Isaia 11:1-16

  • Hanao ny rariny ilay rantsan’i Jese (1-10)

    • Hiaraka ny amboadia sy ny zanak’ondry (6)

    • Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany (9)

  • Haverina ny sisa tavela amin’ny vahoaka (11-16)

11  Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.   Ho feno ny fanahin’i Jehovah izy,+Dia fanahy mahatonga azy ho hendry+ sy hahira-tsaina,Fanahy manome azy torohevitra sy hery,+Fanahy manome azy fahalalana sy mahatonga azy hatahotra an’i Jehovah.   Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah.+ Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy,Sady tsy hananatra araka izay henon’ny sofiny.+   Fa hitsara ny mahantra araka ny rariny* izy,Sady hananatra araka ny hitsiny, mba hahasoa ny mpandefitra eto an-tany. Hokapohiny amin’ny tehin’ny vavany+ ny tany,Ary hovonoiny amin’ny fofonain’ny vavany+ ny ratsy fanahy.   Ny fahamarinana no ho fehikibo eo amin’ny andilany.Ho fehikibo eo amin’ny andilany koa ny tsy fivadihana.+   Dia hiaraka tsindraindray amin’ny zanak’ondry ny amboadia,+Hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara,Ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona* ary ny biby nohatavezina,*+Ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.   Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa,Dia hiara-matoritory ny zanany, Ary hihinana mololo toy ny omby ny liona.+   Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono,Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina ny zaza nisara-nono.   Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo,+Sady tsy hanimba na inona na inona eran’ny tendrombohitro masina,+Satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany,Hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.+ 10  Amin’izany andro izany, dia hisy fakan’i Jese+ hitsangana toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ny vahoaka.+ Any aminy ny firenena no hangataka tari-dalana,*+Ary ho be voninahitra ny fonenany.* 11  Amin’izany andro izany, dia mbola hanolotra ny tanany fanindroany i Jehovah, mba hamerenana an’izay sisa tavela amin’ny vahoakany avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara* sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+ 12  Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy, ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra izay niely tamin’ny mponin’i Joda.+ 13  Tsy hialona intsony i Efraima,+Ary haripaka ireo mankahala an’i Joda. I Efraima tsy hialona an’i Joda,Ary i Joda tsy hankahala an’i Efraima.+ 14  Dia hanidina hifaoka remby eny amin’ny tehezan-kavoanan’ny* Filistinina any andrefana izy ireo,Ka hiaraka handroba an’ireo Tatsinanana. Dia hanatsotra ny tanany hamely an’i Edoma+ sy Moaba+ izy ireo,*Ary ho lasa vahoakany ny Amonita.+ 15  Hosarahin’i* Jehovah ny hoalan’ny* ranomasin’i Ejipta,+Ary hambanany amin’ny tanany ny Renirano.*+ Ny fofonainy mahamay no hamelezany azy eo amin’ireo* sampany fito,Dia hataony afaka miampita eo tsy miala kapa akory ny olona. 16  Ary hisy lalambe+ avy any Asyria ho an’izay sisa miangana amin’ny vahoakany, dia izay sisa tavela,+Hoatran’ilay lalambe ho an’ny Israely, tamin’ilay andro nivoahany avy tany Ejipta.

Fanamarihana

Na: “fahamarinana.”
Na: “liona tanora.”
Na mety hoe “Ary hiara-misakafo ny zanak’omby sy ny liona.”
Abt: “toerana fakany aina.”
Na: “Hitady azy ny firenena.”
Izany hoe Babylonia.
Abt: “soroky ny.”
Na: “Dia hofehezin’izy ireo hatramin’i Edoma sy Moaba.”
Na mety hoe “Hamainin’i.”
Abt: “lelan’ny.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “hamelezany azy mba ho lasa.”