Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-5

Ilay Vehivavy Tena Tsara

Ilay Vehivavy Tena Tsara

1, 2. a) Inona no nataon’i Rota tamin’izy niasa teny an-tsaha? b) Inona avy no lasa fantatr’i Rota momba ny Lalàna sy ny Israelita sasany?

EFA hariva ny andro, ka ireny fa mody tsikelikely ny mpiasa eny an-tsaha. Hody ao Betlehema izy ireo, ilay tanàna kely erỳ an-tampon-kavoana. I Rota kosa mbola miasa, nefa efa manakotsako daholo ny vatany. Tsy nijanona mihitsy izy hatry ny maraina. Betsaka ihany ny salohim-bary voangony. Mandohalika mively azy ireo amin’ny hazo izy, mba hampihintsana ny voam-bary. Nahafinaritra ihany anefa ny tontolo androny, tsy araka ny nanampoizany azy.

2 Efa hihatsara amin’izay ve ny fiainany? Hitantsika teo aloha fa niaraka tamin’ny rafozany foana i Rota. Nivoady mihitsy aza izy fa tsy hahafoy azy sady hivavaka amin’i Jehovah, na dia Moabita aza. Vao tonga kelikely tao Betlehema ry zareo, dia henon’i Rota fa nisy lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita mba hanampiana ny mahantra sy ny vahiny. Hitany koa fa tena nankatò an’io lalàna io ny Israelita sasany, ka tsara fanahy be taminy. Azo inoana fa nampitony ny alahelony izany.

3, 4. a) Inona no nataon’i Boaza ka nahafaly an’i Rota? b) Inona no hanampy antsika hahazaka ny adim-piainana?

3 Tsara fanahy taminy, ohatra, i Boaza. Efa antitrantitra izy, ary mpanankarena. Izy no tompon’ilay tanimboly nitsimponan’i Rota vary orza. Noraisiny tsara toy ny zanany i Rota. Noderainy izy satria nikarakara an’i Naomy sady nifidy ny hialoka tamin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Faly erỳ i Rota nieritreritra ny tenin’i Boaza.—Vakio ny Rota 2:11-14.

4 Mety ho mbola niady saina ihany anefa izy hoe: ‘Hanao ahoana ity fiainako ity? Hahavelona anay mianaka ve raha mitsimpona salohim-bary fotsiny aho? Ary iza no hikarakara ahy rehefa antitra aho?’ Tsy mahagaga izany, satria izy nahantra sady tsy tompon-tany. Tsy nanana vady na zanaka nianteherana koa  izy. Soa ihany anefa fa nanam-pinoana izy, ka zakany ny adin-tsainy. Miady saina noho ny adim-piainana koa ny ankamaroantsika, nefa hahazaka izany raha manahaka azy.

Tena fianakaviana izy ireo

5, 6. a) Vary firy kilao no voangon’i Rota? b) Nanao ahoana i Naomy rehefa nahita an’i Rota?

5 Nangonin’i Rota ilay vary rehefa voavely. Nahazo tokony ho iray efaha na 14 kilao teo ho eo izy! Nafatony tao anaty lamba angamba ilay izy ary nololohaviny, dia iny izy fa nody. Efa hariva be tamin’izay.—Rota 2:17.

6 Faly erỳ i Naomy nahita an’ilay vinantony mamin’ny fony. Gaga angamba izy nijery an’ilay entam-be nololohaviny. Nomen’i Boaza sakafo koa i Rota, ka nentiny nody ny ambiny ary nozarain’izy mianaka. Nanontany i Naomy hoe: “Taiza ianao no nitsimpona androany, ary taiza ianao no niasa? Hotahina anie ilay niahy anao!” (Rota 2:19) Nahay nandinika i Naomy. Fantany fa nisy olona tsara fanahy tamin’i Rota matoa izy nitondra vary be dia be.

7, 8. a) Noraisin’i Naomy hoe avy amin’iza izay nomen’i Boaza an’i Rota, ary nahoana? b) Inona no porofo fa tena tia sy tsy nahafoy an’i Naomy i Rota?

7 Niresadresaka amin’izay izy mianaka. Notantarain’i Rota ny nataon’i Boaza taminy. Faly erỳ i Naomy ka hoy izy: “Hitahy azy anie i Jehovah, izay tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny velona sy ny maty!” * (Rota 2:20) Noraisin’i Naomy hoe avy amin’i Jehovah izay nomen’i Boaza an’i Rota. I Jehovah mantsy no mampirisika ny mpanompony halala-tanana sy ho tsara fanahy, ary mampanantena fa hanonitra an’izay nomen’ilay olona.—Vakio ny Ohabolana 19:17.

8 Nilaza tamin’i Rota i Boaza hoe eny an-tanimboliny sy eny akaikin’ny ankizivavy mpiasany ihany mitsimpona vary, amin’izay tsy hadalain’ny ankizilahy mpijinja. Nasain’i Naomy nanaraka an’izany i Rota, ka nankatò. Tsy vitan’izay fa ‘niara-nonina tamin’io rafozambaviny io foana’ izy. (Rota 2:22, 23) Hita indray hoe tena tia an’i Naomy i Rota sady tsy nahafoy azy. Ary izay no nampiavaka an’i Rota. Ahoana ny amintsika? Tena tia ny  fianakaviantsika ve isika, ka mampahery sy manampy azy ireo? Hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay.

Manahafa an’i Rota sy Naomy, ka tiavo ny fianakavianao na firy ianareo na firy

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Rota sy Naomy?

9 Azo lazaina hoe fianakaviana ve i Rota sy Naomy? Misy mieritreritra hoe izay misy ray aman-dreny sy zanaka ary dadabe sy bebe ihany no tena fianakaviana. Hitantsika tamin’ny tantaran’i Rota sy Naomy anefa fa mbola azo lazaina hoe fianakaviana foana na vitsy kely toy inona aza, rehefa mifankatia sy mifanampy. Tena tianao àry ve ny fianakavianao na firy ianareo na firy? Ary ahoana raha tsy manana fianakaviana ianao? Nampanantena i Jesosy fa handray anao ho toy ny fianakaviany ny fiangonana.—Mar. 10:29, 30.

Nifanampy sy nifampahery i Rota sy Naomy

“Anisan’ny mpanavotra antsika” izy

10. Inona no tian’i Naomy hatao?

10 Manomboka volana Aprily ny fijinjana vary orza, ary Jona ny varimbazaha. Nitsimpona teny an-tanimbolin’i Boaza foana àry i Rota nandritra ny telo volana. Azo inoana fa lasa saina i Naomy, rehefa nandeha ny fotoana, hoe sao dia misy azony atao ho an’ilay vinantony ihany. Marina fa nieritreritra izy tany Moaba hoe tsy hahita vady ho an’i Rota intsony. (Rota 1:11-13) Nahita hevitra anefa izy izao ka hoy izy tamin’i Rota: “Tsy tokony hitady tokantrano hiadananao ve aho, anaka?” (Rota 3:1) Fanaon’ny ray aman-dreny tamin’izany ny nitady vady ho an-janany. Nihevitra an’i Rota ho toy ny zanany mihitsy i Naomy ka te hitady ‘tokantrano hiadanany’, izany hoe vady hamelona sy hiaro azy. Inona anefa no azon’i Naomy atao?

11, 12. a) Inona ny lalàn’Andriamanitra tao an-tsain’i Naomy tamin’izy niteny hoe “mpanavotra” i Boaza? b) Ahoana no nandraisan’i Rota ny soso-kevitr’i Naomy?

11 Tamin’i Rota niresaka voalohany momba an’i Boaza, dia hoy i Naomy: “Havantsika izay lehilahy izay, ary anisan’ny mpanavotra antsika.” (Rota 2:20) Inona no tiany holazaina? Nisy lalàna nomen’Andriamanitra mba hanampiana an’izay mahantra na maty fianakaviana. Anisan’ny notsinjovina tamin’io lalàna io ny vehivavy, satria izy ireny no tena nijaly raha maty vady nefa mbola tsy niteraka. Tsy hanan-taranaka mantsy izy, ka ho lasan’ olon-kafa ny lovany. Tsy hisy hitondra koa ny anaran’ny vadiny. Nanome lalàna àry Andriamanitra hoe afaka manambady an’ilay vehivavy ny rahalahin’ny vadiny, ka ‘manavotra’ azy. Ho afaka hiteraka izy ireo amin’izay ka ilay zaza no hitondra ny anaran’ilay olona maty sy handova ny fananan’izy io any aoriana. *Deot. 25:5-7.

12 Noresahin’i Naomy tamin’i Rota àry ny hevitra hitany. Azo antoka fa gaga be i Rota. Mbola vaovao taminy na ny Lalàna na ny fanaon’ny Israelita, ka mety hoe tsy azoazony ny zavatra nasain’i Naomy nataony. Mahamenatra koa ilay izy sady mety hanala baraka mihitsy. Tena nanaja an’i Naomy anefa izy ka nihaino tsara azy sady nankatò. Nalemy fanahy erỳ izy namaly hoe: “Hataoko daholo izay lazainao amiko.”—Rota 3:5.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Rota rehefa misy manoro hevitra antsika? (Jereo koa ny Joba 12:12.)

13 Tsy tian’ny tanora indraindray ny mihaino ny torohevitry ny olon-dehibe. Tsy dia mahatakatra ny olana manjo azy, hono, izy ireny. Hita avy amin’ny tantaran’i Rota anefa fa tena mahasoa ny mihaino ny torohevitra tsara omen’ny olon-dehibe. Tia antsika sy te hanampy antsika mantsy izy ireny. (Vakio  ny Salamo 71:17, 18.) Fa inona marina no nasain’i Naomy nataon’i Rota, ary nahasoa an’i Rota ve ilay izy?

Teny am-pamoloana

14. Inona no natao teny amin’ny famoloana?

14 Nasain’i Naomy nankany am-pamoloana i Rota ny harivan’io, mba hihaona amin’i Boaza. Ny famoloana dia toerana mahitsy sy mafy tsara. Matetika no natao teny amin’ny havoana ilay izy satria mandrivotra be eny rehefa hariva, ka eny ny mpiasa no mikororoka vary. Ingaina amin’ny lapelina na fitaovana hafa ny vary rehefa voavely, ary atsipy. Entin’ny rivotra ny akofa sy ny mololo satria maivana, fa ny voam-bary kosa milatsaka amin’ny tany.

15, 16. a) Inona no nataon’i Boaza rehefa avy niasa, ary inona no nataon’i Rota avy eo? b) Ahoana no nahitan’i Boaza hoe nisy natory teo an-tongony?

15 Efa ho vita ny asa ary efa nihanisavovona be ny vary, rehefa tonga teny i Rota. Nitazana ny mpiasa izy saingy niafinafina. Io i Boaza fa mbola manara-maso azy ireo. Nisakafo izy avy eo sady nankafy erỳ. Rehefa voky izy, dia natory teo an-tsisin’ilay vary. Izany no fanaon’ny olona tamin’izany, amin’izay angamba tsy misy mangalatra ny variny. Hitan’i Rota avy eo fa efa nitsotsotra tsara i Boaza, ka nataony amin’izay ilay notenenin’i Naomy.

16 Nitsaitsaika izy nanatona an’i Boaza. Nidobodoboka be ny fony. Hitany hoe efa renoka i Boaza. Izay notenenin’i Naomy  mihitsy no nataony. Nesoriny ny lamba teo an-tongotr’i Boaza, ary natory teo akaiky teo izy dia niandry. Hoatran’ny adiny zato angamba ilay izy! Efa misasakalina tany ho any vao nikofoka i Boaza. Nangatsiaka izy ka niarina mba handrakotra ny tongony. Hoatran’ny nisy olona anefa teo. Hoy ny Rota 3:8: “Vehivavy natory teo an-tongony no hitany!”

17. Inona no tokony ho fantatr’izay mieritreritra hoe te hisarika an’i Boaza hanao firaisana i Rota?

17 Hoy i Boaza: “Fa iza ianao?” Azo inoana fa nangovitra i Rota namaly hoe: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra ianao.” (Rota 3:9) Misy manam-pahaizana milaza fa te hisarika an’i Boaza hanao firaisana i Rota matoa nanao an’izany rehetra izany. Misy zavatra roa tokony ho fantatr’izy ireo anefa. Voalohany, marina fa tsy fanao amin’izao intsony ilay nataon’i Rota, nefa efa fanao tamin’izany ka tsy ratsy tamin’ny Israelita. Tsy mety àry raha ampitovina amin’ireny olona ratsy fitondran-tena ankehitriny ireny izy. Faharoa, tsy nieritreritra mihitsy i Boaza hoe ratsy ny nataon’i Rota. Izy aza nidera an’i Rota.

Tsy nieritreri-dratsy i Rota, fa nahafoy tena kosa

18. Inona ny tenin’i Boaza nampahery an’i Rota? Ary inona no tiany holazaina amin’ilay hoe “tamin’ny voalohany” sy “izao”?

18 Tsara fanahy i Boaza rehefa niteny, ka azo antoka fa nampahery an’i Rota izany. Hoy izy: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena.” (Rota 3:10) Tia an’i Naomy i Rota ary tsy nahafoy azy mihitsy fa nanaraka azy hatrany Betlehema sady nikarakara azy. Izay ilay hoe “tamin’ny voalohany” tian’i Boaza horesahina. Nilaza koa anefa i Boaza fa tsara fanahy i Rota “izao.” Mbola tanora i Rota ka afaka nanambady tovolahy. Vonona hanambady an’i Boaza anefa izy satria te hanao soa amin’i Naomy sy Elimeleka. Tiany hisy hitondra ny anaran’i Elimeleka. Tena faly àry i Boaza satria tsy mba tia tena i Rota.

19, 20. a) Nahoana i Boaza no tsy tonga dia nanaiky hanambady an’i Rota? b) Ahoana avy no nampisehoan’i Boaza fa tsara fanahy tamin’i Rota izy?

19 Hoy koa i Boaza: “Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao. Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny  fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara tokoa ianao.” (Rota 3:11) Mety ho efa fantapantatr’i Boaza hoe hiangavian’i Rota hanavotra azy izy. Ary tiany ny hanambady an’i Rota. Olo-marina anefa i Boaza ka tsy nanao izay tiany fotsiny. Nilaza àry izy fa nisy havana akaiky kokoa an-dry Naomy afaka manavotra an’i Rota. Hanontaniany aloha io lehilahy io raha hanaiky hanambady an’i Rota.

Lasa tsara laza i Rota satria nanaja olona sy tsara fanahy

20 Nasain’i Boaza natory aloha i Rota, nefa tsy navelany hiandry mazava loatra vao hody sao hisy hahita. Tsy tiany hieritreritra ny olona hoe nijangajanga ry zareo, ka ho lasa ratsy laza i Rota, ary na izy koa aza. Natory teo akaikin’ny tongotr’i Boaza indray àry i Rota, ary mety ho efa nilamindamina ny sainy. Nomen’i Boaza vary orza be dia be izy raha vao nangiran-dratsy, ary nody tany Betlehema.—Vakio ny Rota 3:13-15.

21. Nahoana i Rota no nalaza hoe “tena vehivavy tsara”, ary ahoana no hanahafantsika azy?

21 Faly erỳ i Rota nieritreritra ny tenin’i Boaza hoe nalaza ho “tena vehivavy tsara” izy. Azo antoka fa niezaka nahafantatra an’i Jehovah sy te hanompo azy i Rota, ka izay no tena nahatonga azy ho tsara laza. Tsara fanahy be tamin’i Naomy sy ny Israelita koa i Rota, ka nanaja sy nanaraka ny fomba amam-panaon’izy ireo, na dia hafahafa taminy aza ilay izy. Miezaha àry hanahaka an’i Rota, ka hajao ny olon-kafa sy ny fomba amam-panaony. Ho tsara laza isika amin’izay.

Nahazo tokantrano hiadanana

22, 23. a) Nahoana no inenin’ny famarana ny vary nomen’i Boaza? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona no nasain’i Naomy nataon’i Rota?

22 Hoy i Naomy tamin’i Rota rehefa tonga izy: “Iza ianao, anaka?” Tsy hitany tsara angamba i Rota, satria mbola maizimaizina ny andro. Mety ho te hahalala koa anefa izy hoe efa hanambady amin’izay ve i Rota sa mbola hoatran’ny taloha ihany. Tonga dia notantarain’i Rota taminy izay rehetra nataon’i Boaza. Nasehony koa ilay vary be dia be nampitondrain’i Boaza. *Rota 3:16, 17.

 23 Nasain’i Naomy nijanona tao an-trano àry i Rota fa tsy handeha ho any an-tanimboly. Nanome toky azy i Naomy hoe: “Tsy hipetrapetraka mihitsy ralehilahy raha tsy voalaminy anio ihany io raharaha io.”—Rota 3:18.

24, 25. a) Inona ny porofo fa olo-marina sy tsy tia tena i Boaza? b) Inona avy ny fitahiana azon’i Rota?

24 Marina ny tenin’i Naomy. Nankany am-bavahadin’ny tanàna i Boaza. Teny mantsy no nihaona ny anti-panahin’ny tanàna. Nandrasany handalo ilay havana akaiky kokoa an’i Naomy. Nanontany an’io lehilahy io teo imason’ireo anti-panahy i Boaza avy eo raha te hanavotra an’i Rota izy ka hanambady azy. Tsy nanaiky anefa ilay lehilahy satria te hiaro ny tombontsoany. Nilaza àry i Boaza fa izy no hanavotra an’i Rota, vady navelan’i Malona zanak’i Elimeleka. Hovidiny ny tanin-dry Naomy ary halainy ho vadiny i Rota. Hisy hitondra ny “anaran’ny maty” amin’izay, ary ny taranany ihany no handova ny fananana navelany. (Rota 4:1-10) Tena olo-marina sy tsy tia tena i Boaza.

25 Nanambady an’i Rota i Boaza, ary “nataon’i Jehovah nanana anaka ravehivavy ka tera-dahy.” Nirary soa an’i Naomy ny vehivavy tao Betlehema, ary nidera an’i Rota hoe tsara kokoa noho ny zanaka fito lahy izy. Lasa razamben’i Davida Mpanjaka ilay zanak’i Rota. (Rota 4:11-22) Ary i Davida kosa lasa razamben’i Jesosy Kristy.—Mat. 1:1. *

Notahin’i Jehovah i Rota ka lasa razamben’ny Mesia

26. Inona no fantatsika avy amin’ny tantaran’i Rota sy Naomy?

26 Nanampy an’i Rota nitaiza an’ilay zaza i Naomy, ary nataony toy ny zanany naterany mihitsy izy io. Tena notahin’i Jehovah i Rota sy Naomy. Hitan’i Jehovah àry izay miasa mafy mba hamelona ankohonana sy manompo azy foana miaraka amin’ny vahoakany. Tsy maintsy hovaliany soa izay miezaka hanam-pinoana, toa an’i Boaza sy Naomy ary Rota.

^ feh. 7 Nahoana i Naomy no nilaza hoe tsara fanahy i Jehovah, na dia amin’ny maty aza? Tena tian’i Naomy sy Rota i Elimeleka sy Kiliona ary Malona, na dia efa maty aza. Ary raha mbola teo izy telo lahy, dia azo inoana koa fa tiany ho voakarakara tsara i Rota sy Naomy. Nokarakarain’i Jehovah tsara àry izy mianaka, ka midika izany fa mbola tsara fanahy tamin’ny fianakaviany efa maty izy.

^ feh. 11 Iza no manana zo hanambady an’ilay vehivavy sy hitantana ny lovan’ilay maty? Ny rahalahin’ilay maty aloha, fa raha tsy mety izy vao ny havany akaiky hafa.—Nom. 27:5-11.

^ feh. 22 Vary inenin’ny famarana no nomen’i Boaza an’i Rota. Inona no mety ho dikan’izany? Niasa enina andro ny Israelita ary niala sasatra tamin’ny andro fahafito na Sabata. Te hiteny angamba izy hoe kely sisa i Rota dia hiala sasatra, izany hoe hahazo tokantrano hiadanana. Tsy voatery ho izay koa anefa no dikany, fa mety hoe inenin’ny famarana ihany no zakan’i Rota. Mety ho eran’ny lapelina be mantsy ny iray famarana.

^ feh. 25 Iray amin’ireo vehivavy dimy lasa razamben’i Jesosy i Rota. Anisan’ireo koa i Rahaba, renin’i Boaza. (Mat. 1:3, 5, 6, 16) Samy tsy Israelita izy sy Rota.