Hijery ny anatiny

Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?

Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Tsia. Mifanaraka tsara daholo izay voalaza ao. Marina fa misy andinin-teny mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe misy zavatra mifanohitra ao amin’ny Baiboly. Raha mampihatra ny iray na ny maromaro amin’ireto soso-kevitra ireto anefa isika, dia ho azontsika tsara ireny andinin-teny ireny ary ho hitantsika hoe tsy mifanohitra:

  1.   Jereo ny teny manodidina. Hoatran’ny mifanohitra ny zavatra soratan’ny mpanoratra iray raha tsy ampifandraisina amin’ny teny manodidina azy.

  2.   Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra. Mety ho samy marina ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga iray, nefa tsy hitovy tanteraka ny teny holazainy na ny tsipiriany hotantarainy.

  3.   Diniho ny tsipiriany ara-tantara sy ny fomba amam-panaon’ny olona tamin’izany.

  4.   Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra.

  5.   Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony. a

  6.   Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara.

  7.   Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly.

 Asehon’ireto ohatra ireto ny fomba ampiharana an’ireo soso-kevitra ireo.

Soso-kevitra 1: Jereo ny teny manodidina

  Raha efa nitsahatra tamin’ny andro fahafito Andriamanitra, nahoana izy no lazaina hoe mbola manohy miasa foana? Milaza tokoa ny Genesisy hoe “nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony [Andriamanitra] tamin’ny andro fahafito.” (Genesisy 2:2-4) Hita amin’ny teny manodidina fa ny asa famoronana mifandray amin’ny tany no tiana horesahina amin’izany. Tsy manohitra an’izany ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny” Andriamanitra, satria asa hafa ataon’Andriamanitra no tiany hambara. (Jaona 5:17) Anisan’ny asany koa ny hoe nampanoratra ny Baiboly, manome tari-dalana ny olombelona, ary mikarakara azy ireo.—Salamo 20:6; 105:5; 2 Petera 1:21.

Soso-kevitra 2 sy 3: Mipetraha eo amin’ny toeran’ny mpanoratra ary diniho ny tsipiriany ara-tantara

  Taiza i Jesosy no nanasitrana an’ilay lehilahy jamba? Milaza ny bokin’i Lioka fa nanasitrana lehilahy iray jamba i Jesosy, “raha nanakaiky an’i Jeriko.” Milaza kosa ilay tantara mifanitsy amin’io ao amin’ny bokin’i Matio hoe nanasitrana jamba roa lahy i Jesosy, “rehefa nivoaka avy tao Jeriko.” (Lioka 18:35-​43; Matio 20:29-​34) Mifameno ny fitantaran’ireo mpanoratra ireo, raha ny marina, fa samy nanana ny fomba fahitany an’izay nitranga fotsiny izy ireo. Nanome tsipiriany kokoa i Matio rehefa nilaza fa roa ireo jamba. I Lioka indray nanasongadina an’ilay jamba niresahan’i Jesosy. Ary nahoana no tsy mitovy ilay toerana noresahin’izy ireo? Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nisy Jeriko roa tamin’izany, ary iray kilaometatra sy sasany ny elanelan’izy ireo: Ny iray efa nisy hatramin’izay ary ny iray vao naorin’ny Romanina. Mety ho teo anelanelan’ireo tanàna ireo i Jesosy no nanao an’ilay fahagagana.

Soso-kevitra 4: Fantaro hoe milaza zavatra ara-bakiteny ilay izy sa an’ohatra

  Ho potika ve ny tany? Milaza ny Mpitoriteny 1:4 fa ‘maharitra mandrakizay ny tany.’ Amin’ny olona sasany dia mifanohitra amin’ity andinin-teny ity izany: “Hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:​10, Fandikan-teny Protestanta) Misy dikany ara-bakiteny sy an’ohatra anefa ny hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. Sady manondro ny planeta iainantsika izy io no manondro ny olona mipetraka eo aminy. (Genesisy 1:1; 11:1) Ny “fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘hodorana ny tany.’—2 Petera 3:7.

Soso-kevitra 5: Tadidio fa misy zavatra sasany tsy nataon’ny olona iray mivantana, nefa lazaina ihany hoe nataony

  Iza no nampahafantatra ny fangatahan’ilay manamboninahitra tamin’i Jesosy, tao Kapernaomy? Milaza ny Matio 8:​5, 6 fa ilay manamboninahitra mihitsy no nanatona an’i Jesosy. Ny Lioka 7:3 kosa milaza fa naniraka anti-panahin’ny Jiosy izy mba hilaza izany tamin’i Jesosy. Tsy mifanohitra anefa ireo, raha ny marina. Ilay manamboninahitra no nanao an’ilay fangatahana, fa naniraka anti-panahy hisolo tena azy izy hiresaka tamin’i Jesosy.

Soso-kevitra 6: Mampiasà fandikan-tenin’ny Baiboly marina tsara

  Manota daholo ve isika? Milaza ny Baiboly fa nandova ota avy tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, isika rehetra. (Romanina 5:​12) Toa mifanohitra amin’izany ny voalazan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, satria lazainy fa “tsy manota” na “tsy mba manota” ny olona tsara. (1 Jaona 3:6, Prot., Fandikan-teny Katolika) Raha ny teny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany no jerena, dia amin’ny endriny milaza ny ankehitriny ilay matoanteny grika hoe “manota” ao amin’ny 1 Jaona 3:6. Milaza fanaovan-javatra mitohy io endriny io matetika. Tsy mitovy ny hoe fahotana nolovana, izay tsy azo ialana, sy ny fahazarana mandika ny lalàn’Andriamanitra, izay atao fanahy iniana. Lasa mazava kokoa àry io hevitra toa mifanohitra io rehefa nadika hoe “tsy zatra manota” ao amin’ny fandikan-teny hafa.—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Soso-kevitra 7: Aza terena hifanaraka amin’ny hevi-diso ampianarin’ny fivavahana ny zavatra lazain’ny Baiboly

  Ambany noho Andriamanitra ve i Jesosy sa mitovy aminy? Hoatran’ny mifanohitra ny tenin’i Jesosy hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, sy ilay hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 10:30; 14:28) Ahoana no tokony handraisana an’ireo andininy ireo? Aza terena izy ireo hifanaraka amin’ilay fampianarana tsy ara-baiboly hoe telo izay iray Andriamanitra. Fantaro kosa hoe inona marina no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy. Lazain’ny Baiboly hoe i Jehovah no Rain’i Jesosy sady Andriamaniny. Midika izany fa na i Jesosy aza dia mivavaka amin’i Jehovah. (Matio 4:​10; Marka 15:34; Jaona 17:3; 20:17; 2 Korintianina 1:3) Ambany noho Andriamanitra àry i Jesosy.

 Rehefa dinihina ny teny manodidina an’ilay tenin’i Jesosy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, dia ny fikasany sy ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra Rainy no tiany holazaina amin’ilay hoe “iray ihany.” Hoy izy avy eo: “Ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin’ny Ray.” (Jaona 10:38) Mitovy koa ny fikasan’i Jesosy sy ny fikasan’ny mpanara-dia azy, satria nivavaka tamin’Andriamanitra momba azy ireo izy hoe: “Efa nomeko azy ireo koa ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika koa izy ireo. Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko.”​—Jaona 17:22, 23.

a Milaza, ohatra, Ny Rakipahalalana Britannica fa “i Shah Jahān, mpanjaka moghol”, no nanorina an’ilay fasana malaza atao hoe Taj Mahal. Tsy izy mivantana anefa no nanorina an’ilay izy, satria milaza ilay rakipahalalana fa “mpiasa 20 000 mahery no nampiasaina” tamin’izany.