Ho An’ny Romanina 13:1-14

  • Ekeo ny manam-pahefana (1-7)

    • Fandoavana hetra (6, 7)

  • Izay tia ny namany dia manatanteraka ny Lalàna (8-10)

  • Aoka isika hitondra tena hoatran’ny amin’ny andro mazava (11-14)

13  Aoka ny olona rehetra rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana,+ fa avy amin’Andriamanitra daholo ny fahefana rehetra.+ Andriamanitra mantsy no namela ny manam-pahefana ho eo amin’ny toerany avy.+  Izay manohitra ny fahefana àry dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra. Ary izay manohitra an’izany lamina izany dia homelohina, ka ny nataony ihany no mahatonga azy homelohina.  Fa tsy atahoran’izay manao ny tsara ny mpitondra, fa atahoran’izay manao ratsy.+ Tianao ve raha hoe tsy matahotra ny manam-pahefana ianao? Izay tsara foana àry atao+ dia hoderainy ianao.  Fa mpanompon’Andriamanitra izy ary mitondra soa ho anao. Raha manao ratsy anefa ianao dia matahora, fa misy antony matoa izy mitondra sabatra. Mpanompon’Andriamanitra mantsy izy, ary nomena fahefana hanasazy an’izay manao ratsy.*  Tena misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana àry, tsy hoe noho izany sazy* izany ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretanareo koa.+  Izany koa no antony andoavanareo hetra. Fa mpanompon’Andriamanitra miasa ho an’ny vahoaka izy ireo, ary izany foana no asany.  Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony haloa aminy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra,+ ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana,+ ary ny haja ho an’izay tokony hohajaina.+  Aza avela hisy trosan’olona mihitsy any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany.+ Izay tia ny namany mantsy dia manatanteraka ny lalàna.+  Fa ny lalàna hoe: “Aza manitsakitsa-bady,+ aza mamono olona,+ aza mangalatra,+ ary aza mitsiriritra”+ sy ny didy hafa rehetra, dia efa voafintina amin’ilay didy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+ 10  Tsy mba manisy ratsy ny namany izay manam-pitiavana.+ Izay tia olona àry no manatanteraka ny lalàna.+ 11  Ataovy izany nolazaiko taminareo izany, satria fantatrareo izao fotoana misy antsika izao. Efa izao mantsy ny ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso.+ Efa akaiky noho ny tamin’isika lasa mpino ny famonjena antsika amin’izao. 12  Efa ho lasa ny alina, ka efa ho maraina ny andro. Andao àry isika hiala amin’ny* zava-dratsy fanaon’olona ao amin’ny maizina,+ ka hampiasa* ny fitaovam-piadian’ny mazava.+ 13  Aoka isika hitondra tena tsara+ hoatran’ny amin’ny andro mazava, ka tsy hanao fety tsy voafehy,* tsy ho mamo, tsy hijangajanga, tsy hitondra tena hoatran’ny olona tsy misy henatra,*+ tsy hifamaly amin’olona, ary tsy hialona.+ 14  Tafio kosa ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo,+ ary aza manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo.+

Fanamarihana

Na: “hampihatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’izay manao ratsy.”
Abt: “hatezerana.”
Abt: “hanaisotra ny.”
Abt: “hitafy.”
Fety feno olona tsy mahafehy tena fa manaram-po amin’ny ratsy.
Izany hoe tsy haditra hoatran’ny olona efa lany henatra sy sahisahy manao ratsy. Jereo F.T. “Fitondran-tena tsy misy henatra.”