Salamo 98:1-9

  • Mpamonjy sy Mpitsara manao ny rariny i Jehovah

    • Nampahafantarina ny famonjen’i Jehovah (2, 3)

Hira. 98  Mihirà hira vaovao ho an’i Jehovah,+Fa nanao zava-mahagaga izy.+ Nahavonjy* ny tanany ankavanana, dia ny sandriny masina.+   Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah;+Naharihariny teo anatrehan’ireo firenena ny fahamarinany.+   Tadidiny hoe tiany ny taranak’Israely sady tsy nivadika tamin’izy ireo izy.+ Nahita ny famonjen’Andriamanitsika* ny vazan-tany efatra.+   Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry tany manontolo. Mifalia sy mihobia ary manaova hira fiderana.*+   Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah amin’ny harpa,Eny, amin’ny harpa sy ny hira mahafinaritra.   Tsofy ny trompetra sy ny anjombona,+Ka manaova horakora-pandresena eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia i Jehovah.   Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,Ary ny tany* sy izay monina eo aminy.   Aoka hitehaka ny renirano;Aoka ny tendrombohitra hiara-mihoby+   Eo anatrehan’i Jehovah, fa tonga* hitsara ny tany izy. Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina,*+Ary hotsarainy araka ny hitsiny ireo firenena.+

Fanamarihana

Na: “Nahazoany fandresena.”
Na: “fandresen’Andriamanitsika.”
Na: “mitendre mozika.”
Na: “Mitendre mozika.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “efa tonga.”
Na: “tany lonaka.”