ny sambofiara. Mety ho efa 50 na 60 taona tany ho any ry zareo tamin’izany. (Genesisy 6:14, 18) Mety ho 40 na 50 taona teo ho eo àry no nahavitana an’ilay sambofiara.

a Hakiho ny refy nampiasaina tamin’ilay sambofiara. “Refy fampiasan’ny Hebreo ny hakiho, ary 44,45 santimetatra ny iray hakiho”, araka ny The Illustrated Bible Dictionary, Revised Edition, Part 3, pejy 1635.

b Raha tianao ho fantatra hoe tena ela velona tokoa ve ny olona tamin’izany, dia vakio ilay hoe “Ela Velona Tokoa ve ny Olona Resahin’ny Baiboly?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2010.