Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-12

Nampahery Azy Andriamanitra

Nampahery Azy Andriamanitra

1, 2. Inona no nitranga tamin’ilay andro niavaka indrindra tamin’i Elia?

NIHAZAKAZAKA ho any Jezirela i Elia. Avy be ny orana sady nihamaizina ny andro, nefa mbola lavitra ny lalana. Tsy reraka mihitsy anefa izy, na dia efa antitra aza, satria ‘nomba azy ny tanan’i Jehovah.’ Mbola tsy nahatsiaro ho natanjaka be hoatr’izany izy hatrizay niainany. Na ireo soavaly nitarika ny kalesin’i Ahaba Mpanjaka aza resiny.—Vakio ny 1 Mpanjaka 18:46.

2 Alao sary an-tsaina ange e! Mifafy eny amin’ny tarehiny ny orana, ka akimpikimpiny ny masony. Efa tsy tazany intsony ny Tendrombohitra Karmela. Mihazakazaka izy sady mieritreritra hoe andro niavaka indrindra teo amin’ny fiainany iny androany iny. Nahazo fandresena lehibe mantsy i Jehovah Andriamaniny sy ny fivavahana marina. Nasain’i Jehovah nanao fahagagana izy tany Karmela, mba hanaporofoana fa diso ny fivavahana tamin’i Bala. Mpaminanin’i Bala an-jatony no novonoina satria mpamitaka. Nivavaka i Elia avy eo ka avy ny orana. Tapitra teo àry ilay hain-tany naharitra telo taona sy tapany!—1 Mpanj. 18:18-45.

3, 4. a) Nahoana i Elia no be fanantenana be? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

3 Faly erỳ angamba i Elia nanavatsava an’ilay lalana 30 kilaometatra. Mety ho nanantena izy fa hiova amin’izay ny zava-drehetra. Na i Ahaba aza tokony hiova koa. Efa ireny kosa ve no zavatra hitan’ny masony nandritra an’ilay andro, dia mbola tsy hiova ihany izy! Tsy tokony hivavaka amin’i Bala intsony izy. Tokony hosakanany aza i Jezebela vadiny, mba tsy hanenjika ny mpanompon’i Jehovah.

‘Nihazakazaka teo alohan’i Ahaba i Elia mandra-pahatongany tany Jezirela’

4 Ara-dalàna izany eritreritr’i Elia izany, satria “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany” izy. (Jak. 5:17) Lasa be fanantenana be mantsy isika rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Mieritreritra isika hoe ho tsara amin’izay ny fiainana, ka ho  voavaha daholo ny olana mahazo antsika. Nivadika anefa ny rasa. Afaka ora vitsy monja, dia lasa kivy tanteraka i Elia ary natahotra be ka te ho faty mihitsy. Fa inona no nitranga? Ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy mba hanana finoana sy herim-po indray?

Zava-nitranga tsy nampoizina

5. Mba nandray lesona ve i Ahaba ka lasa nanaja an’i Jehovah? Hazavao.

5 Tonga tany amin’ny lapany tao Jezirela i Ahaba. Tsy niova akory anefa izy. Hoy ny 1 Mpanjaka 19:1: “Nolazain’i Ahaba tamin’i Jezebela daholo ny nataon’i Elia, sy ny namonoan’i Elia ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.” Mariho fa tsy nanonona hoe Jehovah mihitsy i Ahaba. Nolazainy kosa fa “nataon’i Elia” ilay fahagagana, izany hoe avy amin’olombelona fotsiny no niheverany an’ilay izy. Tsy mba nandray lesona àry izy ka tsy nanaja an’i Jehovah. Ary inona kosa no nafitsoky ny vadiny?

6. Inona ny hafatr’i Jezebela ho an’i Elia, ary nahoana ilay izy no tena nampatahotra?

6 Romotra be i Jezebela ka nandefa hafatra tany amin’i Elia hoe: “Hofaizin’ireo andriamanitra anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko sahala amin’ny ain’ny tsirairay amin’ireny ny ainao rahampitso toy izao!” (1 Mpanj. 19:2) Nampatahotra tokoa izany! Nivoady i Jezebela hoe izy no hovonoina raha tsy matiny ny ampitson’io ihany i Elia. Alao sary an-tsaina i Elia tao amin’ny trano tsotsotra iray tao Jezirela. Mbola iny natory tsara iny izy no tonga ny irak’i Jezebela mba hampita an’ilay hafatra nampahatahotra. Ny orana amin’io mbola avy be. Nanao ahoana re ny fihetseham-pony e?

Sady kivy no natahotra

7. Inona no tsapan’i Elia rehefa norahonan’i Jezebela izy, ary inona no nataony?

7 Diso fanantenana be angamba i Elia. Hay mbola tsy resy ny fivavahana tamin’i Bala! Tsy nanaiky mihitsy i Jezebela. Efa be dia be ny mpaminanin’i Jehovah novonoiny, ka anjaran’i Elia indray izao. “Natahotra” àry i Elia. Nalainy sary an-tsaina angamba hoe hahatsiravina be ny fomba hamonoana azy. Mety ho nieritreritra an’izany foana izy, ka vao mainka kivy be. Lasa àry izy “nandositra mba hamonjy ny ainy.”—1 Mpanj. 18:4; 19:3.

Aza eritreretina be izay zavatra mampahatahotra anao, raha te hanana herim-po ianao

8. a) Inona no itovizan’i Elia sy Petera? b) Inona no ianaranao avy amin’izy ireo?

8 Tsy vao i Elia irery no olona nanam-pinoana nefa resin’ny  tahotra. Izany koa no nanjo ny apostoly Petera, rehefa navelan’i Jesosy handeha teo ambony rano izy mba hankeny aminy. Natahotra izy nony “nahita ny tafio-drivotra”, ka tsy nanana herim-po intsony ary nanomboka nilentika. (Vakio ny Matio 14:30.) Aza eritreretina be àry izay zavatra mampahatahotra anao, raha te hanana herim-po ianao. Tadidio kosa fa eo foana i Jehovah, ary izy no manome fanantenana sy hery anao.

“Aoka izay!”

9. Nanao ahoana ny dian’i Elia, ary inona no tsapany tamin’izay?

9 Natahotra loatra i Elia ka nandositra tany Beri-sheba, 150 kilaometatra eo ho eo any atsimoandrefana, akaikin’ny sisin-tanin’i Joda. Navelany tany ny mpanompony ary lasa indray izy nankany an-tany efitra. Nandeha “lalana indray andro” izy ka mety ho niainga vao maraina be, ary azo antoka fa tsy nahatondra vatsy akory. Natahotra sady kivy izy, ka nanezakezaka nitsoaka. Ny andro amin’io migaingaina be nefa ilay toerana sarotra andehanana. Vizana be àry izy rehefa nody ny masoandro. Naka aina teo ambany anjavidy iray izy, satria teo no mba azony nipetrapetrahana.—1 Mpanj. 19:4.

10, 11. a) Inona no dikan’ilay hoe “tsy tsara noho ny razako aho”? b) Inona ny andinin-teny manaporofo fa maro ny olona nanam-pinoana nefa kivy?

10 Kivy loatra i Elia ka nivavaka mba ho faty. Hoy izy: “Tsy tsara noho ny razako aho.” Efa vovoka ny razany, ary tsy afaka manao na inona na inona intsony. (Mpito. 9:10) Nahatsiaro ho tsy nisy dikany toy izany àry izy, ka nahateny mihitsy hoe: “Aoka izay!” Inona intsony tokoa moa no mbola antony iainany?

11 Gaga ve ianao hoe misy mpanompon’Andriamanitra kivy hoatr’izany? Efa be dia be fahiny ny mpanompony nalahelo be ka te ho faty mihitsy, ohatra hoe i Rebeka, Jakoba, Mosesy, ary Joba.—Gen. 25:22; 37:35; Nom. 11:13-15; Joba 14:13.

12. Ahoana no hanahafanao an’i Elia raha kivy be ianao?

12 Tena “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Tsy mahagaga àry raha maro no kivy be indraindray, eny fa na ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika aza. Raha kivy àry ianao, dia resaho amin’i Jehovah izay rehetra ao am-ponao, toy ny nataon’i Elia. Izy mantsy no “Andriamanitry ny fampiononana  rehetra.” (Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.) Nampionona an’i Elia tokoa ve anefa izy?

Nanampy an’ilay mpaminaniny i Jehovah

13, 14. a) Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny anjely iray mba hanambatambazana an’i Elia? b) Nahoana no mampahery anao hoe fantatr’i Jehovah isika tsirairay, ary na ny zavatra tsy vitantsika aza?

13 Nangoraka i Jehovah rehefa nahita an’ilay mpaminaniny nitoloko teo ambanin’ilay hazo sady niangavy mba ho faty. Naniraka anjely izy rehefa resin-tory i Elia. Namoha azy moramora ilay anjely sady niteny hoe: “Miarena ka mihinàna.” Efa nisy mofo mafana sy rano nataon’ilay anjely vonona teo. Nihinana sy nisotro an’ilay izy fotsiny i Elia, dia niverina natory. Mety ho tsy nisaotra akory izy. Kivy be angamba izy ka tsy te hiresaka. Nofohazin’ilay anjely indray izy, angamba rehefa nangiran-dratsy ny andro. Hoy ilay anjely: “Miarena, ka mihinàna fa mbola tena lavitra ny dia halehanao.”—1 Mpanj. 19:5-7.

14 Fantatr’ilay anjely ny toerana halehan’i Elia, satria efa nolazain’Andriamanitra taminy. Fantany koa fa lavitra be ilay lalana ka tsy ho vitan’i Elia amin’izao. Tena mampahery izany! Fantatr’ilay Raintsika mantsy izay tiantsika hatao sy izay tsy ho vitantsika. Izy aza mahalala an’izany kokoa noho isika. (Vakio ny Salamo 103:13, 14.) Nanatanjaka an’i Elia tokoa ve anefa ilay sakafo?

15, 16. a) Nanampy an’i Elia hanao inona ilay sakafo avy tamin’i Jehovah? b) Nahoana isika no tokony hankasitraka ny sakafo ara-panahy?

15 Hoy ny 1 Mpanjaka 19:8: “Niarina i Elia ka nihinana sy nisotro, ary nahazo hery avy tamin’izany ka nanohy ny diany efapolo andro sy efapolo alina, ary tonga hatrany Horeba, tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.” Tsy nisakafo 40 andro sy 40 alina i Elia, toa an’i Mosesy izay niaina 600 taona teo ho eo talohany, sy Jesosy izay niaina efa ho 1 000 taona taoriany. (Eks. 34:28; Lioka 4:1, 2) Tsy hoe nahavaha ny olana rehetra nanjo an’i Elia ilay sakafo, nefa nanampy azy hahavita an’ilay dia. Ary tena fahagagana ilay izy! Eritrereto ange e! Nahavita namakivaky tany efitra i Elia, na mafy aza izany. Izy amin’io efa antitra nefa niresaresa teny foana isan’andro, efa ho iray volana sy tapany.

16 Manampy ny mpanompony koa i Jehovah ankehitriny. Tsy manome sakafo mahagaga anefa izy, fa manome sakafo ara-panahy satria izany no tena ilaintsika. (Mat. 4:4) Hahavita  hanompo an’i Jehovah foana isika, raha mianatra ny Teniny sy ireo boky aman-gazety. Mety tsy hamaha ny zava-manahirana antsika rehetra ny sakafo ara-panahy. Hanampy antsika hiaritra anefa izany, na dia tena mafy aza ny manjo antsika, sady hahazoantsika “fiainana mandrakizay.”—Jaona 17:3.

17. Taiza i Elia no nandeha, ary nahoana io toerana io no manan-tantara?

17 Nandeha 320 kilaometatra teo ho eo i Elia ka tonga tany Horeba, ary natory tao anaty lava-bato. Manan-tantara io tendrombohitra io. Teo i Jehovah no niseho tamin’i Mosesy, tamin’ny alalan’ny anjely, tao anaty voaroy nirehitra. Teo koa no nanaovan’i Jehovah ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israelita.

Nampionona sy nampahery azy i Jehovah

18, 19. a) Inona no nanontanian’ilay anjely, ary ahoana no namalian’i Elia azy? b) Inona ny zavatra telo nahakivy an’i Elia?

18 Izao no “tenin’i Jehovah” tamin’ny alalan’ny anjely iray: “Inona no ataonao atỳ, ry Elia?” Tsara fanahy be ilay anjely rehefa nanontany an’i Elia, ka navoakany daholo ny tao am-pony, hoe: “Tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika aho. Efa nivadika tamin’ny fifanekena nataonao mantsy ny zanak’Israely. Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpaminaninao, ka izaho irery sisa, nefa mbola mifofo ny aiko koa izy ireo.” (1 Mpanj. 19:9, 10) Hita amin’io fa zavatra telo, fara fahakeliny, no nahakivy an’i Elia.

19 Voalohany, nihevitra izy hoe very maina ny ezaka nataony. Efa taona maro izy no “nafana fo” nanompo an’i Jehovah sy nanamasina ny anarany ary niaro ny fivavahana marina. Hoatran’ny vao mainka loza anefa ny vokany. Mbola tsy nanam-pinoana sy nikomy ihany mantsy ny vahoaka, ary vao mainka nanompo sampy. Faharoa, nahatsiaro ho irery i Elia, satria hoy izy: “Izaho irery sisa.” Toy ny hoe izy irery sisa no mpanompon’i Jehovah tao amin’ilay tany. Fahatelo, natahotra izy. Efa be dia be mantsy ny mpaminany novonoina, ka noeritreretiny hoe izy no manaraka. Namboraka ny tao am-pony anefa izy, fa tsy hoe be hambom-po na menatra loatra. Tahafo àry i Elia, ka lazao amin’i Jehovah izay rehetra ao am-ponao.—Sal. 62:8.

20, 21. a) Inona avy no nasehon’i Jehovah an’i Elia? b) Midika inona izany, ary nahoana izany no nampahery an’i Elia?

20 Ahoana no nampaherezan’i Jehovah an’i Elia? Nasainy  nilaza tamin’i Elia ilay anjely mba hijoro teo am-bavan’ilay lava-bato. Nanaiky i Elia na dia tsy fantany aza izay hitranga. Nifofofofo tampoka ny rivotra avy eo. Azonao an-tsaina ve ilay izy? Nankarenin-tsofina ilay rivotra sady nahery be, ka nitresaka hatramin’ny tendrombohitra sy harambato. Notakonan’i Elia ny masony, sady notazoniny ny akanjony matevina vita tamin’ny volom-biby mba tsy hikopakopaka be. Nisy horohoron-tany koa avy eo, ka niezaka mafy izy mba tsy hianjera. Tsy tapitra akory izay dia iny fa nisy afo be nandalo, ka voatery niditra tao amin’ilay lava-bato izy.—1 Mpanj. 19:11, 12.

Nampiasa ny heriny lehibe i Jehovah mba hampiononana sy hampaherezana an’i Elia

21 Averimberina ao amin’ilay tantara fa tsy tao amin’ilay rivo-mahery na ilay horohoron-tany na ilay afo i Jehovah. Midika izany fa tsy zavatra eny amin’ny natiora izy na hoe angano fotsiny toa an’i Bala, izay noheverin’ny olona fa “mpitaingina rahona” na mpitondra orana. Avy amin’i Jehovah kosa ny hery rehetra eny amin’ny natiora, ary ambony lavitra noho ny zavaboary rehetra izy. Na io lanitra io aza tsy omby azy! (1 Mpanj. 8:27) Nahoana izany no nampahery an’i Elia? Tadidio fa natahotra an’i Ahaba sy Jezebela izy. Tsy nisy tokony hatahorany intsony anefa satria nomba azy ilay Andriamanitra mahery indrindra.—Vakio ny Salamo 118:6.

22. a) Nahoana no nampahery an’i Elia ny tenin’i Jehovah? b) Mety ho iza ilay niteny tamin’ny “feo malefaka sy iva”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

22 Nangina be avy eo rehefa lasa ilay afo, ary nisy “feo malefaka sy iva.” * Nanontany an’i Elia ilay izy, ka nolazainy daholo indray izay tao am-pony. Tony kokoa izy taorian’izay. Vao mainka maivamaivana izy avy eo, satria nanome toky azy i Jehovah hoe tena sarobidy aminy izy. Nolazain’i Jehovah taminy daholo izay mbola kasainy hatao, mba hanafoanana ny fivavahana amin’i Bala. Tsy niasa maina àry i Elia satria efa nanomboka nanatanteraka an’io fikasan’i Jehovah io, sady mbola  handray anjara amin’izany. Nasain’i Jehovah niverina nanao ny asany izy, ary nomeny toromarika mazava tsara.—1 Mpanj. 19:12-17.

23. Inona ny zavatra roa nataon’i Jehovah mba hampaherezana an’i Elia?

23 Nampian’i Jehovah koa i Elia mba tsy hahatsiaro ho irery intsony. Voalohany, nomeny namana izy. Nasainy nohosorana ho mpaminany i Elisa, ka nanampy azy nandritra ny taona maro, ary nandimby azy tatỳ aoriana. Nampahery azy tokoa izany. Faharoa, nilaza an’izao vaovao tsara izao i Jehovah: “Mbola misy fito arivo navelako any Israely, dia ny lohalika rehetra tsy nandohalika tamin’i Bala, sy ny vava rehetra tsy nanoroka azy.” (1 Mpanj. 19:18) Tsy irery mihitsy àry i Elia. Azo antoka fa faly izy naheno hoe mbola nisy olona an’arivony tsy nety nivavaka tamin’i Bala. Mbola nila an’i Elia ireo olona ireo. Tsy nivadika mihitsy mantsy izy ka mba ho modely ho azy ireo amin’ilay fotoan-tsarotra. Azo antoka fa nampionona an’i Elia tokoa ny naheno an’ilay “feo malefaka sy iva” avy tamin’Andriamanitra.

Toy ilay “feo malefaka sy iva” ny Tenin’Andriamanitra, ka tokony hihaino azy io isika

24, 25. a) Afaka maheno an’ilay “feo malefaka sy iva” koa ve isika? Nahoana? b) Nahoana isika no mino fa nandray am-po ny tenin’i Jehovah i Elia?

24 Mety ho gaga toa an’i Elia isika rehefa mahita hoe manana hery lehibe ny zavaboary. Hita avy amin’izy ireny fa tena mahery ny Mpamorona. (Rom. 1:20) Mbola mampiasa an’io heriny lehibe io ihany i Jehovah, mba hanampiana ny mpanompony tsy mivadika. (2 Tan. 16:9) Ny Baiboly anefa izao no tena ampiasainy mba hanampiana antsika. (Vakio ny Isaia 30:21.) Toy ilay “feo malefaka sy iva” ny Tenin’Andriamanitra, ka tokony hihaino azy io isika. Amin’ny alalan’izy io mantsy i Jehovah no mitarika, manitsy, mampahery, ary manome toky antsika hoe tiany isika.

25 Nandray am-po ny tenin’i Jehovah i Elia. Nanohy ny asany indray mantsy izy, sady mbola be herim-po sy nanam-pinoana ary vonona hanohitra ny fivavahan-diso. Hanana finoana toa azy koa isika raha mandray am-po ny tenin’Andriamanitra, izany hoe ny “fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Rom. 15:4.

^ feh. 22 Feon’anjely angamba ilay “feo malefaka sy iva.” Mety ho io ihany ilay anjely nitondra ny “tenin’i Jehovah” ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:9. Marina fa milaza ny andininy 15 hoe i “Jehovah” ilay niteny. Nanana anjely nisolo tena azy anefa i Jehovah. Nisy anjely iray nolazainy hoe: “Ao aminy ny anarako.” (Eks. 23:21) Io anjely io ilay nampiasain’i Jehovah hitarika ny Israelita tany an-tany efitra, ary mety ho io ihany ilay niteny tamin’ny “feo malefaka sy iva.” I Jesosy talohan’ny nanketỳ an-tany angamba io anjely io, na dia tsy afaka milaza aza isika hoe tena azo antoka izany. Nantsoina hoe “ny Teny” mantsy izy tamin’izany, satria nasain’i Jehovah nitondra ny teniny.—Jaona 1:1.