Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-10

Niaro ny Fivavahana Marina Izy

Niaro ny Fivavahana Marina Izy

1, 2. a) Nahoana no nijaly be ny vahoakan’Israely? b) Iza avy no tsy tia an’i Elia?

TENY amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elia. Tazany miresaresa miakatra an’ilay tendrombohitra ny vahoaka. Mbola maizimaizina ny andro, nefa hita hoe reraky ny hanoanana sady mahantra be izy ireo. Efa telo taona sy tapany mantsy no nisy mosary noho ny hain-tany.

2 Ireny koa fa tonga ny mpaminanin’i Bala 450 sady mianjonanjona erỳ. Tsy tia maizina an’i Elia ry zareo satria mpaminanin’i Jehovah izy. Mbola tsy nilefitra tamin’ny mpivavaka amin’i Bala ihany mantsy i Elia, nefa efa maro ny mpanompon’i Jehovah novonoin’i Jezebela vadin’ny mpanjaka. Nieritreritra ny mpaminanin’i Bala hoe: ‘Tsy maintsy hilefitra ihany io. Lehilahy iray ve dia hahavita inona eo anatrehanay rehetra!’ (1 Mpanj. 18:4, 19, 20) Iny koa fa tonga i Ahaba Mpanjaka, mitaingina ny kalesiny mirentirenty be. Izy koa anefa tsy tia an’i Elia mihitsy.

3, 4. a) Inona avy no mety ho nahatonga an’i Elia hatahotra? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

3 Andro miavaka ho an’i Elia io andro io. Mandinika an’ilay vahoaka izy, sady mieritreritra hoe: ‘Ho hitan’ireo tsara androany hoe iza no handresy, ny fivavahan-diso sa ny fivavahana marina.’ Izy irery anefa no mpanompon’i Jehovah teo. Nanao ahoana ny fihetseham-pony? Azo inoana fa natahotra izy, satria “olona nanana fihetseham-po toa antsika ihany.” (Vakio ny Jakoba 5:17.) Nahatsiaro ho irery izy. Vahoaka tsy nanam-pinoana mantsy no nanodidina azy. Teo koa ilay mpanjaka nivadi-pinoana sy ireo mpisorona 450 mpamono olona.—1 Mpanj. 18:22.

4 Fa inona no nahatonga ilay olana teo amin’ny Israely? Ary inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Andeha àry hodinihintsika ny fiainan’i Elia. Tena nanam-pinoana izy ka be dia be ny zavatra azo ianarana avy aminy.

 Nahazo vahana ny fanompoan-tsampy

5, 6. a) Inona no nataon’ny Israelita efa hatramin’ny ela? b) Nahoana i Ahaba no nahatezitra an’i Jehovah?

5 Efa ela ny Israelita no nanompo sampy, ka nanao tsinontsinona ny zava-tsarobidy indrindra teo amin’ny fireneny, izany hoe ny fivavahana marina. Naleon’izy ireo nivavaka tamin’ny andriamanitr’ireo firenena nanodidina azy, toy izay hivavaka tamin’i Jehovah. Vao mainka aza nanompo sampy be ry zareo tamin’ny andron’i Elia. Efa hatramin’ny mbola kely i Elia no nahita an’izany nefa tsy nisy azony natao.

6 Tena nahatezitra an’i Jehovah i Ahaba. Nanambady an’i Jezebela, zanaky ny mpanjakan’i Sidona, mantsy izy. Nataon’i Jezebela izay hamongorana ny fivavahana amin’i Jehovah sy hahatonga ny Israelita hivavaka amin’i Bala. Lasa nanompo sampy koa i Ahaba. Nanangana tempoly sy alitara ho an’i Bala izy, ary nitaona ny olona hiankohoka tamin’io sampy io.—1 Mpanj. 16:30-33.

7. a) Nahoana no tena ratsy be ny fivavahana tamin’i Bala? b) Tsy mitovy ve ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny halavan’ilay hain-tany? (Diniho koa ilay  efajoro.)

7 Ratsy be mihitsy ny fivavahana tamin’i Bala. Be dia be mantsy ny Israelita lasa niala tamin’ilay tena Andriamanitra. Naharikoriko be sady tsy nifaditrovana ilay fivavahana. Nisy lehilahy sy vehivavy nivaro-tena, ohatra, tao amin’ny tempolin’i Bala. Nanaram-po tamin’ny firaisana koa ny mpivavaka taminy, ary nanao sorona ankizy mihitsy aza. Nirahin’i Jehovah ho any amin’i Ahaba àry i Elia. Hoy izy rehefa tonga tany: ‘Tsy hisy orana [intsony] raha tsy noho ny baiko avy amiko.’ (1 Mpanj. 17:1) Taona maro tatỳ aoriana vao niresaka tamin’i Ahaba indray i Elia, ary nasainy novorina teo an-tendrombohitr’i Karmela ny vahoaka sy ny mpaminanin’i Bala. *

Mbola ataon’ny olona amin’izao ireo zavatra nampiavaka ny fivavahana tamin’i Bala

8. Inona no ianarantsika avy amin’ilay tantara tamin’ny andron’i Elia?

8 Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Mety hisy hilaza fa tsy mahakasika antsika intsony izy io, satria efa tsy misy intsony ny fivavahana amin’i Bala na ny tempoliny na ny alitarany. Andraisana lesona anefa ilay izy. (Rom. 15:4) Midika hoe  “tompo” ilay hoe “Bala.” Nilaza tamin’ny vahoakany i Jehovah mba hifidy azy ho “bala” na tompo. (Isaia 54:5) Tsy ekenao ve anefa fa tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no tompoin’ny olona ankehitriny, fa tompo maro hafa? Misy, ohatra, tsy mieritreritra afa-tsy vola, asa, fialam-boly, na firaisana. Ireny zavatra ireny no lasa tompoiny fa tsy i Jehovah. (Mat. 6:24; vakio ny Romanina 6:16.) Azo lazaina àry fa mbola tena ataon’ny olona amin’izao ireo zavatra nampiavaka ny fivavahana tamin’i Bala. Mbola ilaintsika tokoa iny tantara iny, satria manampy antsika hahay hifidy izay hotompointsika.

Aza ‘miroa saina’

9. a) Nahoana no nety tsara hoe teny amin’ny Tendrombohitra Karmela no naharihary fa diso ny fivavahana tamin’i Bala? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona ny tenin’i Elia tamin’ny vahoaka?

9 Tazana tsara avy eny an-tampon’i Karmela ny tanin’i Israely, manomboka eny amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona  ka hatreny amin’ny Ranomasina Lehibe (Mediterane). * Erỳ amin’ny farany avaratra kosa ny tendrombohitra any Libanona. Rehefa niposaka anefa ny masoandro vao tena hita hoe ngazana be ilay tany manontolo. Izany no niafaran’ilay tany lonaka nomen’i Jehovah ny taranak’i Abrahama. Lasa karakaina noho ny hainandro be ilay izy, ary simba noho ny hadalan’izy ireo! Rehefa vory ny vahoaka, dia hoy i Elia: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.”—1 Mpanj. 18:21.

10. Nahoana i Elia no niteny hoe ‘miroa saina’ ilay vahoaka, ary inona ny zava-dehibe hadinon’izy ireo?

10 Nahoana i Elia no niteny hoe ‘miroa saina’ ilay vahoaka? Satria nihevitra izy ireo fa sady afaka manompo an’i Jehovah no afaka manompo an’i Bala. Tsy azony hoe mila mifidy izy. Te hampifaly an’i Bala izy ireo ka manao an’ireo fanaony maharikoriko, nefa koa mila vonjy amin’i Jehovah. Nieritreritra angamba ry zareo fa i Bala no hitahy ny famboleny sy ny fiompiany, ary i “Jehovah Tompon’ny tafika” no hiaro azy amin’ny ady. (1 Sam. 17:45) Nisy zavatra lehibe hadinon’izy ireo anefa, ary tsy ry zareo ihany fa olona maro ankehitriny koa. Tsy inona izany fa ilay hoe: Tsy eken’i Jehovah mihitsy sady mahatezitra azy, raha sady manompo azy ny olona no manompo andriamani-kafa. Izy irery ihany no tokony hivavahana. Izay no takiny ary mendrika an’izany izy.—Vakio ny Eksodosy 20:5.

11. Ahoana no hampiharantsika ny tenin’i Elia?

11 ‘Niroa saina’ tokoa àry ny Israelita. Toy ny hoe te handeha eo amin’ny lalana roa izy ireo. Hoatr’izany koa ny olona maro ankehitriny. Variana manompo tompo maro izy ireo, ka lasa hadinony Andriamanitra! Aza miroaroa saina àry fa saintsaino hoe: ‘Mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve aho sa zavatra hafa no lasa zava-dehibe amiko?’

Iza no tena Andriamanitra?

12, 13. a) Inona ilay fanamby nataon’i Elia? b) Ahoana no hanaporofoantsika fa matoky an’i Jehovah koa isika?

12 Nanao fanamby tsotra i Elia avy eo. Samy hanorina alitara sy hametraka fanatitra eo amboniny i Elia sy ny mpisoron’i  Bala, ary hiantso ny andriamaniny avy mba handatsaka afo. Hoy i Elia: “Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo no tena Andriamanitra.” Natoky i Elia fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Ny mpaminanin’i Bala àry no navelany hanao fanatitra voalohany. Nifidy izay omby hataony sorona izy ireo, ary niantso an’i Bala. *1 Mpanj. 18:24, 25.

13 Tsy misy fahagagana intsony izao. Tsy miova anefa i Jehovah ka afaka matoky azy isika, toa an’i Elia. Tsy tokony hatahotra, ohatra, isika rehefa misy manohitra ny fampianaran’ny Baiboly. Avelantsika aloha izy ireo hilaza ny heviny. Ilay tena Andriamanitra avy eo no ianteherantsika handamina ilay adihevitra. Ahoana izany? Ny Teniny no hazavaintsika fa tsy ny hevitsika. Natao “hanitsiana izay diso” mantsy izy io.—2 Tim. 3:16.

Fantatr’i Elia fa fitaka sy hadalana ny fivavahana tamin’i Bala, ka tiany ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra izany

14. Inona ny esoeson-teny nataon’i Elia, ary nahoana izy no nanao izany?

14 Nikarakara an’ilay fanatitra ny mpaminanin’i Bala, ary niantsoantso be foana hoe: “Ry Bala ô, valio izahay!” Nandeha ihany ny minitra sy ny ora, nefa “tsy nisy feo re, sady tsy nisy namaly.” Naneso azy ireo amin’izay i Elia tamin’ny mitataovovonana hoe mbola sahirana angamba i Bala, na mbola mivoaka, na matory ka mila fohazina. “Miantsoa faran’izay mafy”, hoy izy tamin’ireo mpisandoka. Fantatr’i Elia fa fitaka sy hadalana ny fivavahana tamin’i Bala, ka tiany ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra izany.—1 Mpanj. 18:26, 27.

15. Nahoana no hadalana ny mifidy tompo hafa ankoatra an’i Jehovah?

15 Vao mainka nihinjakinjaka ireo mpisoron’i Bala, ka ‘niantsoantso faran’izay mafy. Ary nodidididiany tamin’ny sabatra kely sy lefona ny vatany araka ny fanaony, mandra-pikorianan’ny ra tamin’ny tenany.’ Reraka fotsiny anefa ry zareo, fa ‘mbola tsy nisy feo re ihany, sady tsy nisy namaly na nihaino.’ (1 Mpanj. 18:28, 29) Tsy nisy akory i Bala fa noforonin’i Satana fotsiny, mba hampiala ny olona amin’i Jehovah. Ho diso fanantenana koa izay mifidy tompo hafa ankoatra an’i Jehovah, ary ho menatra mihitsy.Vakio ny Salamo 25:3; 115:4-8.

 Jehovah no tena Andriamanitra

16. a) Inona no mety ho tsaroan’ny olona rehefa nanamboatra ny alitaran’i Jehovah i Elia? b) Inona ny porofo fa tena natoky an’i Jehovah i Elia?

16 Tonga ny anjaran’i Elia rehefa hariva ny andro. Efa nisy alitaran’i Jehovah teo, fa mety hoe noravan’ny mpanompo sampy. Iny ihany no namboarin’i Elia ka naka vato 12 izy, angamba mba ho tsaroan’ny foko 10 teo amin’ny Israely fa mbola tokony hankatò ny Lalàna nomena ny foko 12 izy ireo. Napetrany teo ambony alitara ny fanatitra ary nasiany rano be, angamba rano avy teo amin’ny Ranomasina Mediterane. Nasiany tatatra nanodidina an’ilay alitara, ary nofenoiny rano koa. Nataony mihitsy izay hahatonga an’ilay fanatitra ho sarotra hampirehetina, satria tena natoky izy fa hain’i Jehovah foana ny mandrehitra an’ilay izy.—1 Mpanj. 18:30-35.

Hita tamin’ny vavak’i Elia fa mbola te hanampy an’ilay vahoaka izy, satria tena niriny ‘hiverina’ amin’i Jehovah ny “fon’izy ireo”

17. Inona no zava-dehibe tamin’i Elia rehefa jerena ny vavaka nataony, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

17 Nivavaka i Elia avy eo. Tena tsotra ilay vavaka, ka nazava tsara hoe inona no zava-dehibe indrindra taminy. Voalohany, tiany hiharihary fa i Jehovah no “Andriamanitra eo amin’ny Israely”, fa tsy i Bala. Faharoa, tiany ho fantatry ny rehetra hoe mpanompon’i Jehovah fotsiny izy, ka i Jehovah irery no tokony homem-boninahitra sy hoderaina. Hita amin’izany fa nanetry tena izy. Farany, mbola te hanampy an’ilay vahoaka izy satria tena iriny ‘hiverina’ amin’i Jehovah ny “fon’izy ireo.” (1 Mpanj. 18:36, 37) Mbola tia azy ireo i Elia, na dia nivadika tamin’i Jehovah aza izy ireo ka voasazy. Ary isika? Asehontsika amin’ny vavaka ataontsika ve fa te hanamasina ny anaran’Andriamanitra isika sady manetry tena ary mangoraka an’ireo mila fanampiana?

18, 19. a) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Elia? b) Nasain’i Elia natao inona ny mpaminanin’i Bala, ary nahoana izy ireo no mendrika an’izany?

18 Nety ho nisalasala ilay vahoaka hoe tena misy ve i Jehovah sa hoatran’i Bala ihany. Vao vita anefa ny vavak’i Elia, dia “nilatsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay sy ny vato ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.” (1 Mpanj. 18:38) Tena niavaka ilay valim-bavaka! Inona ny vokatr’izany?

“Dia nilatsaka ny afon’i Jehovah”

19 Niaiky ny rehetra hoe: “I Jehovah no tena Andriamanitra!  I Jehovah no tena Andriamanitra!” (1 Mpanj. 18:39) Raha tsy nahita afo nilatsaka avy tany an-danitra anefa izy ireo, dia tsy nino. Mbola nila nanaporofo izy ireo hoe nanam-pinoana. Nisy zavatra nasain’i Elia nataon’izy ireo àry, sady efa ela no tokony ho nataony izany. Nila nankatò ny Lalàn’i Jehovah ry zareo. Nilaza ny Lalàna fa tokony hovonoina ho faty ny mpaminany sandoka sy ny mpanompo sampy. (Deot. 13:5-9) Fahavalon’i Jehovah ny mpaminanin’i Bala, sady nanohitra ny fikasany. Tokony hamindrana fo ve izy ireo? Tsy mendrika an’izany mihitsy ry zareo! Izy ireo aza tsy namindra fo fa nandoro zazakely be dia be ho an’i Bala. (Vakio ny Ohabolana 21:13; Jer. 19:5) Nasain’i Elia novonoina àry izy ireo, ary izany tokoa no nataon’ny olona.—1 Mpanj. 18:40.

20. Nahoana no diso hevitra izay milaza hoe tsy nety ny nataon’i Elia?

20 Misy milaza ankehitriny fa tsy nety ny nataon’i Elia satria namono olona izy. Mety hampiasa an’io tantara io, hono, ny mpivavaka mahery fihetsika mba hilazana fa tsy diso izy ireo raha mampijaly na mamono an’izay olona tsy mitovy fivavahana aminy. Mampalahelo fa be dia be izao ny mpivavaka mahery setra. Tsy toy izany anefa i Elia satria rariny ilay zavatra nataony sady ho an’i Jehovah. Raha tena Kristianina koa ny olona iray, dia mahalala fa tsy afaka manao toa an’i Elia izy, ka hoe hampiasa fitaovam-piadiana hamonoana ny ratsy fanahy. I Jesosy mantsy no hasain’i Jehovah hampihatra ny rariny, amin’ny hoavy. Ity tenin’i Kristy tamin’i Petera ity àry no arahin’ny Kristianina: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”—Mat. 26:52.

21. Nahoana i Elia no modely ho antsika?

21 Tokony ho hita eo amin’ny fiainantsika fa manam-pinoana isika. (Jaona 3:16) Manaova àry toa an’i Elia. I Jehovah irery no nivavahany, ary nampirisika ny hafa hanao izany izy. Sahiny ny nampiharihary fa diso ny fivavahana tamin’i Bala, izay nampiasain’i Satana hampialana ny olona amin’i Jehovah. Tsy natoky tena izy na nanao izay tiany, fa natoky hoe i Jehovah no handamina ny zava-drehetra. Tena niaro ny fivavahana marina i Elia. Tahafo àry ny finoany!

^ feh. 9 Mazàna no rakotra zava-maitso i Karmela, satria mitondra orana sy ranon’ando be dia be any ny rivotra mando avy any an-dranomasina. Betsaka ny olona nivavaka tamin’i Bala teo amin’io tendrombohitra io, satria noheverin’izy ireo fa i Bala no mpandrotsaka orana. Karakaina anefa teo tamin’izay, ka nety tsara mba hampiharihariana fa diso ny fivavahana tamin’i Bala.

^ feh. 12 Nilaza i Elia hoe “aza asiana afo” ilay fanatitra. Misy manam-pahaizana milaza mantsy fa asian’ireo mpanompo sampy lavaka ao ambany alitarany indraindray ary asiany afo, ka lasa mino ny olona hoe fahagagana no nampirehitra an’ilay fanatitra.