Isaia 45:1-25

  • Notendrena handresy an’i Babylona i Kyrosy (1-8)

  • Ny tanimanga tsy tokony hiady amin’ny Mpanefy azy (9-13)

  • Hanaja ny Israely ny firenena hafa (14-17)

  • Azo itokisana i Jehovah: Ny zavaboary sy ny teniny no porofo (18-25)

    • Noforonina mba honenana ny tany (18)

45  Izao no tenin’i Jehovah amin’ilay voahosotra notendreny, dia i Kyrosy,+Ilay notantanako tamin’ny tanany ankavanana,+Mba handresy firenena eo alohany,+Sy hanala ny fiadiana eny amin’ny* mpanjaka,Ary mba hanokatra ny varavarana kopa-droa eo anoloany,Amin’izay tsy hakatona ny vavahady:   “Handeha eo alohanao aho,+Ka hataoko mitovy tantana ny havoana. Hopotipotehiko ny vavahady varahina,Ary hotapahiko ny bara hidiny vy.+   Dia homeko anao ny harena voatahiry ao amin’ny haizina,Sy ny harena afenina ao amin’ny toerana miafina.+Amin’izay ho fantatrao fa izaho no Jehovah,Ilay Andriamanitry ny Israely, izay miantso anao amin’ny anaranao.+   Antsoiko amin’ny anaranao ianao,Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely izay nofidiko. Omeko anarana be voninahitra ianao, na dia tsy nahafantatra ahy akory aza.   Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+ Homeko hery ianao* na dia tsy fantatrao aza aho.   Amin’izay ho fantatry ny olonaHatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany,*Fa tsy misy afa-tsy izaho.+ Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.+   Manao ny hazavana+ sy mamorona ny haizina aho,+Ary mampisy fiadanana+ sy mahatonga loza.+Izaho Jehovah no manao an’izany rehetra izany.   Mandrotsaha orana avy any ambony, ry lanitra!+Aoka handrotsaka fahamarinana ny rahona. Aoka hisokatra koa ny tany ka hamokatra famonjena,Sady hampitsiry fahamarinana.+ Izaho Jehovah no namorona an’izany.”   Hahita loza izay miady* amin’ny Mpanao azy!*Vakim-bilany tanimanga fotsiny mantsy izy,Miaraka amin’ny vakim-bilany hafa eo amin’ny tany. Ny tanimanga ve dia hilaza amin’ny Mpanefy* hoe: “Fa inona koa ity amboarinao?”+ Ary ny zavatra namboarinao ve dia hiteny hoe: “Tsy manan-tanana ianao”?* 10  Hahita loza izay milaza amin’ny rainy* hoe: “Inona ity naterakao?”, Sy miteny amin’ny reniny* hoe: “Fa miteraka inona* koa ity ianao?” 11  Izao no tenin’i Jehovah, Ilay Masin’ny Israely+ sy Ilay namolavola azy: “Ianao ve dia hiady hevitra amiko momba ny zavatra hitranga,Ary hibaiko ahy ny amin’izay tokony hataoko amin’ny zanako+ sy ny asan’ny tanako? 12  Nanao ny tany+ sy namorona ny olona eo amboniny aho.+ Namelatra ny lanitra tamin’ny tanako aho,+Ary manome baiko ny tafiny manontolo.”+ 13  “Nampirisika lehilahy iray aho, satria manao ny rariny.+Hataoko mahitsy ny lalany rehetra. Izy no hanorina ny tanànako,+Sy hanafaka ny vahoakako any an-tsesitany,+ nefa tsy hoe homena vola na tsolotra izy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 14  Izao no tenin’i Jehovah: “Ho tonga any aminao ka ho lasanao ny tombony azon’i* Ejipta,Sy ny entam-barotr’i* Etiopia, ary ny Sabeanina avo ranjanana. Handeha ao aorianao izy ireo, sady mifatotra rojo vy. Ho tonga izy ireo ka hiankohoka eo anatrehanao.+ Hanaja anao izy ireo ka hiteny hoe: ‘Manampy anao tokoa Andriamanitra.+Tsy misy ankoatra azy, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izy.’” 15  Andriamanitra miafina tokoa ianao,Ry Andriamanitry ny Israely sy Mpamonjy!+ 16  Ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo.Handeha sady ho afa-baraka daholo ny mpanamboatra sampy.+ 17  Fa hovonjen’i Jehovah mandrakizay kosa ianareo ry Israely.+ Tsy ho menatra na ho afa-baraka ianareo mandrakizay.+ 18  Fa izao no tenin’i Jehovah,Ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay tena Andriamanitra,Ilay namolavola ny tany sady Mpanao azy ka nanao azy ho mafy orina,+Ary tsy hoe tsy misy antony* ny namoronany azy fa nataony honenana:+ “Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. 19  Tsy tao amin’ny toerana miafina+ tany amin’ny tanin’ny haizina aho no niteny.Tsy niteny tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe:‘Mitadiava ahy, nefa ho very maina izany ezaka ataonareo izany.’ Izaho no Jehovah, ary milaza ny marina sy miteny izay mahitsy aho.+ 20  Mivoria ka avia! Manatòna daholo ianareo afa-nandositra avy any amin’ireo firenena.+ Tsy mahafantatra na inona na inona ireo mitondra sary sokitra mandehandeha,Sy mivavaka amin’andriamanitra tsy mahavonjy azy.+ 21  Manaova tatitra ka resaho ny adinareo, Dia avelao izy ireo hiara-mikaon-doha. Iza no efa nilaza an’izany taloha ela be,Sy niteny an’izany efa hatry ny ela be? Tsy izaho Jehovah ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.Tsy misy Andriamanitra manao ny rariny sy Mpamonjy+ ankoatra ahy.+ 22  Mitadiava ahy, dia ho voavonjy+ ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany,Fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.+ 23  Nianiana tamin’ny tenako aho,Ary marina ny teny navoakan’ny vavako,Ka tsy maintsy ho tanteraka:+ Handohalika eo anatrehako ny olona* rehetra,Ary* hianiana amiko hoe tsy hivadika.+ 24  Hilaza koa izy ireo hoe: ‘Manao ny rariny sy mahery foana i Jehovah. Ho tonga eo anatrehany sady ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25  Ho tsapan’ny taranak’Israely rehetra fa nety ny nanompo an’i Jehovah,+Ary izy no ho reharehan’izy ireo.’”

Fanamarihana

Abt: “hamaha ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny.”
Abt: “Hofatorako mafy ny andilanao.”
Na: “Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
Na: “mifamaly.”
Na: “amin’Ilay namolavola azy.”
Na: “amin’Ilay namolavola azy.”
Na mety hoe “Ary ny tanimanga ve dia hiteny hoe: ‘Tsy misy tahony ilay zavatra nataonao’?”
Na: “raim-pianakaviana iray.”
Na: “vehivavy iray.”
Na: “mihetsi-jaza hiteraka inona.”
Na mety hoe “ny mpiasa avy any.”
Na mety hoe “ny mpivarotra avy any.”
Na mety hoe “tsy hoe tsy hasiana na inona na inona.”
Abt: “lohalika.”
Abt: “Ary ny lela rehetra.”