Nosoratan’i Matio 4:1-25

  • Naka fanahy an’i Jesosy ny Devoly (1-11)

  • Nanomboka nitory tany Galilia i Jesosy (12-17)

  • Mpianatra voalohany nantsoina (18-22)

  • Nitory sy nampianatra ary nanasitrana i Jesosy (23-25)

4  Nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra i Jesosy avy eo, dia nalain’ny Devoly fanahy.+  Noana izy rehefa avy nifady hanina 40 andro sy 40 alina.  Dia nanatona azy ilay Mpaka fanahy,+ ka niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ireto vato ireto mba ho lasa mofo.”  Hoy anefa izy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain’i* Jehovah* koa.’”+  Nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ny Devoly avy eo,+ dia nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny* tempoly.+  Ary hoy izy taminy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny’, ary ‘hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.’”+  Dia hoy i Jesosy taminy: “Voasoratra koa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah* Andriamanitrao.’”+  Nentin’ny Devoly teo amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy. Dia nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.+  Ary hoy izy taminy: “Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” 10  Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ianao, ry Satana! Fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah* Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao,+ ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’”*+ 11  Dia nandao azy ny Devoly,+ ary ireo fa nisy anjely tonga nikarakara azy.+ 12  Rehefa henon’i Jesosy hoe nosamborina i Jaona,+ dia lasa nankany Galilia izy.+ 13  Niala tany Nazareta izy taorian’izay, dia nipetraka tao Kapernaomy,+ tanàna amoron-dranomasina, ao amin’ireo faritra misy an’i Zebolona sy Naftaly. 14  Tanteraka àry izay nasaina nolazain’i Isaia mpaminany hoe: 15  “Ry Galilia fonenan’ny hafa firenena, tanin’i Zebolona sy tanin’i Naftaly, izay eo amin’ny lalana mankany amin’ny ranomasina sady ampitan’ny Reniranon’i Jordana! 16  Nahita hazavana be ny olona nipetraka tao amin’ny haizina, ary niposahan’ny hazavana+ ireo nipetraka tao amin’ny faritra misy aloky ny fahafatesana.”+ 17  Nanomboka tamin’izay i Jesosy no nitory hoe: “Mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”+ 18  Nandeha teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy, indray mandeha, dia nahita mpirahalahy: I Simona izay antsoina hoe Petera,+ sy Andrea rahalahiny. Nanipy harato tao anaty ranomasina izy roa lahy, satria mpanarato.+ 19  Dia hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.”+ 20  Tonga dia namela ny haratony izy ireo ka nanaraka azy.+ 21  Mbola nandroso ihany izy dia nahita an’i Jakoba sy Jaona.+ Mpirahalahy izy ireo, ary zanak’i Zebedio. Tao an-tsambokely niaraka tamin’ny rainy izy roa lahy tamin’izay, nanamboatra ny simba tamin’ny haratony. Dia nantsoin’i Jesosy izy ireo,+ 22  ka tonga dia nandao an’ilay sambokely sy ny rainy, ary nanaraka azy. 23  Nandeha nanerana an’i Galilia manontolo+ izy avy eo, ka nampianatra tany amin’ny synagoga,+ sy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra tamin’ny vahoaka.+ 24  Ary niely nanerana an’i Syria ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy izay nijalijaly sy nanaintaina mafy noho ny aretina isan-karazany,+ ary izay nisy demonia+ sy voan’ny androbe+ ary nalemy. Dia nositraniny daholo ireny. 25  Koa nisy vahoaka be nanaraka azy avy any Galilia sy Dekapolisy* sy Jerosalema sy Jodia ary avy any ampitan’i Jordana.

Fanamarihana

Na: “ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i.”
Jereo F.F. A5.
Na: “teo amin’ny arofanin’ny; teo amin’ny fara tampon’ny.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”
Na: “ilay Faritra Misy Tanàna Folo.”