Ho An’ny Romanina 15:1-33

  • Nandray tsara anareo i Kristy, dia mba raiso tsara koa ny hafa (1-13)

  • Paoly, mpanompo mitory amin’ny hafa firenena (14-21)

  • Ny dia noeritreretin’i Paoly hatao (22-33)

15  Isika matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka,+ fa tsy hampifaly ny tenantsika.+  Tokony samy hampifaly ny namany isika mba hahasoa azy sy hampahery azy.+  Na i Kristy aza mantsy tsy nampifaly ny tenany,*+ fa voasoratra hoe: “Mihatra amiko ny latsa ataon’ireo mandatsa anao.”+  Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika.+ Amin’izay isika dia hanana fanantenana,+ satria manampy antsika hiaritra+ sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.  Hanome anareo toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy Jesosy anie ilay Andriamanitra manampy anareo hiaritra sy mampionona anareo!  Hiray saina+ ianareo amin’izay, ka hiray feo* hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.  Nandray tsara anareo i Kristy,+ dia mba raiso tsara* koa ny hafa.+ Rehefa manao an’izany ianareo samy ianareo, dia hahazo voninahitra Andriamanitra.  Ary lazaiko aminareo fa lasa mpanompon’izay voafora+ i Kristy mba hampisehoana hoe milaza ny marina Andriamanitra, ary mba hanaporofoana hoe azo atokisana ilay fampanantenana nataony tamin’ny razamben’izy ireo.+  Amin’izay koa hanome voninahitra an’Andriamanitra ny hafa firenena noho izy mamindra fo.+ Fa voasoratra hoe: “Izany no mahatonga ahy hanaiky anao eo imason’ny olona sy eo amin’ireo firenena, sady hanao hira fiderana ho an’ny anaranao.”+ 10  Hoy indray Izy: “Mifalia miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra ianareo hafa firenena!”+ 11  Dia izao koa: “Derao i Jehovah,* ry firenena rehetra, ary hidera azy anie ny vahoaka rehetra!”+ 12  Hoy koa i Isaia: “Hisy fakan’i Jese+ hitsangana ka hitondra firenena,+ ary izy no hantenain’ireny firenena ireny.”+ 13  Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana ny fonareo, satria matoky azy ianareo! Amin’izay dia vao mainka ho azo antoka* ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina.+ 14  Matoky tanteraka aho izao, ry rahalahiko, hoe vonona hanao zavatra tsara ianareo sady mahafantatra zavatra be dia be. Matoky tanteraka koa aho fa afaka mifananatra* ianareo. 15  Manoratra aminareo mivantana kokoa momba ny zavatra sasany anefa aho, mba hampahatsiahivana anareo indray. Naneho hatsaram-panahy miavaka tamiko mantsy Andriamanitra, 16  ka nifidy ahy ho mpanompon’i Kristy Jesosy* mba hitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra+ amin’ny hafa firenena.+ Manao an’izany asa masina izany aho, mba ho lasa fanatitra ankasitrahana ny hafa firenena, sady hohamasinina amin’ny alalan’ny fanahy masina. 17  Faly àry aho satria mpianatr’i Kristy Jesosy sady manao ny asan’Andriamanitra. 18  Tsy hiresaka zavatra hafa aho, afa-tsy izay nataon’i Kristy tamin’ny alalako, mba hahatonga ny hafa firenena hankatò azy noho izay nolazaiko sy nataoko, 19  sy noho ny herin’ny famantarana sy ny zava-mahagaga*+ ary ny herin’ny fanahin’Andriamanitra. Vitako tsara àry ny nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy,+ nanomboka tany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Ilyrikiona. 20  Tamin’izany dia niezaka mafy aho mba tsy hitory ny vaovao tsara any amin’izay efa nampahafantarana ny anaran’i Kristy. Amin’izay aho tsy hanorina eo ambonin’ny fototra nataon’olon-kafa. 21  Fa voasoratra hoe: “Izay mbola tsy nitantarana momba azy no hahita azy, ary izay mbola tsy naheno no hahafantatra.”+ 22  Izany koa no nahatonga ahy ho voasakana imbetsaka, ka tsy tonga tany aminareo. 23  Tsy manana faritany tsy voatory intsony anefa aho izao any amin’ireo faritra ireo. Efa nandritra ny taona maromaro* koa aho no te ho any aminareo mafy. 24  Rehefa ho any Espaina àry aho, dia manantena ny hahita anareo sy haterinareo lavidavitra, rehefa mba avy miaraka kely aminareo. 25  Efa ho any Jerosalema anefa aho izao mba hanompo ny olona masina.+ 26  Fa nahafinaritra an’ireo rahalahy any Makedonia sy atỳ Akaia ny nanome ny fananany, mba hanampiana an’izay mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.+ 27  Marina fa nahafinaritra azy ireo ny nanao an’izany, nefa koa tena trosa tokony haloany amin’izy ireo izany. Raha nahazo tamin’ny harena ara-panahin’ny olona masina mantsy ny hafa firenena, dia mba adidiny kosa ny mikarakara* azy ireo ka manome an’izay zavatra ilainy andavanandro.+ 28  Koa rehefa avy manatitra an’izany fanomezana izany aho ka azoko antoka hoe voarain’ny olona masina ilay izy, dia ho any Espaina aho, dia amin’izay aho no handalo kely any aminareo. 29  Fantatro koa fa rehefa tonga any aminareo aho, dia hitondra fitahiana be dia be avy amin’i Kristy ho anareo. 30  Ry rahalahy, satria isika mino an’i Jesosy Kristy Tompontsika sady mifankatia noho ny herin’Andriamanitra, dia mampirisika anareo aho mba hiezaka mafy hivavaka amin’Andriamanitra ho ahy, hoatran’ny efa ataoko.+ 31  Amin’izay aho mba hovonjena+ amin’ireo tsy mpino any Jodia, ary mba hankasitrahan’ny olona masina any Jerosalema+ ilay fanompoana ataoko ho azy ireo. 32  Dia ho falifaly aho rehefa tonga any aminareo ka samy ho velombelona daholo isika, raha sitrapon’Andriamanitra. 33  Enga anie hanohana anareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!+ Amena.

Fanamarihana

Na: “tsy nanao izay nahafinaritra azy.”
Abt: “vava.”
Na: “mba ekeo.”
Jereo F.F. A5.
Na: “ho tondraka; hitobaka.”
Abt: “mifampianatra.”
Na: “mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny besinimaro.”
Na: “fambara.”
Na mety hoe “vitsivitsy.”
Abt: “manompo.”