Hosea 2:1-23

  • Hosazina ny Israely fa nivadika (1-13)

  • Ho vadin’i Jehovah indray (14-23)

    • “Hiantso ahy hoe Vadiko ianao” (16)

2  “Lazao amin’ny rahalahinareo hoe: ‘Vahoakako*+ ianareo!’, Ary amin’ny anabavinareo hoe: ‘Vehivavy namindrana fo*+ ianareo!’   Teneno mafy ny reninareo! Teneno mafy izy,Fa tsy vadiko intsony,+ ary izaho tsy vadiny. Tsy tokony hijangajanga* intsony izy,Ary tsy tokony hanitsakitsa-bady intsony.*   Raha tsy izany dia hataoko miboridana izy, sady hataoko toy ny tamin’izy vao teraka.Ary hataoko hoatran’ny tany efitraSy tany tsy misy rano izy,Ka hataoko matin’ny hetaheta.   Ary tsy hamindrako fo ny zanany,Satria azony avy tamin’ny fijangajangana.*   Nijangajanga*+ mantsy ny reniny, Ary nanao zavatra mahamenatra+ ilay niteraka azy ireo. Fa hoy izy:‘Hanaraka an’ireny lehilahy niarahako ireny+ aho,Dia ireo manome ahy mofo sy rano,Lamba volonondry sy lamba rongony, ary menaka sy zava-pisotro.’   “Hosakanako amin’ny fefy tsilo àry ny lalany,Dia hanangana rindrim-bato aho hanakanana azy,Mba tsy hahitany ny lalany.   Hanenjika an’ireny lehilahy niarahany ireny izy, fa tsy hahatratra azy,+Ary hitady an’ireny, fa tsy hahita. Dia hilaza izy hoe: ‘Andeha hiverina any amin’ny vadiko* aho.+Niadana erỳ aho mantsy tamin’izany, fa tsy hoatran’ny amin’izao.’+   Tsy noeritreretiny anefa hoe izaho no nanome azy varimbazaha+ sy divay vaovao ary menaka.Izaho koa no nanome azy volafotsy be dia be,Sy volamena, izay samy nampiasainy tamin’izy nanompo an’i Bala.+   ‘Hiverina àry aho dia halaiko ny varimbazahako rehefa tonga ny fotoam-pijinjana,Ary halaiko ny divay vaovao rehefa tonga ny fotoana fanamboarana azy.+Ary hendahako ny lamba volonondriko sy ny lamba rongoniko izay nanaronany ny fitanjahany. 10  Hataoko miharihary ny fivaviany mba ho hitan’ireny lehilahy niarahany ireny,Ary tsy hisy olona hahavonjy azy eto an-tanako.+ 11  Hataoko tsy misy intsony ny zavatra mahafaly azy:Ny fetiny,+ ny tsinam-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny hafa rehetra. 12  Ary hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nolazainy hoe: “Ireo ange ny karama nomen’ireny lehilahy niarahako ireny e!”Dia hataoko ho lasa ala ireo,Ka ho lanin’ny bibidia. 13  Dia hofaiziko izy satria nanokana andro hanaovana sorona ho an’ny sarin’i Bala.+Nihaingo izy tamin’izay ka nanao peratra sy firavaka, ary nanenjika an’ireny lehilahy niarahany ireny.Izaho anefa hadinony’,+ hoy i Jehovah. 14  ‘Koa handresy lahatra azy aho,Ka hitarika azy ho any an-tany efitra,Ary hilaza teny mamy aminy. 15  Aorian’izay dia haveriko aminy ny tanimboalobony,+Ary ny Lohasahan’i* Akora+ no vavahady hidirany ao amin’ilay tany nandrandrainy.Ary eo izy no hamaly ny teniko, toy ny tamin’ny andro fahatanoranySy tamin’ny andro nivoahany avy tany Ejipta.’+ 16  Hoy i Jehovah: ‘Amin’izany andro izany,Dia hiantso ahy hoe Vadiko ianao, fa tsy hoe Tompoko* intsony.’ 17  ‘Tsy havelako hanonona+ ny anaran’ireny Bala ireny intsony izy,Ka tsy hotsarovana intsony ny anaran’ireny.+ 18  Amin’izany andro izany, dia hanao fifanekena mba hahasoa ny vahoakako aho, dia fifanekena amin’ny bibidia+Sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, ary ny biby mandady amin’ny tany.+Hofoanako tsy hisy eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+Ary hataoko milamina tsara ilay tany ka tsy hisy hampatahotra azy.+ 19  Halaiko ho vady mandrakizay ianao.Ary mivoady aho fa hanao ny rariny sy ny hitsiny aminao,Dia ho tia anao foana* sy hamindra fo aminao.+ 20  Mivoady koa aho fa tsy hivadika aminao.Dia ho fantatrao tsara i Jehovah.’+ 21  ‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah,‘Dia homeko an’izay zavatra hangatahiny ny lanitra.Ary ny lanitra indray hanome an’izay zavatra hangatahin’ny tany.+ 22  Ny tany kosa hanome varimbazaha sy divay vaovao ary menaka.Dia hahazo an’ireo zavatra hangatahiny ireo i Jezirela.*+ 23  Hafafiko amin’ny tany toy ny voa afafy izy, ka ho ahy izy sy ny vokatra avy aminy.+Ary hamindrako fo ilay* tsy namindrana fo.*Dia hiteny amin’izay tsy vahoakako* aho hoe: “Vahoakako ianareo”,+ Ary izy ireo hanao hoe: “Andriamanitray ianao.”’”+

Fanamarihana

Jereo Ho 1:6 f.a.p.
Jereo Ho 1:9 f.a.p.
Na: “hivaro-tena.”
Abt: “Ary tokony hesoriny tsy ho eo anelanelan’ny nonony ny fanitsakitsaham-bady nataony.”
Na: “fivarotan-tena.”
Na: “Nivaro-tena.”
Na: “vadiko voalohany.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Na: “Balako.”
Na: “ho tia anao sady tsy hivadika aminao.”
Midika hoe “Hamafy Voa Andriamanitra.”
Izany hoe ny vahoakan’Andriamanitra.
Jereo Ho 1:6 f.a.p.
Jereo Ho 1:9 f.a.p.