Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Ho Simba Tanteraka ve ny Tany?

Ho Simba Tanteraka ve ny Tany?

“Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.”—SOLOMONA, MPANJAKA FAHINY. *

Tsy mba ela velona ny olona, araka ny tenin’io mpanoratra Baiboly io. Ny tany kosa eo foana. Efa an’arivony taona izay no nisy taranaka nifandimby teto an-tany, nefa mbola tena mahazaka tsara an’izany ny tany sady mbola azon’ny zavaboary iainana tsara hatramin’izao.

Niova be sady niova haingana ny fiainana, taorian’ny Ady Lehibe II. Nandroso be ny teknolojia, anisan’izany ny fitaterana sy ny fitaovam-pifandraisana, tato anatin’ny 70 taona teo ho eo, ka lasa niova be ny toe-karena. Betsaka no manana fari-piainana tena tsara, nefa hoatran’ny hoe tsy hisy mihitsy izany taloha. Tsy vitan’izay fa nitombo efa ho avo telo heny ny mponina eran-tany.

Nisy vokany ratsy anefa izany rehetra izany. Simba loatra ny tany noho ny ataon’ny olombelona, ka be dia be ny zavatra atahorana tsy hiasa tsara intsony eo amin’ny tontolo iainana. Misy mpahay siansa milaza mihitsy aza fa toy ny hoe vanim-potoana vaovao izao, satria lasa misy fiantraikany be eo amin’ny tany ny zavatra ataon’ny olona.

Efa nilaza ny Baiboly fa ‘hanimba ny tany’ ny olona, indray andro any. (Apokalypsy 11:18) Lasa saina àry ny olona sasany hoe sao dia mba efa mitranga izany izao. Asa raha inona koa ny fanimbana hafa mbola hataon-dRaolombelona! Ho simba tanteraka ve ny tany ka tsy hisy azo atao intsony?

 TSY HISY AZO ATAO INTSONY VE?

Ho simba tanteraka tokoa ve ny tany atsy ho atsy? Miovaova be ny toetrandro tato ho ato, ka milaza ny mpahay siansa sasany hoe tsy hay mihitsy izay mety ho vokatr’izany. Manahy àry izy ireo sao hiova be tampoka izany ka ho loza ny vokany.

Eritrereto, ohatra, ny zava-mitranga any amin’ny tendrontany atsimo. Feno ranomandry any, ary ranomasimbe no ao ambaniny. Mihamafana foana anefa ny tany, ka mihamitsonika sy mihamanify ny ranomandry any, ary atahorana hitsonika tanteraka rehefa afaka kelikely. Nahoana? Miverina miakatra ny hafanan’ny masoandro rehefa tonga eo amin’ny ranomandry. Raha mbola mihamitsonika foana anefa ilay ranomandry, dia ilay ranomasimbe ao ambaniny indray no hotarafin’ny masoandro amin’ny farany. Tsy dia mamerina hafanana ny ranomasina fa mitazona izany kosa. Vao mainka àry hitsonika ny ranomandry eo amboniny. Hiakatra ny ranomasina maneran-tany vokatr’izany, ka olona an-jatony tapitrisa no mety hiharan-doza.

TSY MAHARAKA INTSONY NY TANY

Maro ny vahaolana efa naroson’ny olona mba hiarovana ny tany tsy ho simba be intsony. Efa ela, ohatra, no nisy nanome soso-kevitra hoe tsy tokony holanina daholo ny zavatra voajanahary azo avy amin’ny tany, na dia azo atao aza ny mampiasa azy ireny mba hanatsarana ny toe-karena sy ny fiainan’ny vahoaka. Inona no vokany?

Mampalahelo fa mbola mampiasa be loatra ny zavatra voajanahary eto an-tany ihany ny olona, nefa elaela ny tany vao mahavita mamokatra azy ireny indray. Inona ny vahaolana? Nitsotra ny olona iray mpiaro ny tontolo iainana hoe: “Tena tsy haintsika hoe tokony hatao ahoana ity tany ity.” Tena marina ny voalazan’ny Jeremia 10:23 hoe: “Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany.”

Soa ihany fa mampanantena ny Baiboly hoe tsy havelan’Andriamanitra ho simba tanteraka ny tontolo iainana. Hoy ny Salamo 115:16: ‘Nomen’i Jehovah ho an’ny zanak’olombelona ny tany.’ “Fanomezana tsara” avy amin’ilay Raintsika any an-danitra tokoa ity tany ity. (Jakoba 1:17) Andriamanitra ve dia hanome antsika zavatra tsy  haharitra? Mazava ho azy fa tsia! Hita hoe natao haharitra ny tany, rehefa jerena ny fomba nanamboarana azy.

NY ANTONY NAMORONANA NY TANY

Resahin’ny bokin’ny Genesisy amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no nanamboaran’Andriamanitra ny tany. Tantaraina ao fa “tsy nisy endriny ny tany sady tsy nisy na inona na inona” tamin’ny voalohany, ary maizina be. Voalaza mazava tsara ao anefa hoe efa nisy “rano” teto an-tany tamin’izany. Tena ilain’ny zavaboary izy io. (Genesisy 1:2) Niteny Andriamanitra avy eo hoe: “Aoka hisy mazava.” (Genesisy 1:3) Tonga hatretỳ an-tany àry ny tara-masoandro, ka nanomboka nisy hazavana tetỳ. Lasa nisy ny tany maina sy ny ranomasina, taorian’izay. (Genesisy 1:9, 10) Nipoitra avy eo ny “ahitra sy zavamaniry araka ny karazany avy izay misy voa famboly, ary hazo fihinam-boa izay mamokatra voankazo.” (Genesisy 1:12) Efa vonona daholo àry tamin’izay ny zava-drehetra ilain’ny zavamananaina mba hahavelona azy. Inona no tanjon’izany rehetra izany?

Nilaza i Isaia mpaminany fa Andriamanitra no “Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.” (Isaia 45:18) Nataon’Andriamanitra honenan’ny olona mandrakizay àry ny tany.

Mampalahelo fa tsy nohajain’ny olona ilay fanomezana tena tsara nomen’Andriamanitra azy, ka lasa simba. Tsy niova anefa ilay fikasan’Andriamanitra. Hoy ny Nomery 23:19: “Tsy mba olona Andriamanitra ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina. Efa nilaza ve izy ka tsy hanatanteraka?” Tsy havelan’Andriamanitra ho simba tanteraka àry ny tany. Kely sisa dia ‘haringany izay manimba ny tany.’—Apokalypsy 11:18.

HISY OLONA FOANA ETO AN-TANY MANDRAKIZAY

Hoy i Jesosy Kristy tamin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Nampianariny hivavaka koa ny mpianany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”  (Matio 6:10) Ny Fanjakan’Andriamanitra àry no hiaro ny tany tsy ho simba. Izy io no hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.

Tena hanova tanteraka ny tany io Fanjakana io. Hoy mantsy Andriamanitra: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 21:5) Midika ve izany hoe hosoloany vaovao ny tany? Tsia, satria mety tsara ny nanaovana ny tany. “Izay manimba ny tany” no hesoriny, izany hoe ny fitondran’olombelona ankehitriny. Hosoloana “lanitra vaovao sy tany vaovao” ireo. (Apokalypsy 21:1) Ahoana izany? Ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hanjaka, ary ny olona mankatò an’Andriamanitra no hanjakany.

Haverin’Andriamanitra amin’ny laoniny ny zavatra nosimban’ny olona. Hataony ampy tsara indray ny zavatra voajanahary vokarin’ny tany, mba ho velona tsara ny zavamananaina. Ahoana no hanaovany izany? Nasainy nanoratra ny mpanao salamo hoe: “Mitsinjo ny tany ianao mba hampahavokatra azy. Mampahalonaka azy koa ianao.” Ho lasa paradisa ny tany ary hamokatra be. Ho tsara foana mantsy ny toetrandro sady hotahin’Andriamanitra ny tany.—Salamo 65:9-13.

Hoy i Mohandas Gandhi, mpitondra fivavahana tany Inde, araka ny fitantaran’i Pyarelal, mpitan-tsorany: “Ampy tsara ho an’ny olona tsirairay ny zavatra vokarin’ny tany, saingy tia tena loatra ny olona ka lasa tsy ampy ilay izy.” Ny toe-tsain’ny olona àry no mila ovana. Izany mihitsy no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Naminany i Isaia hoe “tsy handratra” olon-kafa “na hanimba” ny tany ny vahoakan’ilay Fanjakana. (Isaia 11:9) Efa olona an-tapitrisany any amin’ny tany samihafa izao no mianatra ny fitsipik’Andriamanitra. Ampianarina izy ireo hoe tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny olon-kafa, hahay hankasitraka, hikarakara sy hiaro ny tontolo iainana, ary tokony ho hita eo amin’ny fiainany fa manohana ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany izy. Efa ampiomanina hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo.—Mpitoriteny 12:13; Matio 22:37-39; Kolosianina 3:15.

Tsara loatra ny tany ka tsy havelan’Andriamanitra ho simba tanteraka!

Hoy ny Genesisy 1:31, rehefa avy nitantara ny zava-drehetra noforonin’Andriamanitra: “Nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.” Tsara loatra ny tany ka tsy havelan’Andriamanitra ho simba tanteraka! Soa ihany fa eo am-pelatanan’ilay Andriamanitra namorona azy ny hoavin’ity tany ity. Hoy izy: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Enga anie ianao ka ho anisan’ireo “olo-marina” handova ny tany mandrakizay!

^ feh. 3 Mpitoriteny 1:4 ao amin’ny Baiboly.