Hijery ny anatiny

Inona no Hanampy Ahy Handray Fanapahan-kevitra Tsara?

Inona no Hanampy Ahy Handray Fanapahan-kevitra Tsara?

Valiny ara-baiboly

 Misy tari-dalana tsara be momba ny fandraisana fanapahan-kevitra, ao amin’ny Baiboly. Afaka manampy antsika izy io mba “hanana fahendrena sy ho lasa mahira-tsaina.” (Ohabolana 4:5) Lazainy amintsika indraindray hoe inona no fanapahan-kevitra tsara indrindra. Misy fotoana indray, torohevitra no omeny dia iny avy eo no manampy antsika hahay hanapa-kevitra.

Ho hitantsika ato ireto:

 Soso-kevitra hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara

  •   Aza maika hanapa-kevitra. Hoy ny Baiboly: “Ny olona malina ... mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.” (Ohabolana 14:15) Raha maika hanapa-kevitra ianao, dia mety hisy zava-dehibe tsy ho voadinikao. Makà àry fotoana handinihana ny safidy rehetra anananao.​—1 Tesalonianina 5:21.

  •   Aza manaiky hobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny rehefa manapa-kevitra. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe tsy azo atokisana ny fo indraindray. (Ohabolana 28:26; Jeremia 17:9) Mety tsy handray fanapahan-kevitra tsara, ohatra, isika rehefa tezitra, malahelo, kivy, tsy mahandry, na vizana loatra.​—Ohabolana 24:10; 29:22.

  •   Mivavaha mba hahazo fahendrena. (Jakoba 1:5) Tian’Andriamanitra ny mamaly ny vavaka hoatr’izany. Ray be fitiavana izy ka tsy tiany hidi-kizo tsy amin’antony ny zanany. “I Jehovah mihitsy no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-mandinika.” a (Ohabolana 2:6) Amin’ny alalan’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly, no tena anomezany an’izany fahendrena izany.​—2 Timoty 3:16, 17.

  •   Manaova fikarohana. Mila fanazavana azo itokisana ianao raha te hahay hanapa-kevitra. Milaza ny Baiboly hoe: “Mihaino ny hendry ka mitombo ny zavatra fantany.” (Ohabolana 1:5) Aiza no mety hahitanao fanazavana tena ilaina sy azo itokisana?

     Voalohany, jereo hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’ilay izy. Mahafantatra an’izay tena mahasoa antsika ilay Mpamorona antsika, ka ao amin’ny Teniny no misy ny torohevitra azo itokisana indrindra. (Salamo 25:12) Lazain’ny Baiboly mazava tsara indraindray izay tokony hataontsika, amin’ny fanapahan-kevitra sasany. Mety hoe tonga dia efa misy lalàna na didy momba an’ilay izy. (Isaia 48:17, 18) Tsy milaza zavatra voafaritra be hoatr’izany foana anefa ny Baiboly. Toro lalana kosa no omeny mba hitari-dalana antsika. Fanapahan-kevitra tsara, amin’izay, no horaisintsika nefa koa mba mifanaraka amin’izay tiantsika ihany. Raha te hahita andinin-teny mety hanampy anao ianao, dia manaova fikarohana ao amin’ny boky sy lahatsoratra ara-baiboly, hoatran’ireo azo jerena maimaim-poana ato amin’ity tranonkala ity. b

     Mila mijery loharanon-kevitra hafa azo itokisana ianao amin’ny fanapahan-kevitra sasany, ohatra hoe alohan’ny hividianana zavatra iray, indrindra raha lafo be ilay izy. Hendry ianao, amin’izay, raha manao fikarohana momba an’ilay zavatra tianao hovidina sy ny mpanamboatra azy aloha. Anisan’izany ny hoe ahoana raha simba ilay izy na tianao haverina. Mazava ho azy fa tokony hataonao azo antoka koa hoe mifanaraka amin’izay ilainao mihitsy ilay izy.

     Hoy ny Baiboly: “Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin’olona.” (Ohabolana 15:22) Miresaha àry amin’ny olona azo itokisana alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra iray. Raha fanapahan-kevitra momba ny fitsaboana, ohatra, ilay izy dia tsara raha miresaka amin’ny dokotera aloha ianao. (Matio 9:12) Mety ho azonao atao koa indraindray ny miresaka amin’ny olona efa nanana olana mitovitovy amin’ny anao. Tadidio anefa hoe ianao ihany no tsy maintsy manapa-kevitra sy mizaka ny vokatr’ilay izy, fa tsy ilay olona iresahanao akory.​—Galatianina 6:4, 5.

  •   Alaivo ambony, alaivo ambany. Ataovy lisitra ny safidy rehetra anananao, miainga amin’izay fanazavana voangonao. Soraty koa hoe inona avy ny tombony sy ny fatiantoka amin’ny safidy tsirairay. Diniho amin’ny saina tsy miangatra avy eo izay mety ho vokatry ny fanapahan-kevitrao. (Deoteronomia 32:29) Inona, ohatra, no mety ho vokatr’ilay izy eo aminao, ny fianakavianao, na ny olon-kafa? (Ohabolana 22:3; Romanina 14:19) Handray fanapahan-kevitra tsara sy feno fitiavana ianao, raha mametraka fanontaniana hoatr’izany sady mandinika ny toro lalan’ny Baiboly.

  •   Raiso ilay fanapahan-kevitra. Misalasala isika indraindray dia lasa tsy sahy mandray fanapahan-kevitra. Raha tsy manapa-kevitra anefa isika dia mety ho voa mafy na ho tratran’ny olana. Raha atao amin’ny teny hafa dia mitovy amin’ny mandray fanapahan-kevitra ratsy ihany ilay hoe tsy manapa-kevitra. Nampitahain’ny Baiboly amin’ny resaka fambolena izany. Resahin’ny Mpitoriteny 11:4 hoe: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona tsy hijinja.”

 Tadidio koa fa na ny fanapahan-kevitra tsara indrindra aza tsy hoe tonga lafatra. Tsy maintsy misy zavatra afointsika matetika rehefa manao safidy isika. Mety hisy zavatra tsy ampoizina hitranga koa. (Mpitoriteny 9:11) Ampiasao àry izay fanazavana tsara indrindra eo am-pelatananao, dia fidio izay fanapahan-kevitra mety hahomby indrindra.

 Tokony hovako ve ny fanapahan-kevitra efa noraisiko?

 Mbola azo ovana indraindray ny fanapahan-kevitra sasany. Niova angamba ny zavatra iainanao, na hitanao hoe nisy vokany tsy nampoizina ilay fanapahan-kevitrao. Mety ho tsara àry raha averinao dinihina indray ny zava-misy, dia izay fanapahan-kevitra hanampy anao hanatratra ny tanjonao atao.

 Misy fanapahan-kevitra tsy tokony hovana intsony anefa. (Salamo 15:4) Tian’Andriamanitra, ohatra, raha mitana ny voadim-panambadiany foana ny mpivady. c (Malakia 2:16; Matio 19:6) Rehefa misy olana àry ao an-tokantrano, dia tokony hezahina alamina izy ireny fa tsy ialana.

 Ahoana raha nandray fanapahan-kevitra ratsy aho nefa tsy azoko ovana intsony ilay izy?

 Samy mety handray fanapahan-kevitra ratsy na tsy mety daholo isika. (Jakoba 3:2) Mety hanenina na hanamelo-tena mihitsy aza isika, ary ara-dalàna izany. (Salamo 69:5) Misy maha tsara azy ihany ny fihetseham-po hoatr’izany raha ohatra ka misakana antsika tsy hamerina an’ilay fahadisoana intsony. (Ohabolana 14:9) Na izany aza anefa dia manoro hevitra antsika ny Baiboly mba tsy hanamelo-tena tafahoatra, satria mety ho lasa kivy be isika dia tsy hisaina tsara intsony. (2 Korintianina 2:7) d Milaza ny Baiboly fa “mamindra fo sy mangoraka i Jehovah.” (Salamo 103:8-13) Nisy fanapahan-kevitra ratsy nataonao àry ve nefa tsy azonao ovana? Miezaha handray lesona avy amin’ilay izy, dia ataovy izay azonao atao mba hanatsarana ny zava-misy.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.​—Salamo 83:18.

b Afaka manao fikarohana ao amin’ny jw.org koa ianao, dia mampiditra teny iray na maromaro mifandray amin’ilay fanapahan-kevitrao. Misy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly momba ny foto-kevitra be dia be ao amin’io tranonkala io. Ankoatra izay, dia azonao ampiasaina ilay hoe “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly”, ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tonga dia afaka mikaroka teny voafaritra tsara ianao ao.

c Tian’Andriamanitra raha tsy misaraka mihitsy ny mpivady raha samy mbola velon’aina. Rehefa mijangajanga ihany ny iray vao azo atao ny hoe misaraka sy manambady indray. (Matio 19:9) Raha manana olana ao an-tokantrano ianao, dia afaka manampy anao handamina azy ireny amim-pitiavana sy amim-pahendrena ny Baiboly.

d Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?