Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-11

Niandry Izy Sady Niambina Hatrany

Niandry Izy Sady Niambina Hatrany

1, 2. Inona no tsy maintsy nataon’i Elia, na dia tsy tiany aza? Ary inona no tsy nitovizany tamin’i Ahaba?

VAO avy nandatsaka afo avy any an-danitra i Elia. Azo antoka àry fa be dia be ny olona nanatona azy sy nila ranondranony taminy. Izy anefa efa te hiakatra tany an-tampon’i Karmela, mba hivavaka irery amin’ilay Rainy any an-danitra. Mbola tsy maintsy hiresaka amin’i Ahaba Mpanjaka anefa izy aloha, na dia tsy tiany aza izany.

2 Efa ho hariva tamin’izay. Niharihary nandritra ny andro hoe tena tsy nitovy i Ahaba sy Elia. I Ahaba nihaingo be sady nanao akanjona mpanjaka. Mpivadi-pinoana sy tsy nety afa-po tamin’izay nananany izy, sady tsy nanana hazondamosina. I Elia kosa nanao akanjona mpaminany. Tsotra ilay izy ary vita tamin’ny hoditra na volon-drameva na volon’osy. Nanam-pinoana sy be herim-po anefa izy, ary tsy nivadika.

3, 4. a) Nahoana no afa-baraka i Ahaba sy ny mpivavaka tamin’i Bala? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

3 Tena afa-baraka i Ahaba sy ny mpivavaka tamin’i Bala tamin’io andro io. Hitan’ny Israelita mantsy fa diso ny fivavahana tamin’i Bala, nefa ry Ahaba sy Jezebela nampirisika ny olona hanaraka an’ilay izy. Niharihary fa sampy tsy mananaina i Bala. Afo kely aza tsy hainy ny nandrehitra azy, nefa efa mba nitalaho mafy sy nitsinjatsinjaka ary nandratra tena mihitsy ny mpaminaniny. Tsy vitan’io andriamani-diso io koa ny niaro ny mpanompony 450 tsy ho faty. Tsy izay ihany anefa. Efa telo taona mahery ny mpaminanin’i Bala no nangataka taminy, mba hampitsahatra an’ilay hain-tany nampijaly ny olona. Tsy hainy anefa izany. Hamarana azy io tsy ho ela kosa i Jehovah, ka ho voaporofo fa izy no tena Andriamanitra.—1 Mpanj. 16:30–17:1; 18:1-40.

4 Rahoviana anefa i Jehovah no hanao an’izany? Inona no  hataon’i Elia mandra-piandry an’izay? Ary inona no ianarantsika avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io? Andao harahintsika ilay tantara.—Vakio ny 1 Mpanjaka 18:41-46.

Nazoto nivavaka

5. Inona no nasain’i Elia nataon’i Ahaba, ary niova ve i Ahaba?

5 Hoy i Elia tamin’i Ahaba: “Miakara ka mihinàna sy misotroa, fa injany ny feon’ny oram-be mivatravatra.” Fa mba efa niova ve aloha io mpanjaka io e? Tsy hita mihitsy hoe nibebaka izy, na dia tsy milaza izany aza ny Baiboly. Tsy mba niangavy an’i Elia koa izy hanampy azy hifona amin’i Jehovah. Lasa fotsiny izy ‘nihinana sy nisotro.’—1 Mpanj. 18:41, 42.

6, 7. Inona no nangatahin’i Elia tamin’ny vavaka, ary nahoana?

6 Maika hisakafo i Ahaba, fa i Elia kosa nandeha nivavaka tamin’ilay Rainy. “Niakatra teo an-tampon’i Karmela” i Elia, dia nihohoka “teo amin’ny tany, ka nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny.” Nanetry tena izy matoa niondrika be teo amin’ny tany, ka tonga hatreny amin’ny lohaliny ny tarehiny. Milaza ny Jakoba 5:18 fa nivavaka izy mba ho tapitra  ilay hain-tany. Azo inoana fa tamin’iny izy teo Karmela iny no nangataka an’izay.

Hita tamin’ny vavak’i Elia fa tena tiany ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra

7 Efa nilaza i Jehovah fa “handatsaka orana amin’ny tany.” (1 Mpanj. 18:1) Nivavaka àry i Elia mba ho tanteraka izany satria izay no sitrapon’ny Rainy. Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba ny sitrapon’i Jehovah koa ny mpianany, arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Mat. 6:9, 10.

8. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavak’i Elia?

8 Inona no ianarantsika avy amin’ny vavak’i Elia? Voalohany, ny sitrapon’Andriamanitra no noresahiny voalohany. Rehefa mivavaka koa isika, dia tokony ‘hifanaraka amin’ny sitrapony’ ny zavatra angatahintsika, amin’izay izy mihaino antsika. (1 Jaona 5:14) Mila mianatra Baiboly tsy tapaka anefa isika, mba hamantarantsika ny sitrapon’i Jehovah. Faharoa, hitan’i Elia fa nijaly be ny olona, ka mety ho izay no nahatonga azy hivavaka mba ho tapitra ilay izy. Ary farany, azo inoana fa tena nankasitraka an’i Jehovah izy, noho ilay afo avy any an-danitra. Tokony ho hita amin’ny vavaka ataontsika koa àry fa mieritreritra ny hafa isika sady mankasitraka an’i Jehovah.—Vakio ny 2 Korintianina 1:11; Filipianina 4:6.

Natoky an’i Jehovah sady niambina hatrany

9. Inona no nasain’i Elia nataon’ny mpanompony, ary inona ny lesona roa ianarantsika?

9 Natoky i Elia fa hofaranan’i Jehovah ilay hain-tany, nefa tsy fantany hoe rahoviana. Inona àry no nataony mandra-pahatongan’izay? “Hoy izy tamin’ny mpanompony: ‘Miakara, azafady, ka mitazàna any an-dranomasina.’ Dia niakatra izy ka nitazana, ary nanao hoe: ‘Tsy misy na inona na inona mihitsy any.’ Hoy ihany i Elia: ‘Miverena indray.’ Ary toy izany foana impito.” (1 Mpanj. 18:43) Lesona roa, fara fahakeliny, no ianarantsika avy amin’izany. Voalohany, natoky an’i Jehovah i Elia. Faharoa, niambina hatrany izy. Aleo hojerentsika ireo.

Niezaka namantatra i Elia raha efa handatsaka orana amin’izay i Jehovah

10, 11. a) Ahoana no ahitana fa natoky an’i Jehovah i Elia? b) Nahoana koa isika no afaka matoky ny fampanantenany?

10 Natoky an’i Jehovah i Elia, ka niezaka namantatra raha efa handatsaka orana amin’izay izy. Nasainy nitazana àry ny mpanompony, sao mba nisy famantarana teny amin’ny faravodilanitra  hoe efa ho avy ny orana. Tsy taitra akory ilay mpanompo rehefa niverina, nanao hoe: “Tsy misy na inona na inona.” Tsy nisy rahona mihitsy angamba ny lanitra. Asa raha tsaroanao anefa fa niteny tamin’i Ahaba i Elia taloha kelin’io hoe: “Injany ny feon’ny oram-be mivatravatra.” Nahoana izy no nilaza izany, nefa na rahona aza tsy nisy akory?

11 Mpaminany sy solontenan’i Jehovah izy, ka tena natoky fa ho tanteraka ny fampanantenany. Hoatran’ny hoe efa henony sahady àry ny feon’ilay oram-be. Mampahatsiahy antsika an’i Mosesy izany, satria “tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” Tena misy koa ve Andriamanitra aminao? Nomeny porofo maro be isika, mba hino azy sy hatoky ny fampanantenany.—Heb. 11:1, 27.

12. Inona ny porofo fa niambina hatrany i Elia, ary inona no nataony raha vao henony hoe efa misy rahona kely?

12 Niambina hatrany koa i Elia. Tsy mba indray na indroa izy no naniraka ny mpanompony, fa impito be izao! Efa leo mihitsy angamba ilay mpanompo. I Elia kosa tsy kivy fa niandry ihany sao efa nisy famantarana. Farany, dia hoy ilay mpanompo rehefa avy niverina fanimpitony: “Iny misy rahona kely hoatran’ny felatanana miakatra avy eny an-dranomasina.” Alao sary an-tsaina ange e! Nasehon’ilay mpanompo ny felatanany, ka nilaza izy fa hoatran’iny ny haben’ilay rahona kely. Mbola tsy taitra ihany angamba izy. Zava-dehibe tamin’i Elia anefa io rahona io. Nirahiny haingana ilay mpanompony hoe: “Miakara, ka lazao amin’i Ahaba hoe: ‘Omano ny kalesinao, ary midìna sao ho voasakan’ny oram-be ianao!’ ”—1 Mpanj. 18:44.

13, 14. a) Ahoana no hanahafantsika an’i Elia? b) Nahoana isika no tokony hanao zavatra haingana?

13 Mandray lesona avy amin’izany koa isika. Tsy ho ela Andriamanitra dia hanatanteraka ny fikasany. Niandry ny faran’ilay hain-tany i Elia, fa isika kosa miandry ny faran’ity tontolo ity. (1 Jaona 2:17) Mila miambina hatrany toa an’i Elia àry isika, mandra-piandry an’i Jehovah. I Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Mat. 24:42) Dia tena tsy hahafantatra na inona na inona mihitsy ve isika? Tsy izany, satria efa nohazavain’i Jesosy izay hitranga, rehefa ho avy ny farany. Mila mandinika tsara àry isika rehetra. Efa tanteraka  mantsy ireo porofo amantarana “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Vakio ny Matio 24:3-7.

Rahona kely iray dia efa nampiaiky an’i Elia hoe hanatanteraka ny teniny i Jehovah. Be dia be koa ny porofo fa efa andro farany izao, ka mila manao zavatra haingana isika

14 Ny porofo tsirairay mihitsy no mampiaiky fa akaiky ny farany. Mino an’ireny porofo ireny ve ianao ka vonona hanao zavatra haingana? Tadidio fa rahona kely iray dia efa nampiaiky an’i Elia hoe hanatanteraka ny teniny amin’izay i Jehovah. Tanteraka tokoa ve anefa ilay izy?

Manome fitahiana i Jehovah

15, 16. Inona avy no nitranga tampoka, ary inona no mety ho nantenain’i Elia hataon’i Ahaba?

15 Izao no tohin’ilay tantara: “Nandritra izany fotoana izany, dia maintin’ny rahona ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra, ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra. Koa nitaingina ny kalesiny i Ahaba, ary nanezaka mafy ho tonga tany Jezirela.” (1 Mpanj. 18:45) Nivadika tampoka ny andro. Mandra-pilazan’ny mpanompon’i Elia an’ilay hafatra ho an’i Ahaba, dia efa nitombo ilay rahona kely ka nihamainty ny lanitra. Nitsoka mafy ny rivotra. Nisy orana nilatsaka ihany àry teo amin’ny tanin’ny Israely, rehefa afaka telo taona sy tapany. Lasa oram-be izany ka nahavonto ny tany, ary tondraka mihitsy ny reniranon’i Kisona. Azo antoka fa voadio ny moron’ilay rano, satria lasan’ny orana daholo ny ran’ireo mpaminanin’i Bala novonoina teo. Tokony hodiovin’ny Israelita koa ny fireneny, mba tsy hisy fivavahana amin’i Bala intsony.

“Nirotsaka ny oram-be nivatravatra”

16 Izany mihitsy no nantenain’i Elia! Mba nanantena koa angamba izy hoe hibebaka i Ahaba, ka tsy hivavaka amin’i Bala intsony. Tena tokony hiova izy, rehefa avy nahita izay nitranga tamin’io andro io. Marina fa tsy fantatsika izay tany an-tsainy. Milaza fotsiny ny Baiboly hoe nitaingina ny kalesiny izy, ary nankany Jezirela. Hita tamin’izay nataony taorian’izay anefa fa tsy mba nandray lesona izy, sady tsy vonona hiova. Mbola tsy vita hatreo anefa io andro io, na ho an’i Ahaba na ho an’i Elia.

17, 18. a) Inona no nitranga tamin’i Elia tamin’izy ho any Jezirela? b) Nahoana no tena fahagagana izany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

 17 Nandeha tamin’ilay lalana nalehan’i Ahaba koa i Elia. Efa maizina tamin’izay, nefa lavitra ny diany sady avy ny orana. Nisy fahagagana anefa.

18 “Nomba an’i Elia ny tanan’i Jehovah, ka nofeheziny teo amin’ny andilany ny akanjony, ary nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.” (1 Mpanj. 18:46) Nanao fahagagana tamin’i Elia tokoa “ny tanan’i Jehovah.” Lalana 30 kilaometatra mantsy vao tonga tany Jezirela, nefa izy efa antitra. * Eritrereto ange e! Naforitr’i Elia ny akanjony, ka nafatony teo amin’ny andilany mba tsy hanelingelina ny tongony. Lasa amin’izay izy nihazakazaka tao anaty oram-be. Haingana be izy ka tratrany ny kalesin’ny mpanjaka, ary nihoarany mihitsy!

19. a) Inona avy ny faminaniana tsaroantsika rehefa mandinika ny fitahiana azon’i Elia isika? b) Inona no tsapan’i Elia tamin’izy nihazakazaka?

19 Hafakely ilay fitahiana azon’i Elia! Lasa natanjaka sy navitrika be izy, ary mety ho nihoatra lavitra noho ny tamin’izy tanora aza. Nahafinaritra erỳ izao izany! Mampahatsiahy antsika faminaniana maro momba ny Paradisa eto an-tany ilay izy. Tena ho salama sy hatanjaka isika amin’izay. (Vakio ny Isaia 35:6; Lioka 23:43) Nankasitrahan’i Jehovah tokoa i Elia! Azo antoka fa tena tsapany izany rehefa nihazakazaka tao anaty orana izy.

20. Ahoana no hahazoanao ny fitahian’i Jehovah?

20 Tena te hitahy ny mpanompony i Jehovah. Miezaha mafy àry hahazo ny fitahiany, fa tsy ho matiantoka mihitsy ianao. Ahoana no hahazoanao izany? Miambena hatrany toa an’i Elia na dia sarotra aza ny fiainana, ka diniho tsara ny porofo fa kely sisa dia hanao zavatra i Jehovah. Tena afaka matoky ny fampanantenany koa ianao, satria izy no “Andriamanitry ny fahamarinana.”—Sal. 31:5.

^ feh. 18 Efa be taona tokoa i Elia tamin’izay. Taoriana kelin’io mantsy, dia nasain’i Jehovah nampiofana an’i Elisa izy. Lasa mpanompon’i Elia i Elisa ka nanampy azy. “Mpanondraka rano ny tanan’i Elia” no nahalalana azy.—2 Mpanj. 3:11.