Hijery ny anatiny

Oviana no Nosoratana ny Fitantarana Momba ny Fiainan’i Jesosy?

Oviana no Nosoratana ny Fitantarana Momba ny Fiainan’i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Hoy ny apostoly Jaona mahakasika ny zavatra nosoratany momba ny fiainan’i Jesosy: “Vavolombelon’izany ilay nahita maso, sady marina ny fanambarany, ary fantatr’izany lehilahy izany fa marina izay lazainy, mba hinoanareo koa.”—Jaona 19:35.

 Azo antoka koa ny Filazantsara nosoratan’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona satria mbola velona ny maro tamin’ireo nanatri-maso ny zavatra notantarainy, rehefa nanoratra an’ireo Filazantsara izy ireo. Misy boky milaza fa fito taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Jesosy no nosoratana ny Filazantsaran’i Matio, izany hoe tamin’ny taona 41 tany ho any. Misy manam-pahaizana milaza fa tatỳ aoriana kokoa izy io vao nosoratana, nefa miaiky ny ankamaroany fa tamin’ny taonjato voalohany daholo no nosoratana ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

 Afaka manamarina ny fitantaran’ny Filazantsara ireo olona nahita an’i Jesosy tamin’izy teto an-tany sy nahita ny nananganana azy tamin’ny maty. Ho niteny koa izy ireo raha tsy marina izy ireny. Hoy ny profesora F. Bruce: ‘Natoky ireo apostoly fa nahafantatra ny momba an’i Jesosy ny olona nitoriany. Rehefa nitory àry izy ireo dia nilaza hoe: “Fantatrareo tsara izany” fa tsy nilaza fotsiny hoe: “Vavolombelon’izany izahay.” (Asan’ny Apostoly 2:22) Anisan’ny nampiavaka ny fomba fitorian’ny apostoly izany.’