Daniela 2:1-49

  • Nanonofy i Nebokadnezara dia nitebiteby be (1-4)

  • Tsy nisy olon-kendry nahay an’ilay nofy (5-13)

  • Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Daniela (14-18)

  • Nidera an’Andriamanitra izy fa nampahafantariny azy ilay zava-miafina (19-23)

  • Nolazain’i Daniela tamin’ny mpanjaka ilay nofy (24-35)

  • Ny dikan’ilay nofy (36-45)

    • Hanorotoro an’ilay sarivongana ilay vato na ilay Fanjakana (44, 45)

  • Nomen’ny mpanjaka voninahitra i Daniela (46-49)

2  Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara, dia nanonofy izy. Ary nitebiteby be izy+ ka tsy nahita tory.  Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ny mpisorona mpanao sikidy, ny mpila hevitra amin’ny maty, ny mpilalao ody, ary ny Kaldeanina,* mba hilaza aminy an’ilay nofiny. Dia tonga izy ireo, ka nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka.+  Ary hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo: “Nanonofy aho, dia mitebiteby be fa tiako ho fantatra hoe inona ilay nofiko.”  Dia novalian’ny Kaldeanina tamin’ny teny aramianina*+ ny mpanjaka hoe: “Ho velona mandrakizay anie ianao, ry mpanjaka ô! Tantarao aminay mpanomponao ilay nofy, dia holazainay ny dikany.”  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny Kaldeanina: “Izao no teniko farany: Hotetitetehina ianareo ary hatao kabinem-bahoaka* ny tranonareo, raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy sy ny dikany.  Fa raha lazainareo kosa ilay nofy sy ny dikany, dia homeko fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe ianareo.+ Koa lazao amiko ilay nofy sy ny dikany.”  Dia hoy indray izy ireo: “Aleo mba lazain’ny mpanjaka aminay mpanomponao ilay nofy, dia holazainay ny dikany.”  Ary hoy ny mpanjaka: “Fantatro tsara fa mitetika ny hahazo fotoana lavalava fotsiny ianareo, satria azonareo tsara ny dikan’ilay teniko farany teo.  Koa raha tsy ampahafantarinareo ahy ilay nofy, dia hampiharana sazy mitovy daholo ianareo rehetra. Fa efa nifanaraka ianareo hoe lainga sy fitaka no holazainareo amiko, sao dia mba hiova hevitra ihany aho. Koa lazao amiko ilay nofy, dia ho fantatro raha mahay milaza ny dikany ianareo.” 10  Ary hoy ny Kaldeanina tamin’ny mpanjaka: “Tsy misy olona eto ambonin’ny tany mahavita an’izany zavatra angatahin’ny mpanjaka izany. Fa mbola tsy nisy mpanjaka lehibe na governora nangataka zavatra hoatr’izany tamin’ny mpisorona mpanao sikidy, na tamin’ny mpila hevitra amin’ny maty, na tamin’ny Kaldeanina. 11  Sarotra izany zavatra angatahin’ny mpanjaka izany, ka tsy misy mahavita milaza an’izany amin’ny mpanjaka, afa-tsy ireo andriamanitra tsy miaraka amin’ny olombelona mety maty.”* 12  Dia tezitra sy romotra be ny mpanjaka, ka nanome baiko hoe haringana daholo ny olon-kendry rehetra tao Babylona.+ 13  Rehefa navoaka ilay baiko, ary efa hovonoina ireo olon-kendry, dia notadiavina koa i Daniela sy ireo namany mba hovonoina ho faty. 14  Tamin’izay dia niresaka tamin’i Arioka i Daniela, sady malina sy nitandrina tsara ihany. Lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka io Arioka io, ary efa nivoaka mba hamono ny olon-kendrin’i Babylona. 15  Hoy i Daniela tamin’i Arioka, ilay tandapa mpiaro ny mpanjaka: “Fa maninona ny mpanjaka no mamoaka didy henjana be hoatr’izany?” Dia notantarain’i Arioka tamin’i Daniela ny zava-nitranga.+ 16  Koa nankao amin’ny mpanjaka i Daniela ka nangataka mba homena fotoana fanampiny, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy. 17  Nody tany an-tranony i Daniela avy eo, ary notantarainy tamin’i Hanania sy Misaela ary Azaria namany ny zava-nitranga. 18  Nasainy nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo mba hangataka famindram-po taminy, dia hampahafantatra azy ireo an’ilay zava-miafina. Amin’izay dia tsy ho ringana miaraka amin’ny sisa amin’ny olon-kendrin’i Babylona i Daniela sy ny namany. 19  Dia nampahafantarina an’i Daniela tao amin’ny fahitana tamin’ny alina ilay zava-miafina.+ Koa nidera an’ilay Andriamanitry ny lanitra izy. 20  Hoy i Daniela: “Hisaorana mandrakizay doria* anie ny anaran’Andriamanitra,Satria izy irery ihany no hendry sy mahery!+ 21  Manova fotoana sy vanim-potoana izy,+Manongana mpanjaka sy mametraka mpanjaka eo amin’ny toerany,+Manome fahendrena ho an’ny hendry, ary manome fahalalana ho an’ny olona lalin-tsaina.+ 22  Mampahafantatra zava-dalina sy zava-miafina izy.+Fantany ny ao amin’ny maizina,+Ary feno hazavana manodidina azy.+ 23  Ianao no isaorako sy deraiko, ry Andriamanitry ny razambeko ô!Efa nomenao fahendrena sy hery mantsy aho. Dia nampahafantarinao ahy koa izao ny zavatra nangatahinay taminao.Nampahafantarinao anay ilay zavatra mampiasa saina ny mpanjaka.”+ 24  Dia lasa i Daniela nankao amin’i Arioka, ilay notendren’ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’i Babylona,+ ka niteny taminy hoe: “Aza misy aringana ny olon-kendrin’i Babylona. Ento any amin’ny mpanjaka aho fa holazaiko aminy ny dikan’ilay nofy.” 25  Dia nentin’i Arioka haingana teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka hoy izy taminy: “Nahita lehilahy afaka mampahafantatra amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy aho. Anisan’ny olona natao sesitany avy any Joda izy.”+ 26  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela, ilay nantsoina hoe Beltesazara:+ “Tena hainao tokoa ve ny milaza amiko hoe inona ilay hitako tao amin’ny nofy dia inona ny dikany?”+ 27  Dia hoy i Daniela tamin’ny mpanjaka: “Tsy misy mahavita milaza an’ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka, na ny olon-kendry, na ny mpila hevitra amin’ny maty, na ny mpisorona mpanao sikidy, na ny mpanandro.+ 28  Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, dia izy no Mpampiharihary zava-miafina.+ Izy no nampahafantatra tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka ny zavatra hitranga any am-parany. Izao ilay nofinao sy ireo fahitana hitanao tamin’ianao natory tao am-pandriana: 29  “Ry mpanjaka ô, lasa saina momba izay hitranga amin’ny hoavy ianao tao am-pandriananao. Ary mampahafantatra anao an’izay hitranga Ilay Mpampiharihary zava-miafina. 30  Raha ny amiko kosa, dia tsy hoe noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny olona rehetra no antony nampahafantarana ahy an’ilay zava-miafina, fa mba hampahafantarana amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy, ka ho fantatrao izay tao an-tsainao.*+ 31  “Nijery ianao, ry mpanjaka ô, ka nahita sarivongana ngezabe. Nijoro teo anoloanao ilay sarivongana. Ngezabe sady namirapiratra tsy nisy hoatr’izany ilay izy, ary nampatahotra anao. 32  Volamena tena tsara ny lohany,+ volafotsy ny tratrany sy ny sandriny,+ varahina ny kibony sy ny feny,+ 33  vy ny ranjony,+ ary ny tongony kosa nisy ampahany vy sady nisy ampahany tanimanga.*+ 34  Dia mbola nijery ianao, ka nisy vato nendahana nefa tsy nendahana tamin’ny tanana. Ary nandona mafy an’ilay sarivongana teo amin’ny tongony vy sy tanimanga ilay vato, ka namotipotika azy.+ 35  Tamin’izay fotoana izay, dia potipotika daholo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy, ary ny volamena ka lasa hoatran’ny akofa eny am-pamoloana amin’ny fahavaratra. Dia notsofin’ny rivotra ireny, ka nanjavona tsy hita intsony. Fa lasa tendrombohitra lehibe kosa ilay vato nandona mafy an’ilay sarivongana, ka feno azy ny tany manontolo. 36  “Izany ilay nofy, fa holazainay amin’ny mpanjaka izao ny dikany: 37  Ianao, ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka, ary nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra anao ny fanjakana+ sy ny hery sy ny tanjaka ary ny voninahitra. 38  Nomeny anao koa ny fahefana amin’ny olona, na aiza na aiza misy azy ireo, sy ny fahefana amin’ny bibidia sy ny voro-manidina, ka nataony mpanjakan’izy rehetra ianao.+ Ianao àry ilay loha volamena.+ 39  “Hisy fanjakana ambany kokoa noho ny fanjakanao anefa hitsangana handimby ny anao.+ Hisy fanjakana hafa koa avy eo hitsangana, dia fanjakana fahatelo, izay varahina. Hitondra ny tany manontolo izy io.+ 40  “Ny fanjakana fahefatra kosa hatanjaka toy ny vy.+ Fa manorotoro sy mamotipotika ary manamontsana ny zava-drehetra ny vy. Dia hoatr’izany koa fa hanorotoro sy hamotipotika an’ireo fanjakana rehetra ireo io fanjakana io.+ 41  “Araka ilay hitanao, dia tanimanga novolavolain’ny mpanefy* ny ampahany tamin’ny tongotr’ilay sarivongana sy ny rantsantongony, fa vy kosa ny ampahany. Dia ho voazarazara toy izany koa ilay fanjakana, nefa ho mafy toy ny vy ny ampahany aminy satria vy nifangaro tanimanga mbola lena no hitanao. 42  Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga. Hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy. 43  Araka ilay hitanao, dia tanimanga mbola lena no nifangaro tamin’ny vy. Mitovy amin’izany koa fa hisy ampahany amin’ilay fanjakana hifangaro amin’ny vahoaka.* Tsy hitambatra amin’ny iray mihitsy anefa ny iray, sahala amin’ny vy tsy mety mitambatra amin’ny tanimanga. 44  “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanangana fanjakana+ iray ilay Andriamanitry ny lanitra. Tsy ho rava mihitsy izy io+ sady tsy homena olon-kafa.+ Dia hotorotoroin’io fanjakana io sy hofoanany ny fanjakana hafa rehetra,+ fa izy irery ihany no haharitra mandrakizay.+ 45  Araka ilay hitanao mantsy, dia nisy vato nendahana avy tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahana tamin’ny tanana. Dia notorotoroin’ilay vato ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy, ary ny volamena.+ Koa nampahafantarin’ilay Andriamanitra Be Voninahitra tamin’ny mpanjaka ny zavatra hitranga any aoriana any.+ Tsy maintsy ho tanteraka ilay nofy, ary azo itokisana ny dikany.” 46  Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara Mpanjaka, sady nanome voninahitra azy. Ary nanome baiko izy hoe homena fanomezana i Daniela sady handoroana emboka manitra. 47  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: “Tena Andriamanitry ny andriamanitra tokoa ilay Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina, satria vitanao ny nampahafantatra an’ilay zava-miafina.”+ 48  Nomen’ny mpanjaka toerana ambony i Daniela avy eo, sady nomeny fanomezana tena tsara be dia be. Notendreny ho filohan’ny faritanin’i Babylona+ koa izy, sady ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetra tao Babylona. 49  Ary notendren’ny mpanjaka hitantana ny raharaham-panjakana tao amin’ny faritanin’i Babylona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego,+ noho ny fangatahan’i Daniela. I Daniela kosa nanompo tao an-dapan’ny mpanjaka.

Fanamarihana

Izany hoe olona maromaro nahay nisikidy sy nanandro.
Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny Da 2:4b ka hatramin’ny 7:28, tamin’ny voalohany.
Na mety hoe “fanariam-pako; fanariana taim-biby.”
Abt: “amin’ny nofo.”
Na: “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”
Abt: “ny eritreritra tao am-ponao.”
Na: “tanimanga nodorana (novolavolaina).”
Na: “mpanefy tanimanga.”
Na: “taranak’olombelona”, izany hoe ny sarambabem-bahoaka.