Nosoratan’i Jaona 6:1-71

  • Nanome sakafo ho an’olona 5 000 i Jesosy (1-15)

  • Nandeha teo ambony rano i Jesosy (16-21)

  • I Jesosy no “mofon’aina” (22-59)

  • Be dia be no tafintohina tamin’ny tenin’i Jesosy (60-71)

6  Taorian’izay, dia nankany ampitan’ny Ranomasin’i Galilia, na Ranomasin’i Tiberiasy, i Jesosy.+  Ary nisy vahoaka be nanaraka azy teny foana,+ satria hitan’izy ireo ny famantarana mahagaga nataony, tamin’izy nanasitrana ny marary.+  Niakatra teo an-tendrombohitra àry i Jesosy, dia nipetraka teo niaraka tamin’ny mpianany.  Efa akaiky ny Paska tamin’izay,+ izany hoe ny fetin’ny Jiosy.  Rehefa nitazana i Jesosy, dia hitany fa nisy vahoaka be nanatona azy, ka hoy izy tamin’i Filipo: “Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireo olona ireo?”+  Fantany anefa izay efa hataony, fa mba te hitsapa an’i Filipo izy.  Dia hoy i Filipo: “Na mofo azon’ny 200 denaria* aza ange mbola tsy ho ampy, na dia samy omena sombiny kely fotsiny aza ny olona e!”  Ary hoy ny mpianany anankiray, dia i Andrea, rahalahin’i Simona Petera:  “Intỳ misy ankizilahikely manana mofo* dimy sy trondro madinika roa. Izany anefa ve dia ho ampy an’ireo olona be dia be ireo?”+ 10  Hoy i Jesosy: “Asaivo mipetraka ny olona.” Be bozaka teo, ka nipetraka ny olona. Ary nisy lehilahy 5 000 teo ho eo tao amin’ilay vahoaka.+ 11  Nalain’i Jesosy àry ny mofo, dia nanao vavaka fisaorana izy, ary avy eo nozarainy tamin’ireo olona nipetraka teo ilay izy. Hoatr’izany koa no nataony tamin’ny trondro madinika, ka samy nihinana an’izay laniny ny olona. 12  Rehefa voky izy ireo, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.” 13  Dia nangonin’izy ireo izany, ka nahafeno harona 12 ny sombintsombiny sisa tsy lanin’ny olona nihinana tamin’ny mofo dimy. 14  Rehefa hitan’ny olona ny famantarana nataon’i Jesosy, dia hoy izy ireo: “Io mihitsy ilay Mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao.”+ 15  Ary fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny mba hatao mpanjaka. Dia niala+ teo izy ka nandeha nitokana tany an-tendrombohitra indray.+ 16  Rehefa hariva ny andro, dia nidina nankeny an-dranomasina ny mpianany,+ 17  ka nankao anaty sambokely ary niampita ny ranomasina mba ho any Kapernaomy. Efa maizina ny andro tamin’izay, nefa mbola tsy tonga tany amin’izy ireo ihany i Jesosy.+ 18  Lasa nanonja be koa ny ranomasina, satria nifofofofo mafy ny rivotra.+ 19  Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra* anefa izy ireo, dia hitany nandeha teo ambony ranomasina i Jesosy sady nanatona an’ilay sambokely. Dia natahotra izy ireo. 20  Hoy anefa i Jesosy: “Izaho ihany ity ka! Aza matahotra!”+ 21  Dia faly erỳ izy ireo nampakatra azy tao anaty sambokely. Ary vetivety dia tonga tany amin’izay tian’izy ireo haleha ilay sambokely.+ 22  Ny ampitson’iny, dia hitan’ilay vahoaka efa nijanona teny ampitan’ny ranomasina fa efa tsy teo intsony ilay sambokely iray tavela teo. Efa nentin’ny mpianatr’i Jesosy ilay izy, nefa tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesosy. 23  Nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy anefa tonga teo akaikin’ilay toerana nihinanan’izy ireo an’ilay mofo nozarain’ny Tompo taorian’ny vavaka fisaorana. 24  Rehefa hitan’ilay vahoaka àry fa samy tsy teo na i Jesosy na ny mpianany, dia niakatra tao amin’ireo sambokely ireo izy ireo, ary nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy. 25  Rehefa hitany teny ampitan’ny ranomasina izy, dia hoy izy ireo: “Raby+ ô, fa oviana ianao no tonga teto?” 26  Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminareo fa tsy hoe noho ianareo nahita famantarana no itadiavanareo ahy, fa satria ianareo nihinana mofo dia voky.+ 27  Miasà, nefa tsy hoe mba hahazoana sakafo mety simba, fa mba hahazoana sakafo maharitra izay hahazoana fiainana mandrakizay,+ dia ny sakafo homen’ny Zanak’olona anareo. Fa izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase hoe ankasitrahany.”+ 28  Hoy àry ireo taminy: “Inona no tsy maintsy ataonay mba hanaovanay ny asan’Andriamanitra?” 29  Dia namaly i Jesosy hoe: “Manao ny asan’Andriamanitra ianareo raha maneho finoana an’ilay nirahiny.”+ 30  Dia hoy ireo: “Inona àry no famantarana+ ataonao mba ho hitanay, dia hino anao izahay? Inona no asa ataonao? 31  Ny razambentsika mantsy nihinana ny mana tany an-tany efitra,+ araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’”+ 32  Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo an’ilay mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. 33  Ilay midina avy any an-danitra sy manome fiainana ho an’izao tontolo izao mantsy no mofon’Andriamanitra.” 34  Hoy àry izy ireo: “Tompo ô, omeo an’izany mofo izany foana izahay!” 35  Hoy i Jesosy: “Izaho no mofon’aina. Izay manatona ahy dia tsy mba ho noana mihitsy, ary izay maneho finoana ahy tsy hangetaheta intsony mihitsy.+ 36  Efa nahita ahy anefa ianareo fa tsy mino, araka ny efa noteneniko taminareo.+ 37  Izay rehetra omen’ny Ray ahy dia hanatona ahy, ary tsy mba horoahiko mihitsy izay manatona ahy.+ 38  Tsy ny hanao ny sitrapoko mantsy no nidinako avy any an-danitra,+ fa ny hanao ny sitrapon’Ilay naniraka ahy.+ 39  Ary izao no sitrapon’Ilay naniraka ahy: Tsy tokony havelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy, fa tokony hatsangako amin’ny maty+ kosa amin’ny andro farany. 40  Fa ny sitrapon’ny Raiko, dia hoe hahazo fiainana mandrakizay+ daholo izay manaiky ny Zanaka ka maneho finoana azy, ary hanangana azy amin’ny maty+ aho amin’ny andro farany.” 41  Dia nimenomenona ny Jiosy noho izy niteny hoe: “Izaho no mofo nidina avy any an-danitra.”+ 42  Dia hoy izy ireo: “Angaha moa tsy i Jesosy zanak’i Josefa io e? Fantatsika ny ray aman-dreniny,+ koa maninona izy izao no milaza hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho’?” 43  Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Aza mimenomenona ianareo. 44  Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny* Ray izay naniraka ahy.+ Ary hanangana azy amin’ny maty aho amin’ny andro farany.+ 45  Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary hampianarin’i Jehovah*+ izy rehetra.’ Izay nihaino ny Ray ka nianatra taminy, dia manatona ahy. 46  Tsy nisy nahita ny Ray,+ afa-tsy ilay avy any amin’Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray.+ 47  Lazaiko marimarina aminareo fa izay mino no hahazo fiainana mandrakizay.+ 48  “Izaho no mofon’aina.+ 49  Nihinana ny mana ny razambenareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany.+ 50  Ity kosa no mofo nidina avy any an-danitra mba ho afaka hihinana amin’ity ny olona, ka tsy ho faty. 51  Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Izay mihinana amin’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ny mofo homeko dia ny nofoko, mba hahazoan’izao tontolo izao fiainana.”+ 52  Dia niady hevitra ny Jiosy, ka niteny hoe: “Ahoana koa no anomezan’io lehilahy io ny nofony mba hohanintsika?” 53  Hoy àry i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy hahazo fiainana.*+ 54  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia hahazo fiainana mandrakizay, ary hanangana azy amin’ny maty+ aho amin’ny andro farany. 55  Fa tena sakafo ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 56  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia tafaray foana amiko, ary izaho koa tafaray aminy.+ 57  Velona ny Ray izay naniraka ahy, ary velona aho noho ny Ray. Hoatr’izany koa fa izay mihinana ahy dia ho velona noho ny amiko.+ 58  Ity no mofo nidina avy any an-danitra. Tsy hoatran’ilay mofo nohanin’ny razambenareo izy ity, satria maty ihany ry zareo. Izay mihinana an’ity mofo ity kosa ho velona mandrakizay.”+ 59  Nilaza an’izany izy, tamin’izy nampianatra tao amin’ny synagoga* iray tany Kapernaomy. 60  Rehefa naheno an’izany ny mpianany, dia be dia be no niteny hoe: “Manafintohina izany teny izany. Iza koa no hihaino an’izany?” 61  Fantatr’i Jesosy tany an-tsainy tany anefa fa nimenomenona momba an’izany ny mpianany, ka hoy izy: “Manafintohina anareo ve izany? 62  Dia ahoana izany raha hitanareo miakatra ho any amin’ilay nisy azy taloha ny Zanak’olona?+ 63  Ny fanahy no manome fiainana,+ fa ny nofo kosa tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo dia avy amin’ny fanahy ary manome fiainana.+ 64  Misy aminareo anefa tsy mino.” Efa fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany mantsy hoe iza avy no tsy mino, ary iza ilay hamadika azy.+ 65  Hoy koa izy: “Izany no nilazako taminareo hoe: Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen’ny Ray alalana.”+ 66  Betsaka àry ny mpianany nihemotra,+ ka tsy nanaraka azy intsony. 67  Dia hoy i Jesosy tamin’izy 12 Lahy: “Ianareo koa ve mba te hiala?” 68  Dia hoy i Simona Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay?+ Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay.+ 69  Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.”+ 70  Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Nifidy anareo 12 Lahy aho, sa tsy izany?+ Ny anankiray aminareo anefa mpanendrikendrika.”*+ 71  I Jodasy zanak’i Simona Iskariota no tiany horesahina tamin’izay. Izy io mantsy no hamadika azy, nefa izy anisan’ny 12 Lahy.+

Fanamarihana

Mofo vita amin’ny vary orza no resahina eto.
Abt: “tokony ho 25 na 30 stadio.” Jereo F.F. B14.
Na: “sarihan’ny.”
Jereo F.F. A5.
Abt: “tsy manana fiainana ao anatinareo.”
Na mety hoe “vahoaka tafavory.”
Na: “devoly.”