Hijery ny anatiny

Tsy Tokony ho Tia ny Tenanao Mihitsy ve Ianao?

Tsy Tokony ho Tia ny Tenanao Mihitsy ve Ianao?

Valiny ara-baiboly

 Milaza ny Baiboly fa mety sady ilaina mihitsy aza ny hoe tia ny tenanao ianao, raha araka ny antonony ilay izy. Tokony hikarakara ny vatanao, ohatra, ianao, ary tokony hanaja ny tenanao. Ianao mihitsy koa no tokony hahatsapa hoe misy vidiny ianao. (Matio 10:31) Milaza anefa ny Baiboly fa tsy mety ny hoe tia tena be loatra. Tokony ho araka ny antonony ilay izy.

Iza no tokony hotiavintsika voalohany?

  1.   Andriamanitra no tokony hotiavintsika voalohany. Milaza ny Baiboly fa izao no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo.”—Marka 12:28-30; Deoteronomia 6:5.

  2.   Izao no didy lehibe manaraka an’izany: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Marka 12:31; Levitikosy 19:18.

  3.   Marina fa tsy milaza mivantana ny Baiboly hoe tokony ho tia ny tenanao ianao. Hita amin’ilay didy hoe “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao” anefa fa tokony ho tia sy hanaja ny tenanao ihany ianao, saingy mila atao araka ny antonony izany. Ara-dalàna àry izany sady mahasoa.

Iza no tian’i Jesosy voalohany?

 Tia an’Andriamanitra i Jesosy sady tia olona, ary tiany koa ny tenany. Hainy tsara anefa ny nandanjalanja an’ireo, ary nampianariny hanao hoatr’azy koa ny mpianany.—Jaona 13:34, 35.

  1.   I Jehovah Andriamanitra no tiany voalohany indrindra, ary nataony vaindohan-draharaha ny hanao ny asa nampanaovin’i Jehovah azy. Hoy izy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.”—Jaona 14:31.

  2.   Tia ny olon-kafa koa i Jesosy. Nanome izay nilain’ny olona izy, ary nafoiny ho an-dry zareo mihitsy aza ny ainy.—Matio 20:28.

  3.   Tia ny tenany koa i Jesosy, saingy nataony araka ny antonony izany. Naka fotoana izy, ohatra, hakana aina, hisakafoanana, ary hiaraha-mikorana tamin’ny mpanara-dia azy sy ny olona nampianariny.—Marka 6:31, 32; Lioka 5:29; Jaona 2:1, 2; 12:2.

Lasa tsy dia hisy vidiny ve ianao na tsy dia ho sambatra intsony, raha hoe olon-kafa no tianao mihoatra noho ny tenanao?

 Tsy izany mihitsy, satria noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika. Izy mantsy tia olona nefa tsy mitady valiny, ary izany no toetra tena mampiavaka azy. (Genesisy 1:27; 1 Jaona 4:8) Afaka ny hitovy toetra aminy àry isika ka ho tia olon-kafa koa. Tokony ho tia ny tenantsika araka ny antonony isika. Vao mainka ho sambatra anefa isika raha hoe Andriamanitra no tiantsika kokoa, sady manao zavatra tsara ho an’ny olon-kafa. Milaza mantsy ny Baiboly fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

 Be dia be ny olona milaza hoe izay tia ny tenany ihany, hono, no tena sambatra. Ovan-dry zareo hoe “tiavo ny tenanao” ilay hoe “tiavo ny namanao.” Hita amin’ny zava-misy amin’izao anefa fa salama kokoa sy tena sambatra izay manaraka an’ity torohevitry ny Baiboly ity: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.