Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?

Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?

 Simban’ny olona ny tany, dia be dia be no lasa manahy hoe hanao ahoana àry ny hiafaran’ny tany sy ny olombelona ary ny zavamananaina hafa rehetra. Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny tontolo iainana fa noho ny ataon’ny olombelona, dia vao mainka be dia be noho ny hatramin’izay ny zavamananaina sy ny zavamaniry simba sy atahorana ho lany tamingana.

 Tena ho simba tanteraka tokoa ve ny tany, noho ny ataon’ny olombelona? Sa ho vitan’izy ireo ihany ny hiaro ny tontolo iainana?

Hahomby ve ny ezaka hataon’ny olombelona?

 Betsaka ny manam-pahaizana no matoky hoe afaka miaro ny tany sy ny tontolo iainana tsy ho simba ny olombelona. Milaza ny mpikaroka sasany fa raha tsy tian’ny olona ho simba ny tany, dia misy zavatra sasany tsy maintsy hataon’izy ireo, sady atao ao anatin’ny fotoana anankiray. Anisan’izany ireto manaraka ireto:

  •   Miezaka manatsara ny fomba hikarakarana ny tany, ny ala, ny heniheny, ary ny ranomasina.

  •   Mitady teknika hafa rehefa hamboly sy hamokatra angovo.

  •   Mamokatra sakafo vita amin’ny zavamaniry, amin’izay hihena ny fihinana hena sy trondro, ary hihakely kokoa ny sakafo hohanin’ny olona sy ny sakafo verivery fotsiny.

  •   Mila manaiky koa ny tsirairay hoe tsy voatery hanan-javatra be dia be izy vao ho sambatra.

 Ahoana ny hevitrao? Mba hiarovana ny tany sy ny tontolo iainana, dia hahavita hiara-hiasa tsara ihany ve ny fanjakana sy ny mpandraharaha ary ny olon-tsotra, na dia sambany aza ry zareo vao hanao an’izany? Sa tsy ho tanteraka mihitsy izany satria tia vola sy tia tena ary tsy miraharaha ny hoavy ny olona sasany? —2 Timoty 3:1-5.

Miezaha hanana fanantenana

 Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho potika izany mihitsy ny tany. Hazavainy ao, ohatra, fa na dia miezaka hiaro ny tany tsy ho simba aza ny olombelona dia tsy ho ampy izany. Resahiny koa hoe inona no fanovana tsy maintsy atao mba hiarovana ny tany tsy ho potika, ary ahoana no hahatanterahan’izany.

 Fa nahoana no tsy hety raha ny olombelona irery no hiezaka hiaro ny tany tsy ho simba? I Jehovah a Andriamanitra no namorona ny tany, ary ny olombelona no nasainy nikarakara azy io. (Genesisy 1:28; 2:15) Tokony ho vitan’izy ireo tsara izany andraikitra nankinina taminy izany raha nanaraka ny tari-dalana nomen’ilay Mpamorona sy nankatò ny toromarika nomeny izy ireo. (Ohabolana 20:24) Nampalahelo anefa fa tsy nihaino an’i Jehovah izy ireo fa nanao izay noheveriny fa mety fotsiny. (Mpitoriteny 7:29) Tsy ho vitan’ny olombelona irery àry ny hikarakara ny tany, ary na dia hoe hiezaka aza izy ireo, dia ho voafetra ihany ny zavatra ho vitany.—Ohabolana 21:30; Jeremia 10:23.

 Ny fanovana tsy maintsy hatao. Tsy havelan’Andriamanitra hosimban’ny olona tanteraka ny tany. (Apokalypsy 11:18) Tsy hoe hanatsara ny fitondran’olombelona sy ny fiaraha-monina izay manimba ny tany akory i Jehovah, fa hosoloany kosa aza izy ireny. (Apokalypsy 21:1) Dia izay no nahatonga azy hiteny hoe: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:5.

 Ahoana anefa no hahatanterahan’izany? Hesorin’i Jehovah ny fitondran’olombelona, dia hosoloany fitondram-panjakana iray avy any an-danitra. Antsoina hoe ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. I Jesosy Kristy no mpanjakan’io fanjakana io, ary izy no hitondra ny tany.—Daniela 2:44; Matio 6:10.

 Hampianatra ny olona mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha mahafantatra tsara ny Mpamorona sy manaraka ny tari-dalana omeny izy ireo, dia hahavita hiaina eto an-tany nefa tsy hanimba ny tontolo iainana. (Isaia 11:9) Hazavain’ny Baiboly hoe inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hahatonga ny olona hiadana sy ho sambatra, nefa tsy voatery hanimba ny tany. Anisan’izany ireto:

  •   Hanome sakafo ho an’ny olona rehetra.—Salamo 72:16.

  •   Hamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainana.—Isaia 35:1, 2, 6, 7.

  •   Hanampy ny olona hikarakara ny biby ary ny biby indray tsy havela hanaikitra olona.—Isaia 11:6-8; Hosea 2:18.

  •   Hifehy ny herin’ny natiora mba tsy hanimba ny tontolo iainana.—Mark 4:37-41.

 Matokia fa tsy ho ela intsony ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanatanteraka an’ireo rehetra ireo. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe: “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.