Salamo 103:1-22

  • “Hidera an’i Jehovah aho”

    • Esorin’i Jehovah lavitra be antsika ny fahotantsika (12)

    • Toy ny ray mamindra fo i Jehovah (13)

    • Tsy hadinon’i Jehovah hoe vovoka isika (14)

    • Ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny fanjakany (19)

    • Manatanteraka ny baikon’i Jehovah ny anjely (20)

Nataon’i Davida. 103  Hidera an’i Jehovah aho!Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.   Hidera an’i Jehovah aho!Tsy hohadinoiko mihitsy anie izay rehetra nataony!+   Mamela ny fahadisoanao rehetra izy,+Ary manasitrana ny aretinao rehetra;+   Manavotra ny ainao tsy ho lasa any an-davaka* izy,+Ary ataony toy ny satroboninahitra eny aminao ny fitiavany sy ny tsy fivadihany ary ny famindram-pony.+   Ataony afa-po amin’ny zava-tsoa+ ianao mandritra ny androm-piainanao,Mba hihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.+   Manao ny rariny sy ny hitsiny+ i JehovahAmin’izay rehetra ampijalina.+   Nampahafantariny an’i Mosesy ny lalany,+Ary nolazainy tamin’ny zanak’Israely ny zavatra nataony.+   Mamindra fo sy mangoraka*+ i Jehovah,Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+   Tsy hanameloka antsika foana noho ny fahadisoana nataontsika izy,+Na hitana lolompo mandrakizay.+ 10  Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy,+Na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.+ 11  Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tanyNy haben’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana asehony amin’izay matahotra azy.+ 12  Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+ 13  Mamindra fo amin’ny zanany ny ray,Dia toy izany koa fa mamindra fo amin’izay matahotra azy i Jehovah.+ 14  Fa fantany tsara ny nanaovana antsika,+Ary tsy hadinony hoe vovoka+ ihany isika. 15  Mihelina toy ny ahitra ny androm-piainan’ny olombelona mety maty;+Mamony toy ny voninkazo eny an-tsaha izy.+ 16  Vao tsofin’ny rivotra anefa izy dia tsy eo intsony,Hoatran’ny hoe tsy teo mihitsy.* 17  Ho mandrakizay kosa ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihanyAmin’izay matahotra azy,+Ary ny fahamarinany dia asehony hatramin’ny taranak’izy ireo fara aman-dimby,+ 18  Dia amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataonySy ireo mankatò an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny. 19  Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany;+Ary ny fanjakany no mifehy ny zava-drehetra.+ 20  Derao i Jehovah, ry anjeliny rehetra+ tena mahery,Izay manatanteraka ny baikony+ sy mankatò ny teniny.* 21  Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra,+Dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.+ 22  Derao i Jehovah, ry zavaboariny rehetra,Any amin’ny toerana rehetra anjakany. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!

Fanamarihana

Na: “am-pasana.”
Na: “miantra.”
Na: “tena be fitiavana sy tsara fanahy.”
Abt: “Ary tsy mahalala azy intsony izay toerana nisy azy.”
Abt: “mihaino ny feon’ny teniny.”