Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO

Niaritra Izy na teo aza ny Tsy Rariny

Niaritra Izy na teo aza ny Tsy Rariny

NAMAKIVAKY ny Lohasahan’i Jordana i Elia. Efa herinandro maromaro izy izao no niala tany amin’ny Tendrombohitra Horeba, ary nianavaratra. Nahita fiovana maro izy rehefa tafaverina tany Israely. Tsy dia hita intsony ny vokatr’ilay hain-tany. Efa nirotsaka ny oram-pararano, ary nanomboka niasa tany ny tantsaha. Nampahery an’ilay mpaminany ihany angamba ny nahita hoe lasa velom-bolo ny tany. Ny olona anefa no tena nampanahy azy. Maty ara-panahy izy ireo. Mbola nanjaka mantsy ny fivavahana tamin’i Bala, ka tena betsaka ny asa niandry an’i Elia. *

Nahita saha lehibe nasaina i Elia tao Abela-mehola. Nisy omby 24 nandeha tsiroaroa teo, ary samy nitarika angadinomby izy ireo. Ilay lehilahy nitondra ny angadinomby farany no notadiavin’i Elia. I Elisa izy io, izany hoe ilay nofidin’i Jehovah handimby an’i Elia. Efa nalahelo ilay mpaminany, talohan’io, satria nihevitra izy hoe izy irery no tsy nivadika tamin’i Jehovah. Azo inoana àry hoe may erỳ izy ny hihaona tamin’i Elisa.—1 Mpanjaka 18:22; 19:14-19.

Nisalasala ve i Elia ny hizara ny andraikiny sasany, sa tsy tiany ny hisy mpisolo? Tsy fantatsika ny amin’izany. Ny fantatsika dia hoe “olona nanana fihetseham-po toa antsika” izy. (Jakoba 5:17) Hoy anefa ny Baiboly: “Niampita nankeny aminy i Elia, ary natsipiny teny amin’i Elisa ilay akanjo nanaovany.” (1 Mpanjaka 19:19) Vita tamin’ny hoditr’ondry na hoditr’osy angamba ilay akanjom-boninahitra nanaovan’i Elia. Midika ho fanendrena avy amin’i Jehovah io akanjo ivelany tsy misy tanany io. Nisy dikany lehibe àry ny nanipazan’i Elia an’ilay akanjo tany amin’i Elisa. Vonona hankatò an’i Jehovah i Elia, ka nanendry an’i Elisa handimby azy. Natoky an’i Jehovah izy ary nankatò.

Nanetry tena i Elia, ka nanendry an’i Elisa handimby azy

Vonona hanampy an’io mpaminany io ilay tovolahy. Tsy nandimby an’i Elia teo no ho eo akory izy. Nanampy an’ilay mpaminany zokiolona nandritra ny enin-taona teo ho eo izy, ka lasa fantatra tamin’ny hoe “ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia.” (2 Mpanjaka 3:11) Tsy maintsy ho nampahery an’i Elia ny nanana mpanampy nazoto niasa toa azy. Azo inoana hoe lasa mpinamana be ry zareo. Nifampahery izy ireo ka afaka niaritra, na dia nahita ny tsy rariny nanjaka tao amin’ilay tany aza. Vao mainka niharatsy mantsy ny zavatra nataon’i Ahaba Mpanjaka tamin’izany.

Efa niharan’ny tsy rariny ve ianao? Maro no iharan’izany eto amin’ity tontolo ratsy ity. Mety ho afaka hiaritra ianao, raha manana namana tia an’Andriamanitra. Nanampy an’i Elia hiatrika ny tsy rariny koa ny finoany, ka afaka manahaka azy ianao.

“MITSANGÀNA, KA MIDÌNA HIHAONA AMIN’I AHABA”

Niezaka mafy nanampy ny olona hifandray tsara tamin’i Jehovah i Elia sy Elisa. Azo antoka  fa nampiofana mpaminany hafa izy ireo, ary mety ho novoriny tamin’ny toerana iray izy ireny. Nahazo fanendrena hafa anefa i Elia, tatỳ aoriana. Hoy i Jehovah: “Mitsangàna, ka midìna hihaona amin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely.” (1 Mpanjaka 21:18) Fa inona no nataon’i Ahaba?

Efa nivadi-pinoana i Ahaba tamin’izay, ary izy no mpanjakan’ny Israely ratsy indrindra hatreo. Nanambady an’i Jezebela izy, ka lasa niely patrana ny fivavahana tamin’i Bala. Nandray anjara tamin’izany i Ahaba. (1 Mpanjaka 16:31-33) Anisan’ny fivavahana tamin’i Bala ny fombafomba atao mba hahatonga ny tany hamokatra, ny fivarotan-tena tao amin’ny tempoly, ary ny sorona ankizy. Vao haingana koa i Ahaba no nandika ny didin’i Jehovah, ka tsy namono an’i Beni-hadada, mpanjaka syrianina ratsy fanahy. Nanantena ny hahazo vola avy tamin’io mpanjaka io angamba i Ahaba. (1 Mpanjaka toko 20) Lasa nihoa-pampana anefa ny fitiavan’i Ahaba sy Jezebela harena sy herisetra.

Nanana lapa ngezabe tany Samaria i Ahaba. Nanana lapa tany Jezirela koa izy, tany amin’ny 37 kilaometatra niala teo. Nisy tanimboaloboka teo akaikin’izy io. An’i Nabota io tany kely io, ary nitsiriritra azy io i Ahaba. Nampanantsoiny àry i Nabota, ka nilazany fa hovidiny ilay tany na hatakalony tanimboaloboka hafa. Hoy anefa i Nabota: “Sanatria ahy ny hanome anao ny lova avy amin’ny razako, satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah izany!” (1 Mpanjaka 21:3) Mafy loha ve i Nabota? Sa tsy mailo? Maro no mieritreritra an’izany. Nankatò ny Lalàn’i Jehovah anefa izy tamin’io. Voalaza fa tsy tokony hatao varo-maty ny lovan’ny fianakaviana. (Levitikosy 25:23-28) Tsy neken’ny sain’i Nabota mihitsy ny handika an’izany. Olona nanam-pinoana sy be herim-po izy, satria fantany tsara fa mety hampidi-doza ny manohitra an’i Ahaba.

Tsy niraharaha ny Lalàn’i Jehovah mihitsy anefa i Ahaba. Lasa nody izy rehefa tsy nekena ny teniny, ka “sady sosotra no kivy.” Hoy ny Baiboly: “Nandry teo am-pandrianany izy, ary nitodi-damosina, sady tsy nihinan-kanina.” (1 Mpanjaka 21:4) Rehefa hitan’i Jezebela nidongy ny vadiny, dia nanao tetika avy hatrany izy mba hahazoan’izy io izay niriny. Namono olo-marina anefa izy tamin’izany.

Tsy maintsy ho gaga izay mahafantatra ny tetika nampiasainy, satria tena nahatsiravina ilay izy. Fantatr’i Jezebela fa nila vavolombelona roa ny fiampangana iray vao manan-kery. (Deoteronomia 19:15) Nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahaba àry izy, ka nanome baiko an’ireo olona ambony tao Jezirela mba hitady olona roa hiampanga an’i Nabota hoe nanevateva an’Andriamanitra. Amin’izay mantsy izy homelohina ho faty. Nahomby ilay tetika. Nisy lehilahy roa “tsy manjary” niampanga lainga an’i Nabota, ka notoraham-bato izy ary maty. Tsy vitan’izay fa  novonoina koa ny zanak’i Nabota. * (1 Mpanjaka 21:5-14; Levitikosy 24:16; 2 Mpanjaka 9:26) Nanaiky hoentin’ny vadiny tamin’ny sangany i Ahaba, ka navelany hanao izay saim-pantany ny vadiny mba hamonoana an’ireo olona tsy nanan-tsiny ireo.

Mba eritrereto ange ny fihetseham-pon’i Elia rehefa nolazain’i Jehovah taminy izay nataon’ny mpanjaka sy ny vadiny e! Tena mety hahakivy ny mahita hoe hoatran’ny resin’ny ratsy fanahy ny tsy manan-tsiny. (Salamo 73:3-5, 12, 13) Matetika isika no mahita tsy rariny ankehitriny, ary indraindray aza olona ambony milaza ho solontenan’Andriamanitra no manao izany. Mampahery antsika koa anefa io tantara io. Milaza amintsika ny Baiboly fa tsy misy zavatra miafina amin’i Jehovah. (Hebreo 4:13) Inona no ataony manoloana ny faharatsiana hitany?

‘HITANAO IHANY AHO, RY ILAY FAHAVALOKO’

Nirahin’i Jehovah ho any amin’i Ahaba i Elia. Hoy izy: “Any amin’ny tanimboalobok’i Nabota izy izao.” (1 Mpanjaka 21:18) Niarina avy hatrany mantsy i Ahaba rehefa nilazan’i Jezebela hoe efa lasany ilay tanimboaloboka. Nandeha nankafy an’ilay fananany vaovao izy, ary tsy tao an-tsainy mihitsy hoe nahita izay nitranga i Jehovah. Efa nanonofinofy ny mety ho hakanton’ilay zaridainany angamba izy tao amin’ilay tanimboaloboka. Kanjo nipoitra tampoka i Elia! Niova niaraka tamin’izay koa ny endrik’i Ahaba, ka lasa feno hatezerana sy fankahalana. Hoy izy: “Hitanao ihany angaha aho, ry ilay fahavaloko?”—1 Mpanjaka 21:20.

“Hitanao ihany angaha aho, ry ilay fahavaloko?”

Zavatra roa no ahariharin’ny tenin’i Ahaba. Voalohany, hita amin’ilay hoe “hitanao ihany angaha aho” fa tsy nieritreritra an’i Jehovah mihitsy izy. Efa ‘nahita’ azy anefa i Jehovah. Hitany hoe nifidy ny hanao ratsy i Ahaba, ka faly tamin’ny vokatry ny teti-dratsy nataon’i Jezebela. Fantatr’i Jehovah izay tao am-pon’i Ahaba. Ny fitiavan-karena no zava-dehibe kokoa taminy noho ny famindram-po, na fanaovana ny rariny, na fangorahana. Faharoa, hita amin’ilay teniny hoe “ry ilay fahavaloko” fa nankahala an’ilay lehilahy naman’i Jehovah izy. Izy io anefa no afaka nanampy azy hiala tamin’ny lalan-dratsiny.

 Afaka mandray lesona lehibe avy amin’izany isika. Tsy maintsy mitadidy isika fa mahita ny zava-drehetra i Jehovah. Ray be fitiavana izy, ka fantany raha vao miala amin’ny lala-mahitsy isika, ary tiany hiova. Ny namany, izany hoe olona tsy mivadika toa an’i Elia, matetika no ampiasainy mba hanampy antsika. Tsy fahendrena àry ny mihevitra ny olona toy ireny ho fahavalo!—Salamo 141:5.

Hoy i Elia tamin’i Ahaba: “Hitako tokoa ianao.” Hitany hoe mpangalatra sy mpamono olona ary mpikomy tamin’i Jehovah i Ahaba. Tena naneho herim-po izy nifanehatra tamin’io lehilahy ratsy fanahy io. Avy eo izy nilaza ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Ahaba. ‘Hofongorana tanteraka’ izy sy ny taranany, ary hiharan’ny didim-pitsarana koa i Jezebela. Fantatr’i Jehovah mantsy ny zava-nitranga rehetra: Hitany hoe niely tamin’ny vahoaka ny faharatsiana, ary avy tao amin’ny ankohonan’i Ahaba no nipoiran’izany.—1 Mpanjaka 21:20-26.

Tsy nieritreritra i Elia hoe ho afa-maina amin’ny ratsy sy ny tsy rariny ataony ny olona. Maro anefa no mieritreritra an’izany ankehitriny. Hitantsika amin’io fitantarana io fa tsy vitan’ny hoe mahita izay mitranga i Jehovah, fa mampihatra ny didim-pitsarany koa izy amin’ny fotoana mety aminy. Resahin’ny Baiboly fa hofoanany tanteraka ny tsy rariny. (Salamo 37:10, 11) Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Mba mamindra fo ve Andriamanitra rehefa manasazy?’

“HITANAO VE NY FANETREN-TENAN’I AHABA?”

Mety ho gaga tamin’ny fihetsik’i Ahaba i Elia. Hoy ny Baiboly: “Raha vao ren’i Ahaba izany, dia nandrovitra ny akanjony izy, ka nitafy lamba gony nataony nanolo-koditra. Dia nifady hanina izy sady nandry nitafy gony teo foana. Ary ny famindrany dia nahitana fa kivy tanteraka izy.” (1 Mpanjaka 21:27) Nibebaka ve i Ahaba?

Hita aloha hoe niova i Ahaba. Nanetry tena izy, ary tsy mora izany ho an’ny olona manambony tena toa azy. Tena nibebaka ve anefa izy? Andeha isika hampitaha azy amin’i Manase, mpanjaka tatỳ aoriana. Mety ho mbola ratsy kokoa noho ny nataon’i Ahaba ny nataon’i Manase. Rehefa nosazin’i Jehovah anefa izy, dia nanetry tena ary nangataka ny fanampiany. Tena niova koa izy, ka nesoriny daholo ireo sampy nataony, niezaka nanompo an’i Jehovah izy, ary nampirisika ny vahoaka hanao toy izany koa. (2 Tantara 33:1-17) Indrisy anefa fa tsy nanao toy izany i Ahaba.

Hitan’i Jehovah i Ahaba rehefa naneho ny alahelony ampahibemaso. Hoy izy tamin’i Elia: “Hitanao ve ny fanetren-tenan’i Ahaba teo anatrehako? Nanetry tena izy noho ny amiko, ka tsy hataoko tonga amin’izao androny izao ilay loza. Amin’ny andron’ny zanany kosa vao hataoko tonga amin’ny ankohonany izany.” (1 Mpanjaka 21:29) Namela an’i Ahaba ve i Jehovah? Tsia. Ireo tena mibebaka ihany no amindrany fo. (Ezekiela 33:14-16) Hitany anefa hoe nanenina kely i Ahaba, ka mba nanehoany famindram-po kely koa. Tsy hataon’Andriamanitra mahita ny handringanana ny fianakaviany i Ahaba.

Tsy niova anefa ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Ahaba. Niara-nidinika tamin’ny anjeliny i Jehovah hoe ahoana no hamitahana an’i Ahaba handeha ho any amin’ny ady iray hahafaty azy. Tsy ela taorian’izay, dia nampiharin’i Jehovah ny didim-pitsarany. Maty i Ahaba satria naratra be, ary nitete tao amin’ny kalesiny ny rany. Misy an’izao tsipiriany mahatsiravina izao ao amin’ilay fitantarana: Nilelaka ny ran’ny mpanjaka ny alika, rehefa nosasana ny kalesiny. Tanteraka tamin’io ilay tenin’i Jehovah nampitondrainy an’i Elia hoe: “Eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao.”—1 Mpanjaka 21:19; 22:19-22, 34-38.

Ny niafaran’i Ahaba dia nampahatsiahy an’i Elia sy Elisa ary ny olon-kafa tsy mivadika rehetra, fa tsy nanadino ny herim-po sy finoan’i Nabota i Jehovah. Manao ny rariny izy, ka tsy maintsy hanasazy ny ratsy fanahy, na ho ela na ho haingana. Mamindra fo koa izy rehefa manasazy, raha misy antony tokony hanaovana izany. (Nomery 14:18) Azo antoka hoe tena nampahery an’i Elia izany, satria niaritra an-taonany maro izy nandritra ny fitondran’io mpanjaka ratsy fanahy io. Efa niharan’ny tsy rariny ve ianao? Tsy andrinao ve ny hanitsian’Andriamanitra an’izany? Tahafo ny finoan’i Elia. Sady niaritra ny tsy rariny izy no nanambara foana ny hafatr’Andriamanitra niaraka tamin’i Elisa, ilay namany tsy nivadika.

^ feh. 3 Tian’i Jehovah haseho tamin’ilay hain-tany naharitra telo taona sy tapany fa tsy nanan-kery i Bala. Izy mantsy no nivavahan’ny olona, mba hampirotsaka ny orana sy hahalonaka ny tany. (1 Mpanjaka toko 18) Jereo ny “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy 1 Aprily 2008.

^ feh. 13 Natahotra angamba i Jezebela sao hafindra amin’ny taranak’i Nabota ilay tanimboaloboka, ka mety ho nitady tetika hamonoana ny zanak’i Nabota izy. Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny tsindry hazo lena toy izany? Jereo ilay hoe “Manontany ny Mpamaky”, ato amin’ity gazety ity.