Hijery ny anatiny

Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?

Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo dia mba Ataovy Aminy Koa’?

Valiny ara-baiboly

 Hoy i Jesosy, tamin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo ... dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12; Lioka 6:31) Nisy nandika hoatr’izao koa io tenin’i Jesosy io: “Ataovy amin’ny olona izay tianao hataon’ny olona aminao.”—Encyclopedia of Philosophy.

 Inona no dikan’ilay hoe ‘izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa’?

 Midika izy io hoe izay tiantsika hataon’ny olon-kafa amintsika no tokony hataontsika amin’ny olona. Tian’ny ankamaroan’ny olona, ohatra, raha tia sy manaja azy ary tsara fanahy aminy ny olon-kafa. Dia tokony hoatr’izany koa no ataontsika amin’ny olona.—Lioka 6:31.

 Nahoana io tenin’i Jesosy io no mahasoa antsika?

 Azo ampiharina amin’ny toe-javatra rehetra izy io. Ohatra hoe afaka manampy . . .

 Mitovy amin’ny toro lalana hitantsika ao amin’ny Soratra Hebreo na ilay antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha izy io. Io fitsipika noresahin’i Jesosy io no “tian’ny Lalàna [ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly] sy ny Mpaminany [ny boky nosoratan’ireo mpaminany] hambara.” (Matio 7:12) Midika izany fa mitovy amin’ilay voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha hoe “tiavo ny namanao” ihany io fitsipika noresahin’i Jesosy io.—Romanina 13:8-10.

 Izay zavatra tiantsika ho azo any amin’ny olona ihany ve no tiany holazaina amin’izy io?

 Tsy izany mihitsy! Mampirisika antsika ho tia manome io fitsipika io, raha ny marina. Niresaka momba ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa i Jesosy rehefa nanome an’io fitsipika io. Tsy ny olon-kafa amin’ny ankapobeny fotsiny anefa no tiany horesahina fa ny fahavalontsika koa. (Lioka 6:27-31, 35) Mampirisika ny olona hanao soa amin’ny olona rehetra àry io fitsipika noresahin’i Jesosy io.

 Ahoana no azo ampiharana azy io?

  1.  1. Mahaiza mandinika. Diniho hoe hoatran’ny ahoana ny zavatra iainan’ny olona manodidina anao. Mety hahita olona mitondra entana mavesatra be, ohatra, ianao, na mahafantatra olona eny akaikinareo niditra hopitaly, na misy mpiara-miasa aminao kivy. Raha ‘mihevitra izay hahasoa ny hafa ianao’, dia mety hahita fomba hampaherezana na hanampiana azy.—Filipianina 2:4.

  2.  2. Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa. Miezaha hipetraka eo amin’ny toeran’ilay olona. Eritrereto hoe inona no ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toerany. (Romanina 12:15) Raha miezaka mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa ianao, dia mety ho vonona ny hanampy azy ireo.

  3.  3. Mahaiza mandanjalanja. Ataovy an-tsaina foana hoe tsy voatery hitovy ny olona rehetra. Ny zavatra tian’ny hafa hataonao aminy izao mety tsy hitovy amin’ny zavatra tianao hataon-dry zareo aminao. Rehefa hanao zavatra ho an’olona àry ianao, dia jereo tsara hoe inona no tena tian-dry zareo hataonao aminy, dia izay no iezaho atao.—1 Korintianina 10:24.