Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-9

Ilay Vehivavy Malina

Ilay Vehivavy Malina

1-3. a) Inona ny loza natahorana hahazo an-dry Abigaila mianakavy? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

IRENY fa miainga ny miaramila 400 eo ho eo mba hamono ny lehilahy rehetra ao amin-dry Nabala. Nahare an’izany ilay tovolahy mpanompon’i Nabala ka nikoropaka nitantara an’ilay izy tamin’i Abigaila, vadin’i Nabala. Hitan’i Abigaila hoe natahotra be ilay tovolahy. Fa maninona ry zareo no nisy nitady hamono?

2 I Nabala no nahatonga an’ilay izy. Ratsy fanahy sy mpanambanimbany olona izy. Mpitari-tafika anefa no novingavingainy, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy vitan’izay fa manana miaramila tsara ofana io mpitari-tafika io, ary tsy nivadika taminy ireo miaramila ireo sady tia azy. Nankany amin’i Abigaila àry ilay mpanompon’i Nabala, satria nino izy hoe hahita hevitra hanavotana azy ireo i Abigaila. Inona anefa no ho vitan’ny vehivavy iray eo anatrehan’ny tafika iray manontolo?

Inona moa no ho vitan’ny vehivavy iray eo anatrehan’ny tafika iray manontolo?

3 Araho àry ny tantaran’i Abigaila. Iza moa io vehivavy nanam-pinoana io? Inona no nahatonga an’ilay olana? Ary inona no azontsika ianarana avy aminy?

“Tena malina sady tsara bika”

4. Olona hoatran’ny ahoana i Nabala?

4 Tsy nifanentana mihitsy i Abigaila sy Nabala. Ny iray tsara toetra be, fa ny iray ratsy toetra be. Nanan-karena i Nabala ka nanambony tena loatra. Tsy tia azy koa ny olona sady natahotra azy. Teny faran’izay manambany no iantsoan’ny olona azy ao amin’ny Baiboly, sady toa izy irery no nisy nanao an’izany ao. Midika hoe “Adala” na “Vendrana”, ohatra, ny anarany. Asa aloha raha anaram-bosotra io na tena anarany. Nety tsara taminy anefa ilay  izy. “Masiaka sady ratsy toetra” izy, ary mpihetraketraka sy mamo lava.—1 Sam. 25:2, 3, 17, 21, 25.

5, 6. a) Inona ny toetran’i Abigaila tianao? b) Inona no mety ho nahatonga an’i Abigaila hanambady an’i Nabala?

5 Hafa mihitsy anefa i Abigaila. Midika hoe “Faly ny Raiko” ny anarany. Maro ny ray mirehareha erỳ rehefa manana zanakavavy tsara tarehy, fa ny ray tena misaina kosa tena faly rehefa tsara toetra ny zanany. Matetika mantsy ny olona tsara tarehy no tsy mba miezaka ho tsara toetra, ohatra hoe ho malina, hendry, ary hanana herim-po sy finoana. I Abigaila kosa resahin’ny Baiboly hoe “tena malina sady tsara bika.”—Vakio ny 1 Samoela 25:3.

6 Vehivavy mahira-tsaina koa i Abigaila. Mety hisy hieritreritra àry hoe naninona izy no nanambady lehilahy hoatran’i Nabala. Tadidio fa maro ny fanambadiana namboarina fahiny, na koa tsy maintsy neken’ny ray aman-dreny aloha. Sodokan’ny harena sy laza angamba ny ray aman-drenin’i Abigaila, ka nampirisihiny hanambady an’i Nabala izy, na notereny mihitsy. Mety ho nahantra koa ry zareo ka zarany aza ny zanany nanambady mpanankarena. Tsy fantatsika izay tena marina, fa ny azo antoka dia hoe tsy vady tsara mihitsy i Nabala na dia nanan-karena aza, satria lehilahy tsy manjary.

7. a) Inona no tsy tokony hataon’ny ray aman-dreny? b) Inona no nataon’i Abigaila, na dia mafy aza ny nahazo azy?

7 Hendry ny ray aman-dreny raha mampianatra ny zanany hoe mendri-kaja ny fanambadiana. Tsy ampirisihiny hanambady noho ny vola àry ny zanany. Tsy tereny hiaraka amin’olona koa izy raha mbola kely, satria mbola tsy mahazaka tokantrano. (1 Kor. 7:36) I Abigaila kosa anefa efa vadin’i Nabala, ka tsy afa-niala intsony. Nataony foana izay hampetipety ny tokantranony, na dia mafy aza ny nahazo azy.

“Vazavaza sy teny henjana no nataony”

8. Iza no nataon’i Nabala tsinontsinona, ary nahoana izany no tena tsy nety?

8 Nampidi-kizo an’i Abigaila i Nabala. Nahoana? Tsy mba hoe mpitari-tafika tsotra fotsiny ilay nataony tsinontsinona, fa i Davida mpanompon’i Jehovah tsy nivadika. Mpanjaka nofidin’i Jehovah ho solon’i Saoly i Davida, ary i Samoela mpaminany mihitsy no nanosotra azy. (1 Sam. 16:1, 2, 11-13) Nanana miaramila 600 tsy nivadika taminy koa izy. Niara-nandositra taminy tany an’efitra izy ireo, satria nialona azy i Saoly ka te hamono azy.

9, 10. a) Nanao ahoana ny fiainan’i Davida sy ny miaramilany? b) Nahoana i Nabala no tokony ho nankasitraka an’i Davida sy ny miaramilany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy, fehintsoratra 10.)

9 Nipetraka tany Maona i Nabala fa niasa tao Karmela, ary  mety ho nanana tany tao mihitsy. * Be ahitra ireo vohitra ireo ka nety tsara hiompiana ondry, satria izy nanana ondry 3 000. Ngazana kosa ny manodidina. Tany efitra antsoina hoe Parana no eo atsimo. Ngazana koa ny eo atsinanana, eo akaikin’ny Ranomasin-tsira, ary feno hantsana sy lava-bato. Tany no niafina i Davida sy ny miaramilany. Azo antoka fa nihaza izy ireo mba hivelomany, ary niaritra olana maro. Matetika izy ireo no nihaona tamin’ny mpiandry ondrin’i Nabala.

10 Tena sahirana ny miaramilan’i Davida, nefa tsy nangalarany mihitsy ny ondrin’izy ireo, na dia mora taminy aza izany. Niaro ny andian’ondrin’i Nabala sy ny mpanompony kosa aza ry Davida, ka toy ny manda nanodidina azy ireo. (Vakio ny 1 Samoela 25:15, 16.) Be dia be mantsy ny zavatra nampidi-doza tamin’izany. Feno biby masiaka, ohatra, tany. Akaikin’ny sisin-tany atsimon’i Israely koa ilay toerana, ka matetika ny mpiandry ondry no notafihin’ny mpangalatra avy any an-tany hafa. *

11, 12. a) Porofoy fa nandanjalanja sy nanaja tsara i Davida rehefa nangataka fanampiana. b) Nahoana no tsy nety mihitsy ny nataon’i Nabala?

11 Tsy mora tamin’i Davida ny nitady sakafo ho an’ny miaramilany rehetra, noho izy ireo tany an-tany efitra. Naniraka folo lahy àry i Davida, indray andro, mba hangataka fanampiana tamin’i Nabala. Nofidiny tsara anefa ny fotoana hanaovana izany. Niandry ny fotoana fanetezana ondry izy. Manao fety be sy malala-tanana mantsy ny olona amin’io. Nofidin’i Davida tsara koa ny teny holazaina, ary nahalala fomba izy. Nasainy niteny mihitsy aza ireo iraka hoe “Davida zanakao”, angamba ho fanajana an’i Nabala satria be taona noho i Davida izy. Ahoana anefa no navalin’i Nabala?—1 Sam. 25:5-8.

12 Tezitra be izy! Nitantara tamin’i Abigaila ilay tovolahy voalaza tany aloha hoe: “Vazavaza sy teny henjana no nataony.” Kahihitra loatra izy ka tsy nety nanome, na mofo na rano na hena. Nambaniny i Davida ary nolazainy fa mpanompo nitsoaka sady tsy misy ilana azy. (1 Sam. 25:10, 11, 14) Hoatr’izany koa angamba ny fiheveran’i Saoly an’i Davida. Nankahala azy mantsy i Saoly. Tsy izany mihitsy anefa ny fahitan’i Jehovah an’i Davida.  Tian’i Jehovah izy, ary tsy hoe mpanompo nikomy fa ho mpanjakan’ny Israely.

13. a) Nanao ahoana i Davida rehefa naheno ny tenin’i Nabala? b) Nahoana no tsy nety ny nataon’i Davida, raha jerena ny Jakoba 1:20?

13 Nisafoaka i Davida rehefa naheno ny tenin’i Nabala. Hoy izy: “Samia manao ny sabany eo amin’ny fehikibony!” Nalainy koa ny fiadiany, ary nitondra miaramila 400 izy. Nianiana izy fa tsy hasiany miangana ny lehilahy ao an-tranon’i Nabala. (1 Sam. 25:12, 13, 21, 22) Rariny raha tezitra be i Davida. Tsy mety anefa ny mamono olona, na tezitra toy inona aza. Hoy ny Jakoba 1:20: “Ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.” Dia ahoana izao no hanavotan’i Abigaila ny ao an-tranony?

“Hotahina anie ny fahendrenao”

14. a) Nahoana i Abigaila no toy ny hoe efa nandamina an’ilay olana sahady? b) Inona no lesona raisinao avy amin’ny toetran’izy mivady? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

14 Toy ny hoe efa nanomboka nandamina an’ilay olana sahady i Abigaila, satria nihaino tsara an’ilay tovolahy, fa tsy toa an’i Nabala. Hoy ilay mpanompo momba an’i Nabala: ‘Olona tena tsy manjary izy ka tsy azo ifampiresahana mihitsy.’ * (1 Sam. 25:17) Nanambony tena loatra i Nabala ka tsy mba nihaino ny hafa, toy ny ataon’ny olona maro ankehitriny ihany. Fantatr’ilay tovolahy anefa fa hafa mihitsy i Abigaila, ka tsy nisalasala niresaka taminy izy.

Nihaino ny hafa i Abigaila fa tsy toa an’i Nabala

15, 16. a) Inona ny porofo fa toa an’ilay vady tsara ao amin’ny Ohabolana i Abigaila? b) Nanohitra ny fahefan’ny vadiny ve izy satria tsy niera? Hazavao.

15 Nieritreritra kely i Abigaila, ary “lasa haingana” avy eo. Inefatra no voalaza ao amin’io tantara io hoe nanao zavatra “haingana” izy. Nanomana fanomezana be dia be ho an-dry Davida izy. Ohatra hoe mofo, divay, ondry, voam-bary natono, mofo vita tamin’ny voaloboka maina, ary mofo vita tamin’ny aviavy. Hita amin’izany fa izy no nitantana ny zava-drehetra tao an-tranony, toa an’ilay vady tsara resahin’ny Ohabolana. (Ohab. 31:10-31) Nalefany mialoha hitondra an’ireo sakafo ireo ny mpanompony, ary avy eo izy vao nandeha. “Tsy nilazany na inona na inona anefa i Nabala vadiny.”—1 Sam. 25:18, 19.

 16 Nanohitra ny fahefan’ny vadiny ve i Abigaila satria hoe tsy niera? Tsy izany mihitsy. Tadidio fa voahosotr’i Jehovah no nataon’i Nabala tsinontsinona, ka olona maro tsy manan-tsiny no ho faty. Diso koa àry i Abigaila raha tsy nanao na inona na inona. Lasa tsy mankatò an’Andriamanitra izy raha izay, nefa Andriamanitra no tokony hankatoaviny voalohany vao ny vadiny.

17, 18. a) Inona no nataon’i Abigaila raha vao nahita an’i Davida? b) Inona no nangatahiny, ary nahoana no nanohina ny fon’i Davida ny teniny?

17 Tsy ela dia nifanena tamin-dry Davida i Abigaila. Nidina “haingana” avy teo amin’ny ampondrany izy, ary niondrika teo anatrehan’i Davida. (1 Sam. 25:20, 23) Nilaza ny tao am-pony i Abigaila avy eo, ka nangataka mba hamindrana fo ny vadiny sy ny olona tao an-tranony. Nanohina ny fon’i Davida ny teniny. Nahoana?

“Mba avelao ny mpanompovavinao hiteny kely aminao”

18 Noraisin’i Abigaila ho toy ny hoe izy no diso, ka nifona tamin’i Davida izy. Niaiky izy fa adala araka ny anarany ny vadiny. Nilaza an-kolaka izy hoe lehilahy mendri-kaja hoatran’i Davida ve dia hiady amin’olona adala! Natoky izy fa solontenan’i Jehovah i Davida satria niady “ny adin’i Jehovah.” Fantany koa ny fampanantenan’i Jehovah hoe ho lasa mpanjaka i Davida, matoa izy niteny hoe: “Hanendry anao ho mpitarika ny Israely i Jehovah.” Niangaviany avy eo i Davida mba tsy handatsa-dra ka ho meloka amin’izany na “henjehin’ny eritreriny.” (Vakio ny 1 Samoela 25:24-31.) Manohina ny fo tokoa ny teniny, ary tsara fanahy izy!

19. Ahoana no nataon’i Davida rehefa avy nitalaho taminy i Abigaila? Ary nahoana i Davida no nidera azy?

19 Ahoana hoy i Davida? Noraisiny ny fanomezan’i Abigaila, ary hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay naniraka anao androany mba hihaona amiko! Hotahina anie ny fahendrenao, ary hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra.” Noderain’i Davida i Abigaila, satria nanana herim-po ka nanatona azy haingana. Niaiky koa izy fa saika meloka ho nandatsa-dra, raha tsy nosakanan’i Abigaila. Nanetry tena izy ka niteny hoe: “Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao, fa efa nihaino ny teninao aho.”—1 Sam. 25:32-35.

“Intỳ aho mpanompovavinao”

20, 21. a) Nahoana no tena tsara toetra i Abigaila matoa niverina tany amin’ny vadiny? b) Ahoana no ahitana fa malina sy be herim-po i Abigaila?

20 Nieritreritra an’iny zava-nitranga iny i Abigaila avy eo. Hitany hoe tsy nitovy mihitsy i Nabala sy Davida. Ny iray masiaka,  fa ny iray tsara fanahy sy tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy nifantoka be tamin’izany anefa izy. Hoy ny Baiboly: “Dia tonga tany amin’i Nabala i Abigaila.” Niverina tany amin’ny vadiny tokoa izy, ary mbola vonona hanao izay vitany mba hampety ny tokantranony. Tsy maintsy hiteny amin’i Nabala anefa izy hoe nanome zavatra an-dry Davida. Zon’ny vadiny mantsy ny mahalala izany. I Abigaila koa no tsy maintsy hitantara an’ilay loza saika nitranga, mba tsy ho olon-kafa indray no handrenesan’i Nabala an’ilay izy. Mbola tsy afaka nitantara izany anefa izy, satria nanao fanasambe toy ny an’ny mpanjaka i Nabala ka mamo tampona.—1 Sam. 25:36.

Nanana herim-po i Abigaila, ka notantarainy tamin’i Nabala izay rehetra nataony

21 Hita indray hoe malina sy hendry i Abigaila. Ny ampitso mantsy izy vao niresaka, amin’izay mba efa misava ny hamamoan’i Nabala. Hita koa anefa hoe be herim-po izy. Mora tezitra mantsy i Nabala ka atahorana na dia tsy mamo aza, nefa mbola sahy nitantara taminy ny zava-drehetra ihany izy. Angamba efa niandriandry izy hoe ho tezitra be i Nabala na hikasi-tanana. Gaga anefa izy fa tsy nihetsika i Nabala.—1 Sam. 25:37.

22. Inona no nanjo an’i Nabala, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

22 Fa nisy inona? “Maty tao anatin’i Nabala ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.” Tapaka lalan-dra angamba i Nabala. Afaka folo andro teo ho eo dia maty izy, nefa tsy tena hoe noho ny aretina. “Nasian’i Jehovah izy ka maty.” (1 Sam. 25:38) Rariny raha novonoin’i Jehovah izy satria nijaly loatra i Abigaila. Tsy manao an’izany intsony anefa i Jehovah izao. Na izany aza, dia mampahatsiahy antsika io tantara io fa hitan’i Jehovah ny olona manampatra fahefana ka mampijaly vady. Tsy maintsy hampihatra ny rariny izy, ka hanafay azy ireny amin’ny fotoana mety.—Vakio ny Lioka 8:17.

23. Inona ny fitahiana azon’i Abigaila, ary ahoana no ahafantarantsika fa tsy nampiova azy izany?

23 Tsy nijaly am-panambadiana intsony àry i Abigaila sady nahazo fitahiana hafa koa. Ren’i Davida mantsy hoe maty i Nabala, ka nandefa iraka izy mba hangataka azy ho vady. Niova ve i Abigaila ka lasa nirehareha, satria hoe ho vadin’i Davida? Tsia. Vonona mihitsy aza izy hanompo ny mpanompon’i Davida! Hoy izy: “Intỳ aho mpanompovavinao, ho mpanompovavy hanasa ny tongotry ny mpanompon’ ny tompoko.” Nandeha “haingana” indray izy mba ho any amin’i Davida.—1 Sam. 25:39-42.

24. Inona ny zava-tsarotra niainan’i Abigaila, ary ahoana no fahitan’i Davida sy Jehovah azy?

24 Tsy hoe nahafinaritra be foana anefa ny fiainan’i Abigaila rehefa nanambady an’i Davida izy. Efa nanambady an’i Ahinoama mantsy i Davida tamin’izay. Marina fa navelan’Andriamanitra hanana vady maro ny olona tamin’izany, nefa tsy mora ny manana rafivavy. Mbola tsy mpanjaka koa i Davida tamin’izay, ka tsy maintsy nisy zava-tsarotra maro talohan’ny nanjakany. Nanampy sy nanohana azy foana anefa i Abigaila, ary niteraka zazalahy tatỳ aoriana. Nisy fotoana koa i Abigaila nosamborin’ny fahavalo ka novonjen’i Davida. (1 Sam. 30:1-19) Tsapan’i Abigaila àry fa tia sy niaro azy ny vadiny. Nanahaka an’i Jehovah tokoa i Davida. Sarobidy amin’i Jehovah sady tena tiany mantsy ny vehivavy manam-pinoana sy malina ary be herim-po.

^ feh. 9 Tanàna any akaikin’ny tany efitra any atsimo izy io. Tsy io akory ilay Tendrombohitra Karmela any avaratra, izay nanaovan’i Elia fahagagana teo anatrehan’ny mpaminanin’i Bala.—Jereo ny Toko 10.

^ feh. 10 Fikasan’i Jehovah ny hipetrahan’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba tao Israely. Nanao fanompoana masina àry izay niaro an’ilay tany tamin’ny mpandroba. Azo inoana fa izany no nahatonga an’i Davida hiaro ny olona tao, mba tsy ho lasan’ny mpangalatra ny taniny sy ny ondriny.

^ feh. 14 Midika ara-bakiteny hoe “zanak’i beliala” (izany hoe tsy misy ilana azy) ilay hoe “olona tena tsy manjary.” Ny Baiboly hafa aza manampy hoe olona “tsy hihaino an’iza na iza mihitsy” i Nabala, ka “tsy misy tokony hiresahana aminy.”