Hijery ny anatiny

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Ny Fanjakan’Andriamanitra no hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra sy hitondra ny tany manontolo. (Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14) Rehefa tanteraka izany dia izao avy no hataony:

  •   Hesoriny ny ratsy fanahy satria tia tena ka mampijaly ny olon-drehetra. “Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany.”—Ohabolana 2:22.

  •   Hofaranany ny ady rehetra. “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany” Andriamanitra.—Salamo 46:9.

  •   Hampanjakainy ny fiadanana sy ny filaminana. “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

  •   Hovany ho paradisa ny tany. “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.”—Isaia 35:1.

  •   Homeny asa mahafinaritra sy mahafa-po ny rehetra. “Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny [olom-boafidin’Andriamanitra]. Tsy ho very maina ny fisasarany.”—Isaia 65:21-23.

  •   Hofoanany ny aretina. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24.

  •   Hataony tsy mihantitra intsony isika. “Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.”—Joba 33:25.

  •   Hatsangany ny maty. “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.