Salamo 72:1-20

  • Fiadanana hoentin’ilay mpanjaka nofidin’Andriamanitra

    • “Ho be dia be ny olo-marina” (7)

    • Olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina (8)

    • Hanafaka amin’ny herisetra (14)

    • Hahavokatra be ny tany (16)

    • Hoderaina mandrakizay ny anaran’Andriamanitra (19)

Momba an’i Solomona. 72  Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka ny didim-pitsaranao,Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fitiavanao ny rariny.+   Hotsarainy araka ny rariny anie ny vahoakanao,Ary hotsarainy araka ny hitsiny ny madinika!+   Hitondra fiadanana ho an’ny olona anie ny tendrombohitra,Ary hitondra fahamarinana ny havoana!   Aoka izy hiaro* ny madinika eo amin’ny vahoaka,Sy hamonjy ny zanaky ny mahantra,Ary hanorotoro ny mpanambaka.+   Hatahotra anao ny vahoaka, raha mbola misy koa ny masoandroAry raha mbola eo koa ny volana,Hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+   Ho toy ny orana milatsaka eo amin’ny ahitra avy notapahina izy,Tahaka ny oram-be mandena ny tany.+   Amin’ny andro anjakany, dia ho be dia be* ny olo-marina,+Ary ho be ny fiadanana+ mandra-paha tsy hisy volana intsony.   Hisy olom-peheziny* hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina,Ary hatrany amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+   Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an-tany efitra,Ary hilelaka vovoka ny fahavalony.+ 10  Handoa hetra ireo mpanjakan’i Tarsisy sy ny mpanjakan’ireo nosy.+ Ary hanolotra fanomezana ireo mpanjakan’i Sheba sy ireo mpanjakan’i Seba.+ 11  Hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,Ary hanompo azy ny firenena rehetra. 12  Fa hovonjeny ny mahantra miantso vonjy,Sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. 13  Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy,Ary hamonjy ny ain’ny mahantra. 14  Hanafaka* azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy,Ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireo. 15  Ho ela velona anie izy, ka homena volamena avy any Sheba.+ Enga anie ka hisy hivavaka ho azy foana,Ary hotahina tontolo andro anie izy! 16  Hahavokatra be ny tany;+Ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza. Hamokatra toy ny any Libàna ny taniny,+Ary hiroborobo toy ny zavamaniry amin’ny tany ny olona ao an-tanàna.+ 17  Haharitra mandrakizay anie ny anarany,+Ary hihamalaza anie izany raha mbola misy koa ny masoandro! Enga anie ny olona hahazo fitahiana amin’ny alalany,+Ary ny firenena rehetra hilaza hoe: “Sambatra izy!” 18  Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Israely!+Izy irery ihany no manao zava-mahagaga.+ 19  Hoderaina mandrakizay anie ny anarany be voninahitra,+Ary enga anie ny voninahiny hameno ny tany manontolo!+ Amena! Amena! 20  Mifarana eto ny vavak’i Davida, zanak’i Jese.+

Fanamarihana

Abt: “hitsara.”
Abt: “hitsimoka.”
Na: “Izy dia hanjaka.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “Hanavotra.”