Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Dinôzôro?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Dinôzôro?

Valiny ara-baiboly

 Tsy miresaka mivantana momba ny dinôzôro ny Baiboly. Milaza anefa izy io fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra”, ka azo antoka hoe izy koa no namorona ny dinôzôro. a (Apokalypsy 4:11) Maro ny karazana biby resahin’ny Baiboly hoe noforonin’Andriamanitra, ary mety ho anisan’izany ny dinôzôro. Ireto avy izany:

Nivoatra miandalana avy tamin’ny biby hafa ve ny dinôzôro?

 Rehefa jerena ny fôsily, dia hita fa tsy nivoatra tsikelikely avy tamin’ny biby hafa ny dinôzôro, fa tonga dia nisy. Mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly izany, satria lazainy ao fa Andriamanitra no namorona ny biby rehetra. Antsoina hoe “Mpanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo”, ohatra, Andriamanitra ao amin’ny Salamo 146:6.

Oviana no nisy ny dinôzôro?

 Tantarain’ny Baiboly hoe rehefa namorona ny zava-drehetra Andriamanitra, dia tamin’ny andro fahadimy sy fahenina no noforoniny ny biby any an-dranomasina sy an-tanety. (Genesisy 1:20-25, 31) Vanim-potoana no tiana holazaina amin’ilay hoe andro. b Nandritra ny fotoana ela be àry no nisy ny dinôzôro, rehefa jerena ny Baiboly.

Dinôzôro ve ilay hoe “behemota” sy “leviatana” ao amin’ny Baiboly?

 Tsia. Tsy tena azontsika antoka hoe inona ireo biby resahina ao amin’ny bokin’i Joba ireo. Be dia be anefa no miteny hoe hipopotama ny behemota, ary voaibe kosa ny leviatana. Marina izany rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly momba an’ireo biby ireo. (Joba 40:15-23; 41:1, 14-17, 31) Na ahoana na ahoana, dia tsy dinôzôro ny “behemota” sy “leviatana.” Nasain’Andriamanitra nandinika an’ireo biby ireo i Joba, ka azo antoka fa tsy dinôzôro ireo. Efa ela be talohan’ny andron’i Joba mantsy ny dinôzôro no lany tamingana.—Joba 40:16; 41:8.

Nahoana no tsy misy intsony ny dinôzôro?

 Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Milaza anefa izy io hoe ‘noho ny sitrapon’Andriamanitra’ no namoronana ny zava-drehetra. (Apokalypsy 4:11) Nisy antony àry matoa Andriamanitra namorona ny dinôzôro. Navelany tsy hisy intsony anefa ny dinôzôro rehefa tanteraka ny sitrapony momba azy ireo, izany hoe ny zavatra noeritreretiny tamin’izy namorona azy ireo.

a Tena nisy ny dinôzôro rehefa jerena ny fôsily, izany hoe ny taolam-biby fahiny. Hita avy amin’izy ireny fa nisy fotoana efa be dia be ny dinôzôro sady isan-karazany.

b Ilazana fotoana maharitra an’arivony taona indraindray ilay teny hoe “andro”, ao amin’ny Baiboly.—Genesisy 1:31; 2:1-4; Hebreo 4:4, 11.