Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA: MAMPATAHOTRA VE NY FARA ANDRO?

Tsy Andrinao sa Mampatahotra Anao sa Mandiso Fanantenana Anao ny Fara Andro?

Tsy Andrinao sa Mampatahotra Anao sa Mandiso Fanantenana Anao ny Fara Andro?

Maro no nilaza fa tamin’ny 21 Desambra 2012 no tonga ny fara andro. Tsy vao tamin’io ny olona no nanombantombana ny fara andro ka hoe diso ilay izy. Mahatsiaro ho maivamaivana àry ve ianao izao, satria tsy niseho ny zavatra tena natahoranao? Sa ianao diso fanantenana fa tsy araka izay nantenainao no nitranga? Sa tsy hiraharaha an’izany fara andro izany intsony ianao, satria toa ela loatra ilay izy?

Inona kosa no lazain’ny Baiboly momba ny “faran’izao tontolo izao”? (Matio 24:3, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, anglisy) Misy matahotra hoe ho may ny tany amin’izany. Ny sasany indray tena te hahafantatra hoe inona no hitranga amin’izany. Maro kosa no leo be rehefa maheno hoe akaiky ny fara andro. Tena hitranga tokoa ve anefa ny fara andro sa resaka fotsiny?

Mety ho gaga ianao raha fantatrao izay tena lazain’ny Baiboly momba ny fara andro. Lazainy ao fa tokony hiandrandra azy io isika. Voalaza ao koa anefa fa mety ho diso fanantenana ny olona sasany raha hoatran’ny ela loatra ilay izy vao tonga. Be dia be ny fanontaniana fametraky ny olona mahakasika izany. Andeha àry isika hijery izay lazain’ny Baiboly.

Ho may ve ny tany dia ho potika?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? [Naorin’Andriamanitra] ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.”SALAMO 104:5.

Tsy ho potika mihitsy ny tany, na amin’ny afo na amin’ny zavatra hafa. Milaza kosa ny Baiboly fa natao honenan’ny olona mandrakizay izy io. Hoy mantsy ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 115:16; Isaia 45:18.

Rehefa avy namorona ny tany Andriamanitra, dia nilaza fa “tena tsara” izy io. Mbola hoatr’izany ihany no fahitany azy io amin’izao. (Genesisy 1:31) Tsy mieritreritra ny hamotika ny tany mihitsy izy, ary tsy hamela azy io ho potika mandrakizay. “Izay manimba ny tany” kosa no haringany.—Apokalypsy 11:18.

Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Inona àry no dikan’ny 2 Petera 3:7, hoe: “Tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny”? Tsy midika ve izany fa hodorana ny tany?’ Imbetsaka aloha ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe “lanitra” sy “tany” ary “afo” e! Tsy ara-bakiteny anefa izy ireny indraindray, fa entiny anondroana zavatra hafa. Izao, ohatra, no lazain’ny Genesisy 11:1: “Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo.” Olona no tiana horesahina eo, fa tsy ny “tany” ara-bakiteny.

Tsy ara-bakiteny koa ny lanitra sy tany ary afo resahin’ny 2 Petera 3:7. Milaza mantsy ny andininy 5 sy 6 fa ravan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa ny tontolo tamin’izany fotoana izany, izany hoe ny lanitra sy ny tany tamin’izany. Mbola misy anefa ny tany hatramin’izao. Ny olona ratsy fanahy àry ilay hoe “tany” noravan’ny Safodrano, ary ny mpitondra tamin’izany kosa ilay hoe “lanitra.” (Genesisy 6:11) Toy izany koa no tian’ny 2 Petera 3:7 holazaina. Ny olona ratsy fanahy sy ny fitondrana manao ny tsy marina ankehitriny no horinganina mandrakizay, toy ny hoe hodorana amin’ny afo.

Inona no hitranga amin’ny fara andro?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”1 JAONA 2:17.

Tsy ity planeta ity ilay hoe “izao tontolo izao” mandalo, fa izay rehetra tsy mankatò an’Andriamanitra. Raha misy olona voan’ny kansera, ohatra, dia ny fivontosana aminy no hesorin’ny dokotera mba hamonjena azy. Toy izany koa fa ny ratsy fanahy no horinganin’Andriamanitra mba ho afaka hiadana be eto an-tany ny tsara fanahy. (Salamo 37:9) Misy mahatsara azy ihany àry ny “faran’izao tontolo izao.”

Mampiseho an’izany hevitra izany koa ny fomba nandikana an’ilay hoe “faran’izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly sasany. Nadika hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” na “faran’ny vanim-potoana” izy io. (Matio 24:3; Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena, anglisy) Hitantsika teo fa tsy ho potika mihitsy ity tany ity ary hisy tsara fanahy foana hiaina eto. Raha izany àry, dia hisy vanim-potoana vaovao na tontolo vaovao aorian’ny fara andro. Manamarina izany ny Baiboly satria miresaka momba ny “tontolo ho avy” izy io.—Lioka 18:30.

Nantsoin’i Jesosy hoe “fotoanan’ny fanavaozana” io vanim-potoana vaovao io. Hataony mitovy amin’izay nokasain’Andriamanitra tany am-boalohany ny fiainan’ny olombelona amin’izay. (Matio 19:28) Ho sambatra isika satria:

Tsy hatahotra ny fara andro àry isika raha “manao ny sitrapon’Andriamanitra”, fa vao mainka aza tsy ho andrintsika izany.

Efa akaiky tokoa ve ny fara andro?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Rehefa hitanareo fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’LIOKA 21:31.

Hoy ny Profesora Richard Kyle ao amin’ny boky Tonga Indray ny Andro Farany (anglisy): “Lasa maminavina ny fara andro ny olona rehefa mahita ny korontana sy ny fiovana be tampoka eo amin’izao tontolo izao.” Izany mihitsy no ataon’ny olona, indrindra rehefa tsy hitany izay hanazavana an’ilay fiovana.

Miresaka momba ny fara andro koa ny mpaminany ao amin’ny Baiboly. Tsy hoe niezaka nanazava ny heviny momba ny zava-dratsy nitranga tamin’ny androny anefa izy ireo. Ny fanahy masin’Andriamanitra kosa no nahatonga azy ireo hilaza hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa akaiky ny fara andro. Ireto ny santionany amin’izany, ary eritrereto hoe iza amin’ireto izao no efa tanteraka:

  • Hisy ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mifindra hahafaty olona be dia be.—Matio 24:7; Lioka 21:11.

  • Hitombo be ny heloka bevava.—Matio 24:12.

  • Ho simba ny tany vokatry ny ataon’ny olombelona.—Apokalypsy 11:18.

  • Ho tia tena ny olona, ho tia vola, ary ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.—2 Timoty 3:2, 4.

  • Tokantrano maro no ho rava.—2 Timoty 3:2, 3.

  • Tsy horaharahain’ny ankamaroan’ny olona ny porofo hoe efa akaiky ny farany.—Matio 24:37-39.

  • Hotorina eran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14.

Nilaza i Jesosy fa rehefa mahita “izany rehetra izany” isika, dia tokony ho tonga saina hoe efa akaiky ny farany. (Matio 24:33) Tena mino an’ireny porofo ireny ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitory any amin’ny tany 236.

Raha tsy tonga tamin’ny fotoana noeritreretintsika ny fara andro, midika ve izany fa tsy ho tonga mihitsy izy io?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.”1 TESALONIANINA 5:3.

Tsy afa-miala amin’ny fanaintainana ny vehivavy mihetsi-jaza sady tonga tampoka izany. Mitombo foana ny porofo hamantarany hoe efa akaiky ho teraka izy. Mety hanombantombana ny daty hahaterahany koa ny dokotera. Na tsy teraka tamin’iny fotoana iny aza anefa izy, dia azony antoka fa tsy maintsy ho teraka ihany tsy ho ela. Toy izany koa no hitranga amin’ity tontolo ity rehefa ho rava. Manombantombana ny daty hahatongavan’izany ny olona ankehitriny. Na tsy marina aza anefa ireny daty ireny, dia marina foana ny porofo hoe “andro farany” izao, ary efa akaiky ny fara andro.—2 Timoty 3:1.

Hoy angamba ianao: ‘Raha efa mibaribary be hoatr’izany ny porofo fa efa akaiky ny farany, nahoana ny olona no tsy manaiky an’izany?’ Efa nilaza ny Baiboly fa arakaraka ny hanatonan’ny farany no tsy hiraharahan’ny olona an’izany. Tsy ekeny hoe famantarana ny andro farany ny fiovana be hitany. Aleony kosa maneso hoe: “Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.” (2 Petera 3:3, 4) Efa miharihary toy ny vay an-kandrina àry ny porofo fa andro farany izao, fa ny olona no tsy te hahalala izany.—Matio 24:38, 39.

Maro ny zavatra lazain’ny Soratra Masina manaporofo fa efa tena akaiky ny farany, fa ny sasany ihany no noresahina teo. a Raha te hahafantatra bebe kokoa an’izany ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho faly izy ireo hampianatra Baiboly anao any an-tranonao na any an-toeran-kafa mety aminao na an-telefaonina. Tsy handoavam-bola izany fa mila manokana fotoana kely fotsiny ianao. Hitondra soa be dia be ho anao izany.

a Manazava bebe kokoa an’izany ny toko 9 hoe “ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?” ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.