Hijery ny anatiny

Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Valiny ara-baiboly

 Avy amin’ny teny grika hoe Apôkalypsis, izay midika hoe “Fanalana Sarona” na “Fampahafantarana”, ny anaran’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Apokalypsy. Hitantsika amin’io anarana io fa manala sarona na mampiharihary zava-miafina ilay boky, ary mampahafantatra zavatra hitranga fotoana ela aorian’ny anoratana azy. Mbola ho tanteraka ny faminaniana maro voalaza ao.

Topy maso amin’ny bokin’ny Apokalypsy

Hevitra mila tadidina mba hahatakarana an’izay voalazan’ny Apokalypsy

  1.   Zavatra tsara ho an’ireo manompo an’Andriamanitra no resahin’ny Apokalypsy, fa tsy zavatra mampahatahotra na mampihorohoro. Maro no mampifandray ny teny hoe “apokalypsy” amin’ny loza lehibe. Milaza anefa ny bokin’ny Apokalypsy, na eo am-piandohany na any amin’ny fiafarany, fa ho sambatra izay mamaky sy mahazo ary mampihatra an’izay voalaza ao.—Apokalypsy 1:3; 22:7.

  2.   Misy “famantarana” na sary an’ohatra maro ao amin’ny Apokalypsy, ary tsy tokony horaisina ara-bakiteny izy ireny.—Apokalypsy 1:1.

  3.   Maro amin’ny zavatra voalaza ao no efa resahin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly:

  4.   Tanteraka amin’ny “andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914, ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy. Tamin’io taona io no niorina ny Fanjakan’Andriamanitra ary lasa Mpanjaka i Jesosy. (Apokalypsy 1:10) Tanteraka amin’izao androntsika izao àry ny ankamaroan’izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy.

  5.   Mila ny fahendrena avy amin’Andriamanitra isika raha te hahazo ny hevitra voalaza ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, sady mila ny fanampian’ny olona efa mahazo an’ilay izy. Izany koa no ilaina mba hahazoana an’izay voalazan’ny Apokalypsy.—Asan’ny Apostoly 8:26-39; Jakoba 1:5.