Hijery ny anatiny

Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?

Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?

Valiny ara-baiboly

 Eny. Be dia be ny faminaniana momba ny “Mesia Mpitarika”, ilay “Mpamonjy an’izao tontolo izao.” (Daniela 9:25; 1 Jaona 4:14) Tanteraka tamin’i Jesosy izy ireny, tamin’izy teto an-tany. Mbola nisy faminaniana maro momba ny Mesia tanteraka tamin’i Jesosy, na dia taorian’ny nahafatesany aza.—Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:34-36.

 Inona no dikan’ny hoe “Mesia”?

 Samy midika hoe “Voahosotra” ilay teny hebreo hoe Mashiah (Mesia) sy ilay teny grika mifanitsy aminy hoe Kristôs (Kristy). Midika hoe “Jesosy ilay Voahosotra” na “Jesosy ilay Mesia” àry ilay hoe “Jesosy Kristy.”

 Matetika no nandrarahana menaka ny lohan’ny olona iray taloha rehefa notendrena ho amin’ny toerana ambony izy. (Levitikosy 8:12; 1 Samoela 16:13) Notendren’Andriamanitra ho Mesia i Jesosy. Tena toerana ambony izany. (Asan’ny Apostoly 2:36) Ny fanahy masina no nampiasain’Andriamanitra rehefa nanosotra an’i Jesosy, fa tsy menaka.—Matio 3:16.

 Tanteraka tamin’olon-kafa koa ve ny faminaniana momba ny Mesia?

 Tsia. Toy ny peta-tondro iray mampiavaka ny olona iray ny faminaniana momba ny Mesia. Tanteraka tamin’ny Mesia na Kristy iray ihany izy io. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe “hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.”—Matio 24:24.

 Mbola amin’ny hoavy ve vao hiseho ny Mesia?

 Tsia. Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa ho taranak’i Davida, mpanjakan’ny Israely, ny Mesia. (Salamo 89:3, 4) Tsy hita intsony anefa ny taratasy firaketan’ny Jiosy ny tetiarana nanomboka teo amin’i Davida rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema, tamin’ny taona 70. a Toa potika tamin’izay izy ireny. Tsy nisy afaka nanaporofo àry nanomboka tamin’izay hoe taranak’i Davida Mpanjaka izy sa tsia. Mbola teo anefa ireny firaketana ireny tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Tsy nisy nahavita nanohitra azy àry, na dia ny fahavalony aza, rehefa niteny izy hoe taranak’i Davida.—Matio 22:41-46.

 Firy ny isan’ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Baiboly?

 Tsy misy afaka milaza hoe firy marina ny isan’ny faminaniana momba ny Mesia. Tsy mitovy, ohatra, ny fomba fanisan’ny olona ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, na dia amin’ny andinin-teny miresaka mazava momba ny Mesia aza. Miresaka faminaniana maromaro momba ny Mesia ny Isaia 53:2-7. Mety hisy hieritreritra hoe faminaniana iray ihany ireo, fa ny hafa mety hieritreritra hoe faminaniana samy hafa ilay izy.

 Faminaniana sasany tanteraka tamin’i Jesosy

Faminaniana

Ao amin’ny

Fahatanterahany

Taranak’i Abrahama

Genesisy 22:17, 18

Matio 1:1

Taranak’i Isaka zanak’i Abrahama

Genesisy 17:19

Matio 1:2

Avy amin’ny fokon’i Joda

Genesisy 49:10

Matio 1:1, 3

Taranak’i Davida Mpanjaka

Isaia 9:7

Matio 1:1

Zanaky ny virjiny

Isaia 7:14

Matio 1:18, 22, 23

Teraka tao Betlehema

Mika 5:2

Matio 2:1, 5, 6

Nantsoina hoe Imanoela b

Isaia 7:14

Matio 1:21-23

Olon-tsotra

Isaia 53:2

Lioka 2:7

Nisy ankizikely novonoina taorian’ny nahaterahany

Jeremia 31:15

Matio 2:16-18

Nantsoina niala tany Ejipta

Hosea 11:1

Matio 2:13-15

Nantsoina hoe Nazareanina c

Isaia 11:1

Matio 2:23

Nisy iraka nialoha lalana azy

Malakia 3:1

Matio 11:7-10

Voahosotra ho Mesia tamin’ny taona 29 d

Daniela 9:25

Matio 3:13-17

Neken’Andriamanitra hoe Zanany

Salamo 2:7

Asan’ny Apostoly 13:33, 34

Nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra

Salamo 69:9

Jaona 2:13-17

Mpitory ny vaovao tsara

Isaia 61:1

Lioka 4:16-21

Toy ny hazavana lehibe ny fanompoany tany Galilia

Isaia 9:1, 2

Matio 4:13-16

Nanao fahagagana hoatran’i Mosesy

Deoteronomia 18:15

Asan’ny Apostoly 2:22

Nilaza ny hevitr’Andriamanitra hoatran’i Mosesy

Deoteronomia 18:18, 19

Jaona 12:49

Nanasitrana olona be dia be

Isaia 53:4

Matio 8:16, 17

Tsy tia nisehoseho

Isaia 42:2

Matio 12:17, 19

Nangoraka an’ireo nijaly

Isaia 42:3

Matio 12:9-20; Marka 6:34

Nampiharihary hoe manao ny rariny Andriamanitra

Isaia 42:1, 4

Matio 12:17-20

Mpanolo-tsaina Mahagaga

Isaia 9:6, 7

Jaona 6:68

Nanambara ny anaran’i Jehovah

Salamo 22:22

Jaona 17:6

Nampiasa fanoharana

Salamo 78:2

Matio 13:34, 35

Mpitarika

Daniela 9:25

Matio 23:10

Be dia be no tsy nino azy

Isaia 53:1

Jaona 12:37, 38

Vato mahatafintohina

Isaia 8:14, 15

Matio 21:42-44

Nolavin’ny olona

Salamo 118:22, 23

Asan’ny Apostoly 4:10, 11

Nankahalaina tsy amin’antony

Salamo 69:4

Jaona 15:24, 25

Niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema

Zakaria 9:9

Matio 21:4-9

Noderain’ny ankizy

Salamo 8:2

Matio 21:15, 16

Tonga tamin’ny anaran’i Jehovah

Salamo 118:26

Jaona 12:12, 13

Namadika azy ny namany akaiky

Salamo 41:9

Jaona 13:18

Farantsa volafotsy telopolo no namadihana azy e

Zakaria 11:12, 13

Matio 26:14-16; 27:3-10

Nandao azy ny namany

Zakaria 13:7

Matio 26:31, 56

Nampangain’ny vavolombelona mandainga

Salamo 35:11

Matio 26:59-61

Tsy niteny rehefa nisy niampanga

Isaia 53:7

Matio 27:12-14

Nororan’ny olona

Isaia 50:6

Matio 26:67; 27:27, 30

Nokapohina ny lohany

Mika 5:1

Marka 15:19

Nokaravasina

Isaia 50:6

Jaona 19:1

Tsy namaly an’izay namely azy

Isaia 50:6

Jaona 18:22, 23

Nanao tetika hamonoana azy ny manam-pahefana

Salamo 2:2

Lioka 23:10-12

Nofantsihana tamin’ny hazo ny tanany sy ny tongony

Salamo 22:16

Matio 27:35; Jaona 20:25

Nataon’ny olona antsapaka ny akanjony

Salamo 22:18

Jaona 19:23, 24

Natao ho anisan’ny mpanota

Isaia 53:12

Matio 27:38

Notevatevaina sy nalam-baraka

Salamo 22:7, 8

Matio 27:39-43

Nijaly ho an’ny mpanota

Isaia 53:5, 6

1 Petera 2:23-25

Toy ny hoe nafoin’Andriamanitra

Salamo 22:1

Marka 15:34

Nomena vinaingitra sy zava-mangidy

Salamo 69:21

Matio 27:34

Nangetaheta taloha kelin’ny nahafatesany

Salamo 22:15

Jaona 19:28, 29

Napetrany tamin’Andriamanitra ny ainy

Salamo 31:5

Lioka 23:46

Nanome ny ainy

Isaia 53:12

Marka 15:37

Nanome ny vidim-panavotana mba hanesorana ny ota

Isaia 53:12

Matio 20:28

Tsy notapahina ny taolany

Salamo 34:20

Jaona 19:31-33, 36

Nolefonina

Zakaria 12:10

Jaona 19:33-35, 37

Nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena

Isaia 53:9

Matio 27:57-60

Natsangana tamin’ny maty

Salamo 16:10

Asan’ny Apostoly 2:29-31

Nosoloana ilay namadika azy

Salamo 109:8

Asan’ny Apostoly 1:15-20

Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra

Salamo 110:1

Asan’ny Apostoly 2:34-36

a Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong: “Azo inoana fa tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema no potika ireo taratasy nisy ny tantaram-pirazanan’ny Jiosy, fa tsy talohan’izay.”

b Mahalaza tsara an’ilay anjara asan’i Jesosy hoe Mesia ilay anarana amin’ny teny hebreo hoe Imanoela. Ny hoe Imanoela mantsy dia midika hoe “Momba Antsika Andriamanitra.” Voaporofo tamin’i Jesosy tetỳ an-tany sy tamin’ny asa nataony fa momba ny mpanompony na manampy azy ireo Andriamanitra.—Lioka 2:27-32; 7:12-16.

c Toa avy amin’ilay teny hebreo hoe netser, midika hoe “tsimoka”, ny hoe “Nazareanina.”

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela”, raha tianao ho fantatra amin’ny an-tsipiriany hoe nahoana ny Baiboly no milaza fa tamin’ny taona 29 ny Mesia no tonga.

e Ao amin’ny bokin’i Zakaria io faminaniana io. Nilaza anefa i Matio, mpanoratra Baiboly, hoe “nampilazaina an’i Jeremia mpaminany” ilay izy. (Matio 27:9) Misy fitambaram-boky atao hoe “ny Mpaminany” ao amin’ny Baiboly. (Lioka 24:44) Toa ny bokin’i Jeremia no voalohany ao amin’io fizarana io indraindray. Mety ho io fizarana io àry no nolazain’i Matio hoe “Jeremia”, ary tao anatiny ny bokin’i Zakaria.