Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mamaly Faty?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mamaly Faty?

Valiny ara-baiboly

 Na dia mieritreritra aza ny olona anankiray hoe manan-jo hamaly faty, dia mifanohitra tanteraka amin’ity voalazan’ny Baiboly ity izany: “Aza manao hoe: ‘Izay nataony tamiko no hataoko aminy. Hovaliako araka ny nataony avy ny tsirairay.’” (Ohabolana 24:29) Misy torohevitra afaka manampy olona be dia be mba tsy hamaly faty ao amin’ny Baiboly.

Ho hitantsika ato hoe:

 Nahoana no ratsy ny mamaly faty?

 Rehefa nisy olona nanao zavatra nahasosotra na nampalahelo anao, dia rariny ianao raha tezitra sady tianao raha mba voasazy ilay olona. Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly anefa ny mamaly faty. Nahoana?

 Tsy mampifaly an’Andriamanitra ny olona raha vao mieritreritra ny hamaly faty. Milaza i Jehovah a Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly.” (Romanina 12:19) Mampirisika antsika ny Baiboly hoe raha nisy olona nanao ny tsy rariny tamintsika, dia tokony hiezaka ny handamina an’ilay olana isika sady hihavana amin’ilay olona, raha mbola azo atao, fa tsy hamaly faty. (Romanina 12:18) Ahoana anefa raha efa niezaka nandamina an’ilay olana sy nanao an’izay rehetra azonao natao ianao mba hihavanana amin’ilay olona, nefa tsy nety ilay izy? Milaza ny Soratra Masina fa mila matoky isika hoe hanafoana ny tsy rariny rehetra i Jehovah.—Salamo 42:10, 11.

 Ahoana no ataon’Andriamanitra mba hanasaziana an’izay nanao ratsy?

 Ny fitondram-panjakan’olombelona aloha amin’izao no asain’Andriamanitra manasazy an’izay olona nanao ratsy. (Romanina 13:1-4) Hofoanan’Andriamanitra daholo anefa ny tsy rariny rehetra amin’ny hoavy, ary hesoriny tsy hisy mandrakizay koa ny fijaliana.—Isaia 11:4.

 Inona no hanampy ahy tsy hieritreritra ny hamaly faty?

  •   Aza tonga dia manao zavatra raha mbola tezitra fa mieritrereta tsara aloha. (Ohabolana 17:27) Matetika no manao zavatra hanenenany ny olona rehefa tezitra. Raha maka fotoana hieritreretana anefa aloha izy, dia azo antoka kokoa hoe handray fanapahan-kevitra tsara.—Ohabolana 29:11.

  •   Fantaro ny tena zava-misy. (Ohabolana 18:13) Raha nisy olona nanao zavatra nahatezitra anao dia tokony hieritreritra aloha ianao hoe: ‘Sao dia misy antony tsy fantatro nahatonga an’ilay olona hanao an’ilay fihetsika? Sao dia misy zavatra mampiady saina azy? Sao dia tsy fanahy iniany ilay izy?’ Indraindray mantsy isika mety hieritreritra hoe tena nanao fanahy iniana nampahatezitra antsika ilay olona, nefa tsy izany akory no izy.

 Hevi-diso momba ny hoe mamaly faty

 Hevi-diso: Mamela antsika hamaly faty ny Baiboly rehefa miteny hoe “maso ho solon’ny maso.”—Levitikosy 24:20.

 Inona no tena marina? Tsy nampirisika ny olona hamaly faty ilay lalàna teo amin’ny Israely hoe “maso ho solon’ny maso.” Matetika io lalàna io no nanampy ny mpitsara mba hahita hoe inona ny sazy mifantena amin’ny fahadisoana nataon’ilay olona. bDeoteronomia 19:15-21.

 Hevi-diso: Tsy afaka miaro tena isika rehefa misy manisy ratsy antsika, satria mandrara antsika tsy hamaly faty ny Baiboly.

 Inona no tena marina? Rehefa misy manisy ratsy antsika dia afaka miaro tena na mitady fanampiana any amin’ny manam-pahefana isika. Milaza anefa ny Baiboly fa rehefa misy ady na fifandirana dia tsy tokony handray anjara amin’izany isika, raha mbola azo atao.—Ohabolana 17:14.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

b Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io lalàna io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Dikan’ilay hoe ‘Maso ho Solon’ny Maso’?