Hijery ny anatiny

Iza moa i Babylona Lehibe?

Iza moa i Babylona Lehibe?

Valiny ara-baiboly

 Ny fivavahan-diso rehetra ilay hoe Babylona Lehibe resahin’ny bokin’ny Apokalypsy, ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo. a (Apokalypsy 14:8; 17:5; 18:21) Marina fa samy manana ny mampiavaka azy daholo ireny fivavahana ireny. Samy tsy mitaona ny olona hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, anefa izy rehetra.—Deoteronomia 4:35.

Ahoana no hamantarana an’i Babylona Lehibe?

  1.   Sary an’ohatra ilay hoe Babylona Lehibe. Antsoin’ny Baiboly hoe “vehivavy” sy “mpivaro-tena lehibe” izy io. Voalaza ao fa “zava-miafina” ilay anarany hoe “Babylona Lehibe.” (Apokalypsy 17:1, 3, 5) “Famantarana” no tena resahin’ny bokin’ny Apokalypsy, ka azo antoka fa sary an’ohatra ilay resahiny fa tsy vehivavy ara-bakiteny. (Apokalypsy 1:1) Resahina ao koa fa “mipetraka eo ambonin’ny rano maro” izy io. Manondro “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” ilay hoe rano. (Apokalypsy 17:1, 15) Tsy misy vehivavy mahavita an’izany.

  2.   Fandaminana eran-tany ilay hoe Babylona Lehibe. Milaza ny Baiboly fa ‘tanàna lehibe mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany’ izy io. (Apokalypsy 17:18) Manan-kery eran-tany àry izy io.

  3.   Fandaminana ara-pivavahana ilay Babylona Lehibe, fa tsy ara-politika na ara-barotra. Tena mpivavaka be ny olona tany Babylona fahiny. Nalaza ho mpanao ‘ozona famosaviana sy mpilalao ody’ koa izy ireo. (Isaia 47:1, 12, 13; Jeremia 50:1, 2, 38) Nanjaka tao ny fivavahan-diso, ary nanohitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izany. (Genesisy 10:8, 9; 11:2-4, 8) Nanambony tena ireo mpanjakan’i Babylona, ka nanao tsinontsinona an’i Jehovah sy ny fivavahana aminy. (Isaia 14:4, 13, 14; Daniela 5:2-4, 23) Malaza ho ‘mpilalao ody’ koa i Babylona Lehibe. Fandaminana ara-pivavahana àry izy io.—Apokalypsy 18:23.

     Tsy fandaminana ara-politika ilay hoe Babylona Lehibe, satria hitomany ny “mpanjakan’ny tany” rehefa ho rava izy io. (Apokalypsy 17:1, 2; 18:9) Asehon’ny Baiboly koa fa samy hafa i Babylona Lehibe sy ny “mpivaro-mandeha.” Tsy fandaminana ara-barotra àry izy io.—Apokalypsy 18:11, 15.

  4. Tsangambaton’i Nabonida, mpanjaka babylonianina, misy marika famantarana an’ireo andriamanitra telo: Sîn, Ishtar, ary Shamash

      Mety tsara ilazana ny fivavahan-diso ilay hoe Babylona Lehibe. Tsy manampy ny olona mba hivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ny fivavahan-diso, fa mampirisika azy ireo hivavaka amin’andriamani-kafa. Milaza ny Baiboly fa toy ny hoe mijangajanga izy ireo amin’izany. (Levitikosy 20:6; Eksodosy 34:15, 16) Efa nampianarina tany Babylona fahiny, ohatra, hoe telo izay iray Andriamanitra, ary tsy mety maty ny fanahy. Nampiasa sary koa izy ireo rehefa nivavaka. Mbola manao hoatr’izany ny fivavahan-diso hatramin’izao. Tia an’izao tontolo izao koa izy ireo. Nivadika àry izy ireo ka ampitovin’ny Baiboly amin’ny olona manitsakitsa-bady.—Jakoba 4:4.

     Hoy ny Baiboly momba an’i Babylona Lehibe: ‘Nanao akanjo volomparasy sy mena midorehitra izy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla.’ (Apokalypsy 17:4) Mitovy amin’izany mihitsy ny fivavahan-diso. Manan-karena be izy ireo sady tia mampideradera fananana. Milaza ny Baiboly hoe avy aminy ny “zava-maharikoriko amin’ny tany”, izany hoe ireo fampianarana sy fanao manala baraka an’Andriamanitra. (Apokalypsy 17:5) “Olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” no mpivavaka ao amin’ny fivavahan-diso, ary manohana an’i Babylona Lehibe izy ireo.—Apokalypsy 17:15.

 I Babylona Lehibe no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’izay ‘rehetra naripaka tetỳ ambonin’ny tany.’ (Apokalypsy 18:24) Mampirisika ny olona hiady ny fivavahan-diso sady manohana ny asa fampihorohoroana. Tsy vitan’izay fa tsy nampianatra ny marina momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana, koa izy ireo. (1 Jaona 4:8) Nahatonga vonoan’olona mahatsiravina izany. Ara-dalàna àry raha tsy maintsy ‘mivoaka avy ao aminy’, izany hoe miala amin’ny fivavahan-diso, izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Apokalypsy 18:4; 2 Korintianina 6:14-17.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?