Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-22

Tsy Nivadika Mihitsy Izy

Tsy Nivadika Mihitsy Izy

1, 2. Inona no nantenain’i Petera, nefa inona no nitranga?

NITORY tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy i Jesosy, ary teo koa i Petera. Tanàna niavian’i Petera i Kapernaomy. Teny akaiky teny koa izy no niasa, teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Tonga hihaino an’i Jesosy ny olona, anisan’izany ny havan’i Petera sy ny namany ary ny mpiara-miasa taminy. Mba inona àry no ao an-tsain’izy ireo? Nanantena i Petera hoe ho faly toa azy ry zareo, rehefa mihaino an’ilay mpampianatra lehibe miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izany anefa no nitranga.

2 Maro no tonga dia lasa fa tsy nihaino an’i Jesosy teo intsony. Nisy kosa nimenomenona. Ny fihetsiky ny mpianatra sasany anefa no tena nampalahelo an’i Petera. Marina fa falifaly erỳ ry zareo tamin’ny vao nahare ny fahamarinana. Sosotra be anefa izy ireo izao. Nilaza mihitsy aza ny sasany hoe manafintohina ny tenin’i Jesosy. Lasa ry zareo nandeha, ary tsy vitan’izay fa tsy nanaiky ho mpianatr’i Jesosy intsony.—Vakio ny Jaona 6:60, 66.

3. Nanao ahoana i Petera noho izy nanam-pinoana?

3 Tsy mora tamin’i Petera sy ny apostoly hafa ilay izy. Na i Petera aza mantsy tsy tena nahazo izay tian’i Jesosy holazaina. Hoatran’ny manafintohina tokoa ny tenin’i Jesosy. Ahoana anefa no hataon’i Petera? Nila nifidy izy raha mbola hiaraka amin’i Jesosy na tsia. Tsy vao tamin’io izany no nitranga, ary tsy io koa no farany. Tsy nivadika mihitsy anefa izy satria nanam-pinoana. Andeha hojerentsika izany.

Tsy voatarika hivadika

4, 5. Matetika i Jesosy no nanao zavatra tsy araka ny noeritreretin’ny olona. Manomeza ohatra.

4 Imbetsaka i Petera no gaga tamin’i Jesosy. Matetika mantsy no tsy ampoizina ny zavatra ataony sy lazainy. Nanao fahagagana, ohatra, i Jesosy ny omalin’io, ka nanome sakafo olona an’arivony. Noteren’izy ireo hatao mpanjaka àry izy. Gaga  anefa ny olona fa nandositra izy, sady nasainy nandeha sambo nankany Kapernaomy ny mpianany. Taoriana kelin’izay indray, dia gaga ny mpianatra satria nandeha teny ambony rano nisamboaravoara izy. Nampianatra an’i Petera hanam-pinoana izy tamin’izay.

5 Nanaraka an-dry zareo ny vahoaka nony maraina. Tsy hoe te hihaino an’i Jesosy anefa izy ireo fa te hahazo sakafo fotsiny. Nanarin’i Jesosy àry izy ireo satria tsy mba niraharaha sakafo ara-panahy. (Jaona 6:25-27) Nitohy tany amin’ny synagogan’i Kapernaomy io resaka io. Gaga tamin’i Jesosy indray ny olona tao, satria nampianatra zavatra sarotra be izy. Tena zava-dehibe anefa izay nolazainy.

6. Inona ny fanoharana nataon’i Jesosy, ary ahoana no nandraisan’ny olona an’izany?

6 Tsy tian’i Jesosy hihevitra ny olona hoe mpanao asa soa fotsiny izy. Tiany ho takatr’izy ireo kosa fa nirahin’Andriamanitra hampianatra sy hanao sorona ny ainy izy, mba hahazoan’ny olona fiainana mandrakizay. Nanao fanoharana àry izy ka nampitovy ny tenany tamin’ny mana, ilay mofo nilatsaka avy tany an-danitra tamin’ny andron’i Mosesy. Tsy nino an’izany anefa ny olona, ka vao mainka izy nilaza zavatra tsy nampino. Niteny izy hoe mila mihinana ny nofony sy ny rany ny olona raha te hiaina mandrakizay. Teo vao tena tezitra ny vahoaka. Hoy ny sasany: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?” Maro tamin’ny mpianany àry no tsy nanaraka azy intsony. *Jaona 6:48-60, 66.

7, 8. a) Inona no mbola tsy takatr’i Petera? b) Inona no navaliny an’i Jesosy?

7 Inona izao no hataon’i Petera? Na izy koa aza mantsy tsy nahazo ny tenin’i Jesosy. Mbola tsy tena takany hoe tsy maintsy ho faty i Kristy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Handao an’i Jesosy toa an’ireo mpianatra hafa ve izy? Tsia. Nisy toetra nampiavaka azy tamin’izy ireo mantsy.

8 Nanontany ny apostoliny i Jesosy hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” (Jaona 6:67) Ireo 12 lahy no nanontaniany, fa i Petera no namaly. Efa fanaon’i Petera izany satria izy angamba no zokiny indrindra. Izy koa no sahy niteny indrindra, sady mazàna no lazainy daholo izay ao an-tsainy. Mampihetsi-po sy tsy hay hadinoina ny teniny. Hoy izy: “Tompo ô, hankany  amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:68.

9. Ahoana no ahitana fa tsy nivadika tamin’i Jesosy i Petera?

9 Tsy manohina ny fonao ve ireo teny ireo? Hita hoe tsy nivadika mihitsy izy, ary izany no nampiavaka azy. Tena natoky mantsy izy fa i Jesosy irery no Mpamonjy nirahin’i Jehovah, ary izay manaiky ny fampianarany momba ilay Fanjakana ihany no ho voavonjy. Marina fa nisy zavatra tsy azon’i Petera. Niaiky anefa izy hoe izay manara-dia an’i Jesosy ihany no hankasitrahan’Andriamanitra sy hiaina mandrakizay.

Tokony hanaiky ny fampianaran’i Jesosy isika, na dia tsy azoazontsika aza ilay izy na somary mahagaga antsika

10. Inona no dikan’ny hoe tsy mivadika amin’i Kristy?

10 Mino izany koa ve ianao? Mampalahelo fa maro no milaza fa tia an’i Jesosy nefa mivadika aminy ka tsy manaraka ny teniny. Raha tsy te hivadika amin’i Kristy isika, dia mila manahaka an’i Petera. Tokony handray tsara sy hiezaka hahatakatra ny fampianaran’i Jesosy isika ary hampihatra izany, na dia tsy azoazontsika aza ilay izy na somary mahagaga antsika. Raha tsy mivadika ihany isika vao hahazo fiainana mandrakizay.—Vakio ny Salamo 97:10.

Tsy nivadika na dia nanarina aza

11. Nandeha nankaiza ry Jesosy sy ny mpianany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Nianavaratra i Jesosy sy ny apostoly ary ny mpianatra sasany, taoriana kelin’izay. Ny Tendrombohitra Hermona no any amin’ny farany avaratr’i Israely, ary rakotra ranomandry ny tampony. Avo be izy io ka tazana any amin’ny faritra maro, na dia eny amin’ny Ranomasin’i Galilia aza. Vao mainka nijoalajoala ilay tendrombohitra, arakaraka ny nanatonan’izy ireo. Nanohy ny diany ihany izy ireo, ka tafakatra tany amin’ireo tanàna kely akaikin’i Kaisaria-Filipo. * Nahafinaritra be izay rehetra taza-maso rehefa nitodika nianatsimo izy ireo, satria saika tazana daholo ny Tany Nampanantenaina. Nametraka fanontaniana lehibe i Jesosy tamin’izay.

12, 13. a) Inona no tian’i Jesosy ho fantatra? b) Inona ny valin-tenin’i Petera ka manaporofo fa nanam-pinoana izy?

12 Hoy izy: “Lazain’ny vahoaka ho iza moa aho?” Alao sary an-tsaina ange e! Nijery an’i Jesosy i Petera, ka nahita fa tsara fanahy izy sady nahira-tsaina. Tena te hahafantatra i Jesosy hoe  ahoana ny hevitr’ireo nahita ny zavatra nataony sy nandre azy nampianatra. Nolazain’ny mpianany àry ny hevi-diso nananan’ny olona. Tsy nianina tamin’izay anefa i Jesosy, fa te hahalala koa hoe mitovy hevitra amin’ny olona ve ny mpianany. Nanontany àry izy hoe: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?”—Lioka 9:18-20.

13 Namaly avy hatrany indray i Petera, ka nolazainy mazava tsara ny hevitr’izy rehetra. Hoy izy: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” Azo inoana fa nitsiky i Jesosy sady nidera azy. Nampahatsiahy an’i Petera izy hoe i Jehovah fa tsy olona, no nampiharihary izany tamin’izy ireo. Tena nanam-pinoana i Petera, ka lasa nahalala fa i Jesosy no Kristy na Mesia nampanantenaina hatry ny ela! Izany no fahamarinana lehibe indrindra nampahafantarin’i Jehovah ny mpanompony tamin’izany.—Vakio ny Matio 16:16, 17.

14. Inona ny andraikitra lehibe nomen’i Jesosy an’i Petera?

14 I Kristy ilay vato holavin’ny mpanao trano, araka ny faminaniana. (Sal. 118:22; Lioka 20:17) Eo ambonin’io vato na vatolampy io no hanorenan’i Jehovah ny fiangonana kristianina. Niteny i Jesosy hoe homeny andraikitra lehibe eo anivon’io fiangonana io i Petera. Misy mihevitra fa nataon’i Jesosy ambony noho ny apostoly hafa i Petera. Tsy marina anefa izany. Nomeny andraikitra fanampiny fotsiny izy. Nomeny azy ‘ny lakilen’ilay fanjakana.’ (Mat. 16:19) Ahoana izany? Izy no nasaina nitory voalohany tamin’ny karazan’olona telo samy hafa, mba hidiran’izy ireo ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Voalohany ny Jiosy, faharoa ny Samaritanina, ary farany ny hafa firenena.

15. Inona ny tenin’i Petera tamin’i Jesosy, ary nahoana izy no nilaza izany?

15 Nilaza anefa i Jesosy fa izay nomena be dia hitakiana be, ary nihatra tamin’i Petera mihitsy izany. (Lioka 12:48) Mbola niteny zavatra hafa tena lehibe mantsy i Jesosy ka tokony hoe nanohana an’izany izy, nefa tsy neken’ny sainy ilay izy. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy hijaly sy ho faty any Jerosalema. Nentin’i Petera nihataka kely anefa izy, ary noteneniny mafy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.”—Mat. 16:21, 22.

16. Ahoana no nanitsian’i Jesosy an’i Petera, ary inona ny lesona raisintsika avy amin’izany?

 16 Tena nitady izay hahasoa an’i Jesosy i Petera. Taitra àry izy satria nanome lamosina azy i Jesosy sady niteny hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.” (Mat. 16:23; Mar. 8:32, 33) Nijery an’ireo mpianatra hafa i Jesosy rehefa niteny an’izany, satria azo inoana fa nitovy hevitra tamin’i Petera izy ireo. Mety hitovy amin’izy ireo koa isika. Izay heverintsika fa mety fotsiny indraindray no tonga dia atorontsika ny olona, fa hadinontsika ny hevitr’Andriamanitra. Marina fa te hanampy azy isika, nefa mety ho lasa mampirisika azy hanao ny sitrapon’i Satana fa tsy ny an’i Jehovah. Ahoana no nandraisan’i Petera an’ilay fanitsiana?

17. Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mankanesa ato ivohoko”?

17 Fantatr’i Petera fa tsy te hilaza i Jesosy hoe Satana Devoly izy. Tsy nitovy mantsy ny teniny tamin’i Petera sy tamin’i Satana. I Satana nataony hoe: “Mandehana ianao”, fa i Petera kosa nataony hoe: “Mankanesa ato ivohoko.” (Mat. 4:10) Tsy nandroaka an’io apostoly tsara toetra io i Jesosy, fa nanitsy azy fotsiny. Tsy tokony ho vato mahatafintohina eo anoloany mantsy i Petera, izany hoe hanakana azy tsy hanao ny sitrapon’ny Rainy. Tokony ho ao ivohony kosa izy, izany hoe hanohana azy.

Mila manetry tena isika ka manaiky hahitsy, amin’izay ho tia antsika foana i Jehovah sy Jesosy

18. Inona ny porofo fa tsy nivadika i Petera, ary ahoana no hanahafantsika azy?

18 Namalivaly ve i Petera, sa tezitra, sa nimonjomonjo? Tsia. Nanetry tena izy, ka nanaiky hahitsy. Hita indray fa tsy nivadika izy. Mila fanitsiana koa isika rehetra indraindray. Mila manetry tena isika ka manaiky hahitsy, amin’izay ho tia antsika foana i Jehovah sy Jesosy.—Vakio ny Ohabolana 4:13.

Tsy nivadika mihitsy i Petera, na dia nahitsin’i Jesosy aza

Notahina satria tsy nivadika

19. Inona ny zavatra nahagaga notenenin’i Jesosy, ary inona no mety ho noeritreretin’i Petera?

19 Nilaza zavatra nahagaga indray i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’ olona ho tonga ao amin’ny fanjakany.” (Mat. 16:28) Fitahiana lehibe tokoa izany ka azo antoka fa nanaitra ny sain’i Petera. Mety ho nieritreritra koa anefa izy hoe tsy hahazo an’izany, satria vao avy nanarina mafy.

20, 21. a) Inona ilay zava-niseho hitan-dry Petera? b) Ahoana no ahitana fa diso hevitra i Petera?

20 Afaka herinandro teo ho eo anefa, dia nentin’i Jesosy tany “an-tendrombohitra avo” tsy lavitra teo i Petera sy Jakoba ary Jaona. Ny Tendrombohitra Hermona angamba izy io. Efa alina angamba ny andro satria te hatory be izy telo lahy. Nisy zava-niseho tampoka anefa tamin’i Jesosy mbola nivavaka, ka nisava tanteraka ny torimason’izy ireo.—Mat. 17:1; Lioka 9:28, 29, 32.

21 Namirapiratra ny tarehin’i Jesosy ka lasa toy ny masoandro, ary fotsy nanjelanjelatra ny akanjony. Nisy roa lahy niseho teo akaikiny, dia i Mosesy sy Elia. Niresaka teo ry zareo  momba ny “hahalasanan’i Jesosy, izay efa voatendry hitranga any Jerosalema”, izany hoe momba ny hahafatesany sy ny hananganana azy amin’ny maty. Tena diso hevitra àry i Petera rehefa nilaza fa tsy hanjo an’i Jesosy mihitsy izany.—Lioka 9:30, 31.

22, 23. a) Nahoana isika no milaza fa tena nafana fo sy tsara fanahy i Petera? b) Inona koa ny fitahiana azon’i Petera sy Jakoba ary Jaona?

22 Te handray anjara tamin’io fahitana niavaka io i Petera. Hoatran’ny nitady handeha mantsy i Mosesy sy Elia, ka hoy izy: “Mpampianatra ô, tsara ho antsika eto, koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” Mazava ho azy fa tsy nilaina izany, satria fahitana fotsiny ilay izy, sady efa ela no maty ireo mpanompon’i Jehovah ireo. Tsy nieritreritra tsara an’izay nolazainy àry i Petera. Tsy mba mahafinaritra anao ve anefa ny toetrany? Tena nafana fo sy tsara fanahy mantsy izy.—Lioka 9:33.

Nahazo fitahiana niavaka i Petera sy Jakoba ary Jaona, satria nahita an’i Jesosy niova tarehy

23 Mbola nahazo fitahiana niavaka izy telo lahy, io alina io. Nisy rahona teo ambonin’izy ireo, ary nisy feo avy tao. Feon’i Jehovah Andriamanitra ilay izy, nanao hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko. Henoy izy.” Tapitra ilay fahitana avy eo, ary i Jesosy sy izy telo lahy sisa no teo.—Lioka 9:34-36.

24. a) Inona ny soa azon’i Petera tamin’ilay fahitana? b) Inona no azonao atao raha te handray soa avy amin’iny fahitana iny ianao?

24 Tena sarobidy io fahitana io, na ho an’i Petera na ho antsika! Nanoratra izy, am-polony taona tatỳ aoriana, fa nahazo fitahiana lehibe satria ‘nahita maso ny fahambonian’i Jesosy.’ Hitany mialoha hoe hanao ahoana i Jesosy rehefa ho mpanjaka any an-danitra. Voaporofo koa fa tena ho tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Nanatanjaka ny finoan’i Petera koa ilay fahitana ka nanampy azy rehefa nisy fitsapana indray tatỳ aoriana. (Vakio ny 2 Petera 1:16-19.) Ary ianao? Te handray soa avy amin’iny fahitana iny ve ianao? Tahafo i Petera, ka aza mivadika amin’ilay Tompo notendren’i Jehovah hitarika antsika. Avelao izy hampianatra sy hanitsy anao, ary manetre tena ka manaraha foana ny diany. Hatanjaka ny finoanao amin’izay, ary hahazo fitahiana ianao.

^ feh. 6 Mora miovaova hevitra ireo vahoaka ireo. Vao omalin’io mantsy ry zareo no nafana fo erỳ nilaza fa mpaminanin’Andriamanitra i Jesosy.—Jaona 6:14.

^ feh. 11 Nahatratra 50 kilaometatra ilay dia. Niainga teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, ka niakatra tany amin’ny 560 metatra. Tena kanto ny toerana nolalovany.