Jeremia 10:1-25

  • Ny tsy itovizan’ny andriamanitr’ireo firenena sy ilay Andriamanitra velona (1-16)

  • Efa ho ringana sy hatao sesitany (17, 18)

  • Nalahelo be i Jeremia (19-22)

  • Vavak’ilay mpaminany (23-25)

    • Tsy afaka mitondra samirery ny fiainany ny olona (23)

10  Henoy ny teny fanamelohan’i Jehovah anareo, ry taranak’Israely!  Izao no lazain’i Jehovah: “Aza mianatra ny fomban’ireo firenena,+Ary aza matahotra be an’ireo famantarana eny amin’ny lanitraSatria hoe matahotra be azy ireny ireo firenena.+   Fa fitaka* ny fanaon’ireo firenena. Hazo nokapaina tany an’ala fotsiny ilay izy,Dia namboarin’ny mpanao asa tanana tamin’ny fitaovany.*+   Ravahany volafotsy sy volamena ilay izy,+Ary nakambany tamin’ny marotoa sy fantsika mba tsy hianjera.+   Hoatran’ny sariolona fampitahoram-borona eny amin’ny sahan-kôkômbra ireny, ka tsy afa-miteny.+Tsy maintsy bataina ireny satria tsy afa-mamindra.+ Aza matahotra azy, fa sady tsy afaka manisy ratsy irenyNo tsy afaka manisy soa.”+   Tsy misy hoatr’anao, Jehovah ô!+ Tena miavaka ianao, ary be voninahitra sy mahery ny anaranao.   Iza no tsy hatahotra anao, ry Mpanjakan’ireo firenena+ ô? Fa mendrika an’izany ianao.Fa tsy misy toa anao mihitsyEo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena sy eo amin’ny fanjakany rehetra.+   Sady adala no tsy misaina daholo izy ireo.+ Fitaka* tanteraka ny zavatra ampianarin’ny hazo.+   Nohafarana avy any Tarsisy+ ny volafotsy nofisahina, ary avy any Ofaza ny volamena.Namboarin’ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy ireny. Kofehy manga sy volonondry volomparasy no nanaovana ny fitafiany. Asa tanan’olona mahay izy rehetra. 10  I Jehovah kosa no tena Andriamanitra. Izy no Andriamanitra velona+ sy Mpanjaka mandrakizay.+ Hihovotrovotra ny tany noho ny fahatezerany,+Ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany. 11  * Izao no holazainareo amin’izy ireo: “Ho fongana tsy ho eto an-tany sy etỳ ambanin’ny lanitraIreo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany.”+ 12  Izy Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny,Dia Ilay nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny,+Sy namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.+ 13  Rehefa ataony heno ny feony,Dia misamboaravoara ny rano eny amin’ny lanitra,+Ary mampiakatra rahona* avy any amin’ny faran’ny tany izy.+ Manao tselatra* ho an’ny orana izy,Ary avoakany avy ao amin’ny trano fitehirizany azy ny rivotra.+ 14  Tsy misaina ny olona rehetra sady manaonao foana. Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+Fitaka fotsiny mantsy ny sarivongana metaly* nataony,Sady tsy mananaina.*+ 15  Sandoka* fotsiny ireny sady ihomehezan’ny olona.+ Ho fongana ireny rehefa tonga ny andro hanasaziana azy. 16  Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran’i Jakoba,Fa izy Ilay nanao ny zava-drehetra,Ary ny Israely no tehin’ny lovany.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+ 17  Angony ny entanao eo amin’ny tany,Ry vehivavy natao fahirano! 18  Fa izao no lazain’i Jehovah: “Hatsipiko* ho any ivelan’ny taniny ny mponina, amin’ity indray mandeha ity,+Ary hataoko mahita faisana.” 19  Idiran-doza aho fa maratra!*+ Tsy mety sitrana mihitsy ny ratrako. Dia hoy aho: “Efa izao no aretiko, ka dia hozakaiko. 20  Rava ny tranolaiko ary nisy nanapaka daholo ny tady fanenjanana azy.+ Nandao ahy ireo zanako ka tsy eo intsony.+ Tsy misy tavela mba hanenjana ny tranolaiko na hanangana azy. 21  Tsy misaina ireo mpiandry ondry,+Sady tsy manontany an’i Jehovah.+ Tsy malina àry izy ireo rehefa manao zavatra,Ka miparitaka daholo ny andian’ondriny.”+ 22  Henoy! Izany misy filazana! Migodongodona mafy avy any amin’ilay tany any avaratra+ ny fahavalo,Mba hahatonga an’ireo tanànan’i Joda ho aolo sy ho lasa fonenan’ny alikadia.+ 23  Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.+ 24  Ahitsio araka izay hitanao hoe rariny aho, Jehovah ô,Fa aza atao amim-pahatezerana,+ sao lasa ataonao tsinontsinona aho.+ 25  Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy miraharaha anao+Sy ireo foko tsy miantso ny anaranao. Fa naripak’izy ireo i Jakoba.+Naripak’izy ireo izy ka saika fongana tanteraka,+Ary noravany ny taniny.+

Fanamarihana

Na: “zava-poana.”
Na: “antsy fanaovany sokitra.”
Na: “Zava-poana.”
Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny and. 11, tamin’ny voalohany.
Na mety hoe “vavahadin-drano.”
Na: “etona.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Na: “manam-pofonaina.”
Na: “Zava-poana.”
Na: “Hatorako hoatran’ny vatom-pilotra.”
Na: “tapaka.”