Nosoratan’i Jaona 1:1-51

  • Lasa nofo aman-dra ny Teny (1-18)

  • Ny fanambarana nataon’i Jaona Mpanao Batisa (19-28)

  • Jesosy: Zanak’ondrin’Andriamanitra (29-34)

  • Ny mpianatr’i Jesosy voalohany (35-42)

  • Filipo sy Natanaela (43-51)

1  Efa tany am-piandohana ny Teny.+ Niaraka tamin’Andriamanitra ny Teny,+ ary ny Teny dia andriamanitra.*+  Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.  Izy no nampiasaina hampisy ny zava-drehetra,+ ary na zavatra iray aza tsy ho nisy raha tsy tamin’ny alalany. Ny zavatra nisy  tamin’ny alalany dia ny fiainana, ary ny fiainana no hazavana ho an’ny olona.+  Mamirapiratra ao anatin’ny haizina ny hazavana,+ nefa tsy maharesy azy ny haizina.  Ary nisy lehilahy iray nirahina ho solontenan’Andriamanitra. Jaona no anarany.+  Tonga mba ho vavolombelona hanambara an’ilay hazavana izy,+ mba ho amin’ny alalany no hinoan’ny karazan’olona rehetra.  Tsy i Jaona ilay hazavana,+ fa nirahina ho vavolombelona hanambara an’ilay hazavana fotsiny izy.  Efa ho tonga teo amin’izao tontolo izao ilay tena hazavana, izay manazava ny karazan’olona rehetra.+ 10  Teo amin’izao tontolo izao izy,+ ary izy no nampiasaina mba hampisy an’izao tontolo izao.+ Tsy nahalala azy anefa izao tontolo izao. 11  Tonga tao amin’ny tany niaviany izy, nefa tsy nandray azy ny olona tao. 12  Izay rehetra tena nandray azy kosa nomeny alalana ho lasa zanak’Andriamanitra,+ satria nino ny anarany.+ 13  Ary nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny nofo sy ra, na nateraka noho ny sitrapon’ny ray olombelona, fa naterak’Andriamanitra.+ 14  Lasa nofo aman-dra àry ny Teny,+ ary nonina tetỳ aminay. Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny+ ray. Tena nankasitrahan’Andriamanitra* izy ary nampianatra ny fahamarinana. 15  —Nanome porofo momba azy i Jaona, dia niantsoantso hoe: “Izy ilay nolazaiko hoe: Lasa eo alohako ilay ho avy ao aorianako, satria efa nisy talohako izy.’”+ 16  Feno hatsaram-panahy miavaka* izy, ka nanehoana hatsaram-panahy miavaka foana koa isika. 17  Nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny Lalàna,+ fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy kosa no nanehoana ny hatsaram-panahy miavaka+ sy ny fahamarinana.+ 18  Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy,+ fa ilay hany andriamanitra nateraka,+ izay eo akaikin’ny Ray,*+ no nanazava ny momba Azy.+ 19  Izao no fanambarana nataon’i Jaona, rehefa nisy mpisorona sy Levita avy any Jerosalema nirahin’ny Jiosy hanontany azy hoe: “Iza moa ianao?”+ 20  Dia nitsotra izy fa tsy nanda, ka niteny hoe: “Tsy Kristy aho.” 21  Dia nanontany azy izy ireo hoe: “Iza àry e? I Elia+ ve?” Ary hoy izy: “Tsy izy aho.” “Sa ianao ilay Mpaminany?”+ Dia hoy izy: “Tsy izy aho!” 22  Hoy izy ireo: “Iza àry ianao e? Teneno anay mba hisy holazainay any amin’izay naniraka anay. Lazao anay ny momba anao.” 23  Dia hoy izy: “Izaho ilay miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Ataovy mahitsy ny lalana halehan’i Jehovah’,*+ araka ny nolazain’i Isaia mpaminany.”+ 24  Nirahin’ny Fariseo izy ireo, 25  ka nanontany azy hoe: “Koa maninona ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?” 26  Dia hoy i Jaona: “Izaho manao batisa amin’ny rano. Fa efa eo aminareo kosa ny olona iray tsy fantatrareo. 27  Izy ilay ho avy ao aorianako, ary tsy mendrika hamaha ny tadin-kapany akory aza aho.”+ 28  Tany Betania izany no nitranga, teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.+ 29  Ny ampitson’iny, dia hitany nanatona azy i Jesosy, ka hoy izy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra+ izay manala ny fahotan’izao+ tontolo izao!+ 30  Izy ilay nolazaiko hoe: ‘Misy olona ho avy ao aorianako, nefa lasa eo alohako izy, satria efa nisy talohako.’+ 31  Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa mba hampisehoana azy amin’ny Israely no antony anaovako batisa amin’ny rano.”+ 32  Izao koa no porofo nomen’i Jaona: “Hitako nidina toy ny voromailala avy any an-danitra ny fanahy, dia nijanona teo amboniny.+ 33  Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa Ilay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: ‘Izay olona hitanao idinan’ny fanahy sy ijanonany,+ dia izy ilay manao batisa amin’ny fanahy masina.’+ 34  Efa hitako izany, ka manaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.”+ 35  Ny ampitson’iny indray, tamin’i Jaona mbola nijoro niaraka tamin’ny mpianany roa lahy, 36  dia nahita an’i Jesosy nandalo izy, ka niteny hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!”+ 37  Rehefa naheno azy niteny an’izany ireo mpianatra roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesosy. 38  Dia nitodika i Jesosy, ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanontany hoe: “Inona no tadiavinareo?” Hoy ireo: “Aiza ianao no mipetraka, Raby ô?”—raha adika izany dia hoe “Mpampianatra ô”— 39  Hoy izy: “Avia dia ho hitanareo.” Dia nandeha izy roa lahy ka nahita an’izay nipetrahany, ary nipetraka tao aminy tamin’iny andro iny. Tamin’ny ora fahafolo* teo ho eo tamin’izay. 40  I Andrea,+ rahalahin’i Simona Petera, ny iray tamin’ireo roa lahy naheno ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy. 41  Tonga dia nankany amin’i Simona rahalahiny i Andrea, dia niteny taminy hoe: “Efa hitanay ny Mesia!”+—raha adika izany dia hoe “Kristy.”— 42  Dia nentiny tany amin’i Jesosy izy. Nijery azy i Jesosy sady niteny hoe: “Ry Simona+ zanak’i Jaona, manomboka izao ianao dia hantsoina hoe Kefasy”—raha adika izany dia hoe “Petera.”+ 43  Te ho any Galilia i Jesosy ny ampitson’iny. Dia nahita an’i Filipo+ izy, ka niteny hoe: “Andao hanara-dia ahy.” 44  Avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy Petera, no fiavian’i Filipo. 45  Nahita an’i Natanaela i Filipo,+ ka hoy izy: “Efa hitanay ilay olona noresahin’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy noresahin’ny Mpaminany, dia i Jesosy zanak’i Josefa,+ avy any Nazareta.” 46  Hoy anefa i Natanaela: “Angaha moa mba misy zavatra tsara avy any Nazareta?” Hoy i Filipo: “Avia ange jereo e!” 47  Ary hitan’i Jesosy nanatona azy i Natanaela, ka hoy izy momba azy: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka!”+ 48  Dia hoy i Natanaela: “Ahoana no ahafantaranao ahy?” Namaly azy i Jesosy hoe: “Efa hitako ianao talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, tamin’ianao teo ambany aviavy.” 49  Ary hoy i Natanaela: “Raby ô, Zanak’Andriamanitra ianao! Mpanjakan’ny Israely ianao.”+ 50  Dia hoy i Jesosy: “Lasa mino ve ianao satria niteny aho hoe hitako teo ambany aviavy ianao? Mbola hahita zavatra lehibe noho izany aza ianao.” 51  Hoy koa izy: “Lazaiko marimarina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra ianareo, dia hahita ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina mankatỳ amin’ny Zanak’olona.”+

Fanamarihana

Na: “tahaka an’Andriamanitra.”
Abt: “Feno hatsaram-panahy miavaka.”
Jereo F.T.
Na: “eo an-tratran’ny Ray”, izany hoe tena ankasitrahany sy mifandray akaiky aminy.
Jereo F.F. A5.
Izany hoe tamin’ny 4 tolakandro teo ho eo.