Hijery ny anatiny

Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Valiny Ara-baiboly

 Eny. Ireto misy torohevitra ara-baiboly nanampy lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany hanana fianakaviana sambatra:

  1.   Tokony hisora-panambadiana ny mpivady. Rehefa misora-panambadiana ny olon-droa, dia mifanaiky fa ho lamban’akoho ny fiarahana. Mahasambatra ny tokantrano izany.—Matio 19:4-6.

  2.   Mahaiza mifankatia sy mifanaja. Tafiditra amin’izany ny hoe izay fomba tianao hitondrana ny tenanao no tokony hitondranao ny vadinao.—Matio 7:12; Efesianina 5:25, 33.

  3.   Aza manao teny maharary. Aoka ianao ho tsara fanahy rehefa miteny, na dia miteny na manao zavatra mandratra anao aza ny vadinao. (Efesianina 4:31, 32) Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 15:1: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”

  4.   Aza mivadika amin’ny vadinao. Ny vadinao ihany no tokony ho tianao, ary aminy irery ihany ianao no tokony haniry hanao firaisana. (Matio 5:28) Hoy ny Baiboly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.”—Hebreo 13:4.

  5.   Ampianaro amim-pitiavana ny zanakao. Aza milefitra loatra nefa koa aza masiaka loatra.—Ohabolana 29:15; Kolosianina 3:21.