Hijery ny anatiny

Inona Marina ny Baiboly?

Inona Marina ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Ny marina momba ny Baiboly

  •   Iza no nanoratra ny Baiboly? Avy amin’Andriamanitra izy io. Lehilahy 40 samihafa teo ho eo anefa no nampiasainy mba hanoratra azy io, anisan’izany i Mosesy, Davida Mpanjaka, Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. a Nataon’Andriamanitra tao an-tsain’ny mpanoratra ny Baiboly ny heviny ka nosoratan’izy ireo.​—2 Timoty 3:16.

     Andao hatao hoe misy mpampiasa iray maniraka ny sekreterany hanoratra taratasy amin’ny anarany. Na dia hevitra fotsiny aza no nomeny dia mbola taratasiny ihany ilay izy. Hoatr’izany koa ny Baiboly. Na dia nampiasa olona mba hanoratra ny Baiboly aza Andriamanitra dia avy aminy izy io.

  •   Inona no dikan’ilay teny hoe “Baiboly”? Avy amin’ny teny Grika hoe biblia ny hoe “Baiboly”, izay midika hoe “boky kely maromaro.” Natao hoe biblia, tatỳ aoriana, ny fitambaran’ireo boky kely ao amin’ny Baiboly.

  •   Oviana no nosoratana ny Baiboly? Nanomboka tamin’ny taona 1513 T.K. izy io no nosoratana, ary 1 600 taona tatỳ aoriana ilay izy no vita, tamin’ny taona 98 A.K. tany ho any.

  •   Aiza ilay Baiboly nosoratana voalohany? Efa simba ilay Baiboly nosoratana voalohany. Nampiasa fitaovana mora simba toy ny taratasy papyrus sy hodi-biby malefaka mantsy ny mpanoratra ny Baiboly tamin’izany. Nisy mpanora-dalàna matihanina anefa nandika sy namerina nandika ny soratra tao amin’ny Baiboly mba hovakin’ny olona atỳ aoriana. Nitandrina tsara izy ireo rehefa nandika azy ireny.

  •   Inona no atao hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao”? Testamenta Taloha no ahafantaran’ny olona ny ampahany ao amin’ny Baiboly nosoratana tamin’ny teny hebreo. b Antsoina koa hoe Soratra Hebreo izy io. Ilay ampahany nosoratana tamin’ny teny grika indray antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao, na hoe Soratra Grika. Ireo fizarana roa ireo no mahaforona ny Baiboly manontolo, na ny Soratra Masina. c

  •   Inona no hita ao amin’ny Baiboly? Betsaka no hita ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny tantara, lalàna, faminaniana, tononkalo, ohabolana, hira, ary taratasy.​—Jereo ilay hoe “ Lisitry ny Boky ao Amin’ny Baiboly.”

 Inona no zavatra resahin’ny Baiboly?

 Hazavaina amin’ny ambangovangony ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Baiboly ny fomba namoronan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny lanitra sy ny tany. Nampahafantariny tao amin’ny Baiboly ny anarany hoe Jehovah, satria tiany hahafantatra tsara azy ny olombelona, ary izy mihitsy no manasa azy ireo hanao an’izany.​—Salamo 83:18.

 Hazavain’ny Baiboly hoe nisy nanaratsy ny anaran’Andriamanitra, ary mbola hanao zavatra izy mba hanatsarana ny lazany.

 Resahina ao amin’ny Baiboly ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona. Hazavaina ao hoe mbola hofoanan’Andriamanitra ny zavatra mampijaly antsika amin’ny hoavy.

 Manome torohevitra tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny Baiboly. Ohatra hoe:

  •   Ny fomba hifandraisana tsara amin’ny olon-kafa. “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”​—Matio 7:12.

     Ny dikan’izany dia hoe: Izay tiantsika hataon’ny hafa amintsika no tokony hataontsika amin’izy ireo.

  •   Ny fomba hiatrehana ny adin-tsaina. “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso.”​—Matio 6:34.

     Ny dikan’izany dia hoe: Aleo mifantoka amin’izay mitranga amin’ny andro tsirairay toy izay manahy be hoe inona no mety hitranga amin’ny hoavy.

  •   Fomba hananana fanambadiana sambatra. “Tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny.”​—Efesianina 5:33.

     Ny dikan’izany dia hoe: Mila mifankatia sy mifanaja ny mpivady raha te ho sambatra.

 Nisy niova ve ny Baiboly?

 Tsia. Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ny Baiboly sora-tanana taloha ny Baiboly ampiasaina amin’izao, dia hitan-dry zareo hoe tsy niova ny hevitra ao anatiny. Ara-dalàna izany satria raha tian’Andriamanitra hamaky sy hahazo ny hafatra ao amin’ny Teniny isika, dia tsy maintsy hataony izay hahatonga azy io tsy hiova. d​—Isaia 40:8.

 Nahoana no misy karazana fandikan-tenin’ny Baiboly be dia be?

 Sarotra amin’ny ankamaroan’ny olona amin’izao ny teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly tranainy. Natao ho an’ny olona avy “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny” anefa ny “vaovao tsara” ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 14:6) Noho izany dia mila adika amin’ny fiteny azon’ny olona ny Baiboly, amin’izay afaka mamaky sy mahazo tsara ny hafatra avy amin’Andriamanitra izy ireo.

 Misy karazany telo ny fomba fandikana ny Baiboly:

  •   Fandikan-teny ara-bakiteny arak’izay azo atao.

  •   Ny hevitra no adika ka mitady teny mahalaza an’ilay zavatra tiana holazaina tao amin’ny Baiboly voalohany ny mpandika teny.

  •   Fandikan-teny malalaka indray ilay izy raha manova tanteraka ny firafitr’ilay andinin-teny ny mpandika-teny mba hahatonga an’ilay izy hahafinaritra vakina. Mety ho takona anefa ny tena hevitr’ilay andininy amin’io karazana fandikan-teny io.

 Ny fandikan-teny tsara anefa dia izay adika ara-bakiteny sady ezahina atao amin’ny fiteny mahazatra ny olona sy azony, mba ho marina tsara ny hevitra voampita amin’izy ireo. e

 Iza no nanapa-kevitra an’izay tokony hampidirina ao amin’ny Baiboly?

 Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, dia izy no nanapa-kevitra an’izay nampidirina tao. Nifidy ny firenen’Israely fahiny aloha izy mba ‘hanankinany ny teniny masina.’ Izy ireo no nataony niandraikitra manokana ny Soratra Hebreo.​—Romanina 3:2.

 Nisy boky tsy tafiditra ve ao amin’ny Baiboly?

 Tsia. Tsy misy very ny boky ao amin’ny Baiboly fa feno tsara izy io. Misy milaza hoe misy boky tokony ho anisan’ny Baiboly nefa voafina tany aloha be tany, dia lasa tsy tafiditra ao amin’izy io. f Feno tsara sady marina anefa ny boky ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 1:13) Mifanaraka tsara daholo àry ny boky ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hoatran’izany ny boky hafa fahiny rehetra izay lazain’ny olona hoe tokony hampidirina ao amin’ny Baiboly. g

 Ahoana ny fijerena andinin-teny ao amin’ny Baiboly?

  Lisitry ny boky ao amin’ny Baiboly

a Raha te hijery ny lisitry ny boky ao amin’ny Baiboly sy ny mpanoratra azy, ary ny toerana nanoratana an’ilay izy ianao, dia jereo ilay hoe “Ireo Boky ato Amin’ny Baiboly.”

b Nisy ampahany kely amin’ny Baiboly nosoratana tamin’ny teny aramianina. Fiteny mitovitovy amin’ny teny hebreo izy io.

c Aleon’ny ankamaroan’ny olona mampiasa an’ilay anarana hoe “Soratra Hebreo” sy “Soratra Grika Kristianina.” Ilay hoe “Testamenta Taloha” mantsy hoatran’ny midika hoe lany andro izy io dia nosoloina ny “Testamenta Vaovao.”

d Jereo ilay hoe “Niova ve ny Baiboly?

e Betsaka no tia mamaky Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria marina tsara sady mora vakina izy io. Jereo ilay hoe “Marina Tsara ve ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

f Apokrifa no iantsoana an’ireo boky ireo. Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) hoe: “Araky ny boky ara-baiboly, [ilay teny hoe Apokrifa dia] midika hoe boky tsy ekena ho anisan’ny Soratra Masina.” Izany hoe tsy anisan’ireo boky ara-dalàna ao amin’ny Baiboly.

g Jereo ilay hoe “Azo Atokisana ve ny Filazantsara Vaovao?” raha te hahazo fanazavana fanampiny.