Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-3

‘Rain’izay Rehetra Manam-pinoana Izy’

‘Rain’izay Rehetra Manam-pinoana Izy’

1, 2. Inona no nitranga tamin’ny andron’i Abrama, ary inona no tsapany?

NIPETRAKA tany Ora i Abrama. * Iny eny an-dalana hody iny izy no mahare tabataba, ka mitodika kely. Io fa misy setroka miakatra tazany. Hay avy ao amin’ilay tempoly avo be miendrika piramida ilay izy. Misy mpisorona manao fanatitra ho an’ny andriamanitra volana indray ao. Kivy ratsy i Abrama sady mihivingivin-doha, ka aleony ny lalana no zorina. Mahita olona be dia be mifanena aminy izy, ka lasa ny sainy hoe: ‘Dia manompo sampy daholo moa izany itony olona itony!’ Tena niely eran-tany ny fanompoan-tsampy rehefa lasa elaela ny Safodrano.

2 Mbola nivavaka tamin’i Jehovah daholo anefa ny olona, raha vao vita ny Safodrano. Rehefa nivoaka ny sambofiara, ohatra, ry Noa mianakavy, dia nanao fanatitra ho an’i Jehovah, ary nasian’i Jehovah avana teny amin’ny lanitra. (Gen. 8:20; 9:12-14) Mampalahelo anefa fa vitsy kely sisa ny nanompo azy tamin’ny andron’i Abrama. Efa an-jatony taona mantsy no lasa hatramin’ny Safodrano, ary efa maty roa taona i Noa vao teraka i Abrama. Niparitaka eran-tany ny olona, ka lasa nanompo sampy. Na i Tera dadan’i Abrama aza tsy nanompo an’i Jehovah, ary nanamboatra sampy mihitsy angamba.—Jos. 24:2.

Inona no nanampy an’i Abrama hanana finoana matanjaka?

3. Inona no nampiavaka an’i Abrama, ary nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny tantarany?

3 I Abrama kosa tena nino an’i Jehovah, ary niharihary izany tatỳ aoriana. Na ny apostoly Paoly aza niantso azy hoe “rain’izay  rehetra manam-pinoana.” (Vakio ny Romanina 4:11.) Aleo hojerentsika hoe inona no nanampy azy hanana finoana matanjaka. Afaka manahaka azy isika amin’izay.

Fiainana taorian’ny Safodrano

4, 5. Mety ho iza no nampianatra an’i Abrama momba an’i Jehovah, ary nahoana?

4 Ahoana no nahalalan’i Abrama momba an’i Jehovah? Mbola nisy mpanompon’i Jehovah ihany teto an-tany tamin’izany. Anisan’izany i Sema zanak’i Noa. Tsy izy no lahimatoa, nefa izy matetika no tononina alohan’i Hama sy Jafeta. Nahoana? Satria izy angamba no tena nino an’i Jehovah. * Nantsoin’i Noa hoe “Andriamanitr’i Sema” mihitsy aza i Jehovah. (Gen. 9:26) Nanaja an’i Jehovah i Sema ary nanompo azy irery ihany.

5 Nahafantatra an’i Sema angamba i Abrama satria taranany. Alao sary an-tsaina ange e! Mbola kely i Abrama tamin’izany. Faly erỳ izy hoe mbola nisy razambeny velona, nefa efa 400 taona mahery. Efa nahita zavatra be dia be i Sema, anisan’izany ny zava-dratsy tamin’ny andron’ny Nefilima, sy ilay Safodrano nandringanana ny ratsy fanahy. Hitany koa ny nitomboan’ny olona sy ny niparitahan’izy ireo eran-tany. Mbola hitan’i Sema koa ny nananganan-dry Nimroda an’ilay Tilikambon’i Babela sy ny nanovan’i Jehovah ny fitenin’izy ireo. Tsy niara-nikomy tamin’i Nimroda anefa i Sema, ka tsy novan’i Jehovah ny fiteniny sy ny an’ny taranany, ary anisan’izany i Abrama. Mbola ilay fiteny nampiasain’i Noa ihany no nampiasain-dry zareo. Tena nanaja an’i Sema àry i Abrama. Efa antitra angamba i Abrama vao maty i Sema, ka mety ho i Sema no nampianatra azy momba an’i Jehovah.

Tsy nanompo sampy i Abrama, na dia feno mpanompo sampy aza tany Ora

6. a) Ahoana no ahalalantsika fa nandray lesona avy tamin’ny Safodrano i Abrama? b) Nanao ahoana ny fiainan’i Abrama sy Saray?

6 Tsy tena azontsika antoka aloha izany, fa ny fantatsika dia hoe nandray lesona avy tamin’ny Safodrano i Abrama. Ahoana izany? Niara-nandeha tamin’i Jehovah toa an’i Noa izy, ka tsy nanompo sampy. Tsy nitovy tamin’ny olona tao Ora izy, ary tsy nitovy  tamin’ny fianakaviany mihitsy aza angamba. Soa ihany fa nahazo vady tsara izy. Tsy vitan’ny hoe tsara tarehy mantsy i Saray, fa tena nino an’i Jehovah koa. * Tsy niteraka ry zareo, fa i Lota zana-drahalahin’i Abrama no notezainy. Faly foana anefa izy roa nanompo an’i Jehovah.

7. Ahoana no hanahafantsika an’i Abrama?

7 Tsy nivadika mihitsy izy mivady sady tena nanam-pinoana. Naleony tsy nitovy tamin’ny olona toy izay hanompo sampy. Inona no hataontsika raha te hanahaka azy ireo isika? Tokony hiezaka mafy isika mba tsy hitovy amin’ity tontolo ity, na dia lasa tsy tian’ny olona aza. Efa nilaza mantsy i Jesosy fa ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao’ ny mpanara-dia azy, ary ho halan’izao tontolo izao. (Vakio ny Jaona 15:19.) Mihatakataka aminao àry ve ny olona na ny fianakavianao, satria manompo an’i Jehovah ianao? Tadidio hoe tsy ianao irery no efa niharan’izany, fa i Abrama sy Saray koa.

“Mialà amin’ny taninao”

8, 9. a) Inona ilay zavatra hafakely nitranga tamin’i Abrama? b) Inona ny tenin’i Jehovah taminy?

8 Nisy zavatra hafakely nitranga tamin’i Abrama, indray andro. Tsy tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ilay izy, fa izao fotsiny no lazainy: ‘Niseho taminy ilay Andriamanitry ny voninahitra.’ (Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:2, 3.) Tsy hoe nahita maso azy i Abrama, fa nahita ampahany kely tamin’ny voninahiny. Anjely angamba no nirahin’i Jehovah tamin’io. Faly be anefa i Abrama satria tsy nitovy tamin’ny sampy tsy mananaina nivavahan’ny olona i Jehovah, fa tena Andriamanitra velona.

9 Hoy i Jehovah taminy: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.” Tsy nolazain’i Jehovah hoe aiza ilay tany, fa niteny fotsiny izy hoe hasehony azy ilay izy. Tsy maintsy handao ny tanindrazany anefa izy sady hisaraka amin’ny fianakaviany. Tsy mora izany, satria tsy mba misara-mianakavy ny olona tany amin-dry Abrama. Nino ry zareo fa toy ny olona voaozona izay mandao tanindrazana sy fianakaviana. Naleon’ny sasany aza maty toy izay hanaiky hifindra monina.

10. Nahoana no mafy tamin’i Abrama sy Saray ny hiala tao Ora?

10 Tanàna nanan-karena sy naresaka koa i Ora, ka mafy tamin’i Abrama ny hiala tao. (Jereo ilay efajoro hoe “ Ilay Tanàna  Nilaozan’i Abrama sy Saray.”) Hitan’ny mpikaroka fa arifomba be ny trano sasany tany Ora. Vita rarivato ny tokotany, ary natao manodidina azy io ilay trano. Nisy efitra 12 na mahery ilay izy, ho an’ny tompon-trano sy ny mpanompony. Efa nisy rano tamin’ny paompy sy kabine ary fantsona fanariana rano maloto koa tany Ora. Tsara homarihina koa anefa fa efa 70 taona mahery i Abrama tamin’io, ary i Saray 60 taona mahery, ka ho sarotra amin’izy ireo ny hanao ilay dia. Mba tian’i Abrama hiadana koa angamba ny vadiny, ary izany daholo no irin’ny lehilahy manambady. Alao sary an-tsaina àry izao ny resak’izy roa. Be dia be mantsy ny zavatra mampanahy azy sy ny fanontaniana mifamahofaho any an-tsainy. Faly be anefa i Abrama satria nanaiky handeha i Saray! Foiny daholo ny zava-drehetra nampiadana azy tao Ora.

11, 12. a) Inona avy ny zavatra nila nokarakarain-dry Abrama? b) Tantarao ilay fotoana niaingan’izy ireo.

11 Nanomboka nampirimpirina àry ry zareo, sady nikarakara zavatra be dia be. Tsy maintsy nieritreritra izy ireo hoe inona no hoentina, ary inona no hajanona, hatao ahoana ny mpanompo, ary hatao ahoana koa ny fianakaviana, indrindra fa i Tera satria izy efa antitra. Tapa-kevitra izy roa fa hoentiny ny rainy, ary hokarakarainy tsara. Tonga dia nazoto hanaraka azy ireo angamba i Tera, satria lazain’ny Baiboly hoe izy mihitsy no nitarika ny fianakaviany handeha. Azo antoka àry fa efa tsy nanompo sampy intsony izy. Nanaraka an-dry zareo koa i Lota.—Gen. 11:31.

12 Tonga izao ny fotoana iaingana. Vao maraina tamin’izay. Efa teo ivelan’ny tanàna izy rehetra miaraka amin’ny mpanompony. Efa eo ambony rameva sy ampondra koa ny entam-be. * Ireo daholo koa ny biby fiompy. Vonombonona erỳ ny rehetra, ary efa miandry an’i Abrama hiteny hoe lasa izao. Niainga ry zareo nony farany, ka nilaozany mandrakizay i Ora.

13. Inona no ataon’ny mpitory mba hanahafana an’i Abrama sy Saray?

13 Betsaka ankehitriny ny mpanompon’i Jehovah mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Misy koa mianatra teny hafa mba hitoriana amin’ny vahiny, na manandrana karazana fanompoana mbola tsy nataony na tsy mahazatra azy. Matetika izy ireny no vonona hamoy ny zavatra mampiadana azy, na dia mafy aza izany. Tena deraintsika izy ireo, satria manam-pinoana toa an’i Abrama sy Saray! Tahafo àry izy ireo, dia ho hitanao fa hitahy anao i Jehovah, ary mihoatra noho izay nataonao  taminy aza. Valiany soa foana ny olona manam-pinoana! (Heb. 6:10; 11:6) Namaly soa an’i Abrama ve anefa izy?

Niampita an’i Eofrata

14, 15. Nanao ahoana ny dian’izy ireo, ary nahoana ry zareo no nijanona elaela tao Harana?

14 Lasa zatra tsikelikely nanao dia lavitra ry Abrama sy Saray. Azonao an-tsaina ve ilay izy? Mandeha an-tongotra elaela aloha ry zareo, dia avy eo mitaingina rameva na ampondra indray. Ny resaka amin’io mandeha ihany, ary re eny an-tsefatsefany eny ny feon’ny lakolosy mihantona amin’ny tadin’ireo biby. Manangana sy mandrava lay foana ry zareo ka lasa kinga erỳ, na dia votsavotsa aza tamin’ny voalohany. Lasa hainy koa hoe ahoana no hatao mba hahazo aina tsara i Tera eo ambony rameva na ampondra. Nianavaratrandrefana izy ireo, nanaraka ny moron’ny Reniranon’i Eofrata. Nandeha teny ny herinandro maromaro, ary mba lasa lavidavitra ihany ry zareo.

15 Nahavita 960 kilaometatra izy ireo, ary tonga tany Harana. Tanàn-dehibe izy io, ary ao no ambohipihaonan’ny mpivaro-mandeha avy any atsinanana sy andrefana. Hafakely ny trano any  satria hoatran’ny votry ngezabe sady be dia be. Tsy nahavita nanohy intsony angamba i Tera ka nijanona tao elaela ry zareo.

16, 17. a) Inona ilay fifanekena nahafaly an’i Abrama? b) Inona no fitahiana nomen’i Jehovah azy tao Harana?

16 Maty i Tera, tamin’izy 205 taona. (Gen. 11:32) Mafy tamin’i Abrama izany, nefa niresaka taminy indray i Jehovah ka nahazo hery izy. Naverin’i Jehovah ilay fifanekena nataony taminy tany Ora sady nohazavainy kokoa. Nampanantena izy hoe ho lasa “firenena lehibe” i Abrama, ary ny olona eran-tany mihitsy no afaka mahazo fitahiana amin’ny alalany. (Vakio ny Genesisy 12:2, 3.) Faly erỳ i Abrama ka vonona indray hanohy ny diany.

17 Tena nitahy azy i Jehovah tao Harana, ka lasa be dia be ny harenany, anisan’izany ny ‘fananana rehetra voangony sy ny olona rehetra efa azony tao.’ (Gen. 12:5) Marina fa tsy hoe ataon’i Jehovah lasa mpanankarena foana ny mpanompony. Manao an’izany ihany anefa izy indraindray mba hanatanterahana ny fikasany. Nomeny harena sy mpanompo be dia be i Abrama, satria ho lasa firenena lehibe ka nila an’izany. Roso àry ny dia, na dia mbola tsy fantatra aza ilay toerana haleha.

Niadana i Abrama sy Saray tao Ora, nefa niala tao ry zareo na dia sarotra taminy aza izany

18. a) Oviana ilay andro niavaka teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona avy koa no nitranga tamin’ny 14 Nisana, tatỳ aoriana? (Jereo ilay efajoro hoe “ Daty Miavaka ao Amin’ny Baiboly.”)

18 Tonga teo Karkemisy ry Abrama, afaka andro maromaro. Eo ny olona mazàna no miampita ny Reniranon’i Eofrata. Tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K. i Abrama no niampita teo, araka ny kalandrie tatỳ aoriana. * Tamin’io no nanomboka nanan-kery ilay fifanekena. Andro niavaka teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra io. (Eks. 12:40-43) Nidina nianatsimo izy ireo avy eo. Any mantsy ilay Tany Nampanantenaina.

19. Inona no nampanantenain’i Jehovah, ary inona no mety ho tadidin’i Abrama tamin’izay?

19 Mbola nianatsimo ihany ry zareo rehefa tonga tao amin’ilay tany, ary tsy nijanona raha tsy tany akaikin’ireo hazoben’i  More, akaikin’i Sekema. Niteny tamin’i Abrama indray i Jehovah teo. Nampanantena izy fa ny ‘taranany’ no handova an’ilay tany. Tadidin’i Abrama angamba tamin’izay ilay faminaniana tany Edena hoe hisy ‘taranaka’ hamonjy ny olombelona. (Gen. 3:15; 12:7) Mety ho azoazony an-tsaina àry hoe misy zavatra lehibe kasain’i Jehovah hatao, ary hampiasainy amin’izany izy.

20. Ahoana no nampisehoan’i Abrama fa nankasitraka an’i Jehovah izy?

20 Tombontsoa be no nomen’i Jehovah an’i Abrama ka tena nankasitrahany. Nanao alitara àry izy teo akaikin’ireo hazoben’i More, ary avy eo tany akaikin’i Betela. Niantso ny anaran’i Jehovah izy ka nisaotra azy tamin’ny fony manontolo, sady nieritreritra ny hoavin’ny taranany. (Vakio ny Genesisy 12:7, 8.) Nitandrina tsara anefa izy satria Kananita no teo amin’ilay tany. Mety ho nitory tamin’izy ireo koa izy. Mbola ho sarotra anefa ny fiainan’i Abrama, ka tena nila nanam-pinoana izy. Na izany aza, dia tsy nanembona ny tranony sy ny fiainana tany Ora izy. Naleony nibanjina ny hoavy. Hoy ny Hebreo 11:10: “Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.”

21. Inona ny tombony ananantsika raha oharina amin’i Abrama, ary inona no tokony hataonao?

21 Ny Fanjakan’Andriamanitra no tiana holazaina amin’ilay hoe “tanàna.” Isika no mahalala kokoa azy io, raha oharina amin’i Abrama. Fantatsika fa efa mitondra any an-danitra izao io Fanjakana io, ary tsy ho ela dia handrava an’ity tontolo ity. Fantatsika koa fa i Jesosy Kristy ilay Taranak’i Abrama nandrasana hatry ny ela, ary izy no mpanjakan’ilay Fanjakana. Tianao ve ny hihaona amin’i Abrama? Tena hahafinaritra izao izany! Mbola hitsangana mantsy izy ao amin’ny Paradisa. Hazava tsara aminy amin’izay ny fikasan’i Jehovah. Azo inoana fa na ianao koa aza mba te hahita hoe ahoana no nanatanterahan’i Jehovah an’izay nokasainy sy nampanantenainy. Sa ahoana? Miezaha foana àry hahafoy tena sy hankatò azy ary hankasitraka ny tombontsoa omeny anao, toy ny nataon’i Abrama. Ho lasa zanak’i Abrama koa ianao amin’izay satria izy no “rain’izay rehetra manam-pinoana.”

^ feh. 1 Novan’Andriamanitra ny anaran’i Abrama tatỳ aoriana, ka nataony hoe Abrahama, midika hoe “Rain’ny Maro.”—Gen. 17:5.

^ feh. 4 Mazàna koa i Abrama no tononina alohan’ny zanak’i Tera hafa rehetra, na dia tsy izy aza no lahimatoa.

^ feh. 6 Novan’Andriamanitra ny anaran’i Saray tatỳ aoriana, ka nataony hoe Saraha, midika hoe “Andriambavy.”—Gen. 17:15.

^ feh. 12 Misy manam-pahaizana tsy mino hoe efa nampiasa rameva ny olona tamin’izany. Tsy ampy akory anefa ny porofo omen’izy ireo. Imbetsaka koa ny Baiboly no mitantara hoe nanana rameva i Abrama.—Gen. 12:16; 24:35.

^ feh. 18 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny hoe A.K. “Aorian’i Kristy.”